FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ahoana no Hahatsiarovan’i Jehovah Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Febroary
    • Ahoana no Hahatsiarovan’i Jehovah Anao?

      “TSAROVY aho (...), ry Andriamanitro ô”. Niangavy an’Andriamanitra imbetsaka tamin’ireo teny ireo i Nehemia. (Nehemia 5:19; 13:14, 31). Rehefa ao anatin’ny fahoriana mangidy ny olona, dia tena voajanahary aminy ny mitodika any amin’Andriamanitra, amin’ny fiangaviana toy izany.

      Inona anefa no ao an-tsain’ny olona rehefa mangataka amin’Andriamanitra izy mba hahatsiaro azy? Mazava fa manantena an’Andriamanitra hanao zavatra, mihoatra noho ny hahatsiaro fotsiny ny anaran’izy ireo, ny olona. Tsy isalasalana fa mitovy amin’ny zavatra nantenain’ny iray tamin’ireo jiolahy novonoina teo anilan’i Jesosy, no antenain’izy ireo. Io lehilahy io, tsy sahala amin’ilay iray hafa, dia niangavy mafy an’i Jesosy hoe: “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.” Tsy naniry an’i Jesosy mba hahatsiaro ny momba azy fotsiny izy, fa mba hanao zavatra ho azy koa​—hanangana azy amin’ny maty.​—Lioka 23:42.

      Asehon’ny Baiboly amin’ny fomba tsy miovaova, fa amin’Andriamanitra, ny hoe “mahatsiaro”, dia midika ho fanaovan-javatra hentitra. Ohatra, taorian’ny nanasaforan’ny rano ny tany nandritra ny 150 andro, ‘Andriamanitra dia nahatsiaro an’i Noa ary nampandeha rivotra eran’ny tany, ka dia nihena ny rano.’ (Genesisy 8:1). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nivavaka toy izao i Samsona, izay nataon’ny Filistina jamba sy nofatorany rojo vy: “Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja”. Nahatsiaro an’i Samsona i Jehovah, tamin’ny fanomezana azy hery nihoatra noho ny herin’olombelona, mba hahafahany hamaly faty amin’ny famelezana ireo fahavalon’Andriamanitra. (Mpitsara 16:28-30). Raha ny amin’i Nehemia indray, dia nitahy ny fiezahany i Jehovah, ka tafaverina tamin’ny laoniny, tao Jerosalema, ny fanompoam-pivavahana marina.

      “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Romana 15:4). Raha mahatsiaro an’i Jehovah isika, amin’ny fitadiavana hanao ny sitrapony, toy ny nataon’ireo mpanompony nahatoky fahiny, dia afaka matoky isika fa hahatsiaro antsika i Jehovah, amin’ny fanampiana antsika hahazo izay ilaintsika isan’andro, sy amin’ny fanohanana antsika eo amin’ny fisedrana mahazo antsika, ary amin’ny famonjena antsika, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra izy.​—Matio 6:33; 2 Petera 2:9.

  • Tianao ve ny Hotsidihina?
    Ny Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Febroary
    • Tianao ve ny Hotsidihina?

      Na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza, dia afaka mahita fahasambarana ianao avy amin’ny fahalalana marina ara-baiboly momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Raha tianao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa, na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao ao an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 116, 105 Ivato, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-30.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara