-
“Ankasitrahantsika ireo olona be taona”Ny Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Mey
-
-
haingana izy. Karakarao voalohany indrindra izy ireo. Mpianatrareo ireo ary sarobidy.” ‘Rehefa iharan’ny fanerena eo amin’izao fandehan-javatra izao ianao na rehefa sedrain’i Satana, dia aza miala amin’ny fahamarinana mihitsy. Manohiza miaina mifanaraka aminy, hitondra fahasambarana ho anao izany.” Ny mpivady be taona niasa tamim-pahatokiana tany amin’ny faritra iray any Nouvelle-Zélande nandritra ny 43 taona teo ho eo, dia nanome izao fanipazan-kevitra azo ampiharina izao: “Raha azo atao izany, dia tsaratsara kokoa ny mijanona ao amin’ny toerana iray ihany toy izay hifindra toerana foana. Amin’izany fomba izany, dia manohina bebe kokoa ny manodidina antsika ny fahamarinana ary voatosika ny tena hiaina foana mifanaraka amin’izany. Mahatonga antsika hatanjaka kokoa izany.”
Marina fa maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona no tsy afaka mandray anjara sahala amin’ny ataon’ny tanora amin’ny fitoriana isan-trano. Ny sasany amin’izy ireny aza dia eo am-pandriana. Ny hafa koa miaritra fanaintainana isan-karazany. Izao no nolazain’ny anabavy be taona iray: “Tsy mampaninona ahy ny mihantitra. Ny tsy tiako dia izay rehetra mitranga rehefa be taona.” Kanefa dia maneho zotom-po be dia be foana izy.
Maka fotoana hianarana hahafantatra ireo rahalahy sy anabavy be taona ve ianao? Mitady izay hanahafana ireo toetra asehony ve ianao, dia toetra nodioviny toy ny volamena araka ny fandehan’ny fotoana sy ny fanandraman-javatra? Azo antoka fa manan-javatra be dia be hampianarina antsika ireo namantsika be taona raha maka fotoana hiheverana azy ireny sy hiresahana aminy isika. Izao no nolazain’ny tanora kristiana iray: “Ireo rahalahy sy anabavy be taona dia ohatra ho ahy tamin’ny fahatokiana, ny tena fitiavana, ny finoana velona, ny fangoraham-po sy ny zotom-po amin’ny asan’Andriamanitra. Amiko izy ireny dia manana hatsaran-tarehy sahala amin’ny hazo mamony, ary sahala amin’ny hazo mamony, ary sahala amin’ny afo manafana amin’ny alina mamanala.” Tena manana antony maro be tokony hankamamiana ireo rahalahintsika sy ireo anabavintsika be taona tokoa isika!
-
-
‘Nitsinjo ireo loholona’ ny mason’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1986 | 1 Mey
-
-
‘Nitsinjo ireo loholona’ ny mason’i Jehovah
AMIN’IZAO androntsika izao, dia matetika ireo loholona no tokony hanao fanapahan-kevitra toa mihoatra ny fahalalany sy ny fanandraman-javatra efa nataony. Jereo anefa ny tarehin-javatra hitan’ny loholona jiosy sasany tamin’ny andron’i Ezra.
Rehefa tafaverina avy tany Babylona ny sisa jiosy, dia nanomboka ny vanim-potoana lava nisy enina ambin’ny folo taona tsy niasana. Afaka nampihetsika ny Jiosy tamin’ny tsy firaikany Hagay sy Zakaria mpaminany, ary natao indray ny fanorenana ny tempoly. Vetivety anefa dia nanohitra ny zo hanohy io asa io ny manam-pahefana persiana sasany. “Iza no nandidy anareo hanao io trano io”? hoy ny fanontanian’ireny fahavalo ireny. — Ezra 5:1-3.
Ho fanapahan-javatra ny fomba hamalian’ny Jiosy an’io fanontaniana io. Raha manaiky hampitahorina ireo loholona, dia hitsahatra amin’ny fomba mahery vaika ny fanorenana indray ny tempoly. Raha nanaitra ny fankahalan’ireny mpanao raharaham-panjakana ireny izy ireo, avy hatrany ireo dia handidy ny hampitsaharana ny asa. Koa ireo loholona (tsy isalasalana fa notarihin’i Zerobabela governora sy Josoa mpisoronabe) dia nanao zavatra tamim-pahaiza-mandanjalanja nefa tamin’ny fomba nandaitra. Nampahatsiaroviny azy ireo ny fisian’ny didin’i Kyrosy hadino hatramin’ny ela, nahazoan’ny Jiosy lalana avy tamin’ny mpanjaka mba hanatanteraka izany fanorenana izany. Noho ny fahalalana ny fitsipika persiana hoe tsy azo foanana ny lalàna iray naorina, ireo mpanao raharaham-panjakana ireo dia nanda tamim-pahendrena ny hanohitra ny didin’ny mpanjaka. Nanome lalana ny Jiosy àry izy ireo hanohy ny asany, ary taty aoriana dia nanamarina an’io fanapahan-kevitra io Dariosa mpanjaka. — Ezra 5:11-17; 6:6-12.
Noho ny fahendren’olombelona ve no nahatratrarana izany vokatra mampitolagaga izany? Tsy izany velively, satria voalazan’ny fitantaran’i Ezra fa “ny mason’Andriamaniny nitsinjo ny loholon’ny Joda”. (Ezra 5:5.) Mazava fa sady nitarika ny valintenin’ireo loholona Jehovah no nitarika ny famaliana tsara avy amin’ny mpanjaka persiana. Amin’izao androntsika izao, ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia afaka mitady toy izany koa ny torohevitra sy ny fitarihan’i Jehovah rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra sarotra na rehefa manohitra ny asan’ilay Fanjakana ny olona sasany. Mampanantena toy izao Jehovah araka ny Salamo 32:8: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”
-