FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/1 p. 5-10
  • Fandresena An’i Satana sy Ireo Asany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandresena An’i Satana sy Ireo Asany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy fivadihana ao anatin’ny fanenjehana
  • Any Rwanda rotidrotiky ny ady
  • Tanora mpihazona tsy fivadihana
  • Hafetsen-dratsy hafan’i Satana
  • Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Aza Mivadika Mihitsy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Ny tsy fivadihan’i Joba: iza no afaka manahaka azy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mampifalia ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/1 p. 5-10

Fandresena An’i Satana sy Ireo Asany

“Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” — JAKOBA 4:7.

1. Manao ahoana ny fiantraikan’ny “tànan’ilay ratsy” eo amin’ny taranak’olombelona amin’izao andro izao?

NILAZA tamin’ny fomba mety toy izao i Joba: “Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’[ilay ratsy, NW ]”. (Joba 9:24). Ary izao isika dia miatrika ireo fotoan-tsarotra indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona. Nahoana? Satria izao no “andro farany” ho an’ny fanapahana faran’izay tsy mifaditra ovana nampiharin’i Satana tamin’ny tany. Tsy mahagaga raha, eo ambanin’ny fanosehan’i Satana, ‘ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia mandroso miharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka no voafitaka’. (2 Timoty 3:1, 13, NW ). Ambonin’izany, dia mety hitambesatra mafy amintsika ny fanenjehana, ny tsy rariny, ny halozana, ny heloka bevava, ny fahasahiranana ara-bola, ny aretina mitaiza, ny fanaintainan’ny fahanterana, ny fahaketrahana ara-pihetseham-po sy ny maro kokoa.

2. Ahoana no azontsika iezahana handresy ny fanafihan’i Satana amin’izao andro izao?

2 Manao fanafihana mifantoka amin’ny taranak’olombelona, ary indrindra fa amin’ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra, i Satana Devoly, ilay fahavalo lehibe. Ny tanjony dia ny hampiodina amin’Andriamanitra izay mety ho mpihazona tsy fivadihana rehetra, ka handringana azy ireo miaraka aminy sy ireo demonia anjeliny. Omena toky anefa isika fa, raha miaritra tsy mivadika isika, dia handositra antsika ny Devoly. Sahala amin’i Jesosy, dia afaka ‘mianatra fankatoavana’ an’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo zavatra izay zakaintsika isika, ary noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, dia afaka mahazo fiainana mandrakizay isika. — Hebreo 5:7, 8, NW; Jakoba 4:7; 1 Petera 5:8-10.

3, 4. a) Fisedrana ivelany inona avy no tsy maintsy nosetrain’i Paoly? b) Inona no fanahian’i Paoly tamin’ny naha-loholona kristiana azy?

3 Notsapaina tamin’ny fomba maro koa ny apostoly Paoly. Raha nilaza ny porofon’ny naha-minisitr’i Kristy azy izy, dia nanoratra toy izao: “Mihoatra noho izy aho: amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny trano-maizina matetika kokoa, amin’ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin’ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ny ony, saiky nahita loza tamin’ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ny rahalahy sandoka aho, tamin’ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin’ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana.

4 “Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra. Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina ka tsy mirehitra aho?” (2 Korintiana 11:23-29). Araka izany, dia nihazona tsy fivadihana i Paoly rehefa niatrika fanenjehana sy fisedrana avy tany ivelany, ary tamin’ny naha-loholona kristiana azy, dia niahy lalina ny amin’ny fanatanjahana ireo rahalahy sy anabavy nalemy kokoa tao amin’ny kongregasiona izy, nanampy azy ireo mba hihazona tsy fivadihana. Ohatra tsara dia tsara toy inona moa izany ho an’ireo loholona kristiana amin’izao andro izao!

Tsy fivadihana ao anatin’ny fanenjehana

5. Inona no vahaolana amin’ny fanenjehana mivantana?

5 Hafetsena inona avy no ampiasain’i Satana mba handravana ny tsy fivadihana? Araka ny voalaza etsy ambony, ny iray amin’ireo fomba fiady manimba indrindra ampiasain’i Satana, dia ny fanenjehana mivantana, kanefa dia misy ny vahaolana. Manoro hevitra antsika toy izao ny Efesiana 6:10, 11: “Mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny [na “asa feno hafetsen-dratsy”, NW, fanamarihana ambany pejy] devoly.”

6. Ahoana no azo ampisehoana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia “manoatra noho ny mpandresy”?

6 Matetika, mandritra izao andro farany izao, dia tsy maintsy nisetra fisedrana ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, dia afaka miara-miteny amin’i Paoly toy izao isika: “Amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (Romana 8:37). Izany dia voaporofon’ny fitambaran’ireo zava-misy fantatra momba ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo toby fitanana tany Alemaina sy Aotrisy ary Polonina sy Iogoslavia nandritra ny vanim-potoan’ny Nazia teo anelanelan’ny 1933 sy 1945 sy teo ambanin’ny fampahoriana komonista tany Eoropa Atsinanana teo anelanelan’ny 1945 sy 1989 ary nandritra ireo fanenjehana izay nampahory ireo tapany amin’i Afrika sy Amerika Latina vao tsy ela izay.

7. Inona avy ireo ohatra mampihetsi-po ny amin’ny tsy fivadihana nanaovana tatitra avy any Etiopia?

7 Nanome ohatra nampihetsi-po ny amin’ny tsy fivadihana ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Etiopia, teo anelanelan’ny 1974 sy 1991. Niteny toy izao tamin’ny rahalahy iray natao am-ponja ny mpisambotra iray nanana fironana ara-politika: “Aleo mandefa ireo liona hivoaka ny saha misy biby azo jerena, toy izay handefa anareo ho afaka indray!” Nampijalijaly ny mpanompon’i Jehovah ireo mpanenjika lozabe ireo, ary taorian’ny taona maromaro dia nandidy ny hamonoana ho faty ny fitsarana ambony iray. Naseho ho hitan’ny besinimaro ny fatin’ny rahalahy iray ho ohatra fampitandremana. Nisy rahalahy hafa izay nampakatra fitsarana ambony an’ilay fanamelohana ho faty, navoakan’ny fitsarana malala-tsaina kokoa, ary ny sasany tamin’ireny ‘mpandresy’ nahatoky ireny dia nanana anjara tamin’ny fandaharana tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” natao tany Addis-Abéba teo am-piandohan’ny 1994.a — Jaona 16:33; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 4:9.

8. Ahoana no nanandraman’i Satana nanararaotra ny “fanadiovana ara-pirazanana”?

8 Tsy nahavita nandrava ny tsy fivadihan’izany rahalahy sy anabavy nahatoky izany tamin’ny fanafihana mivantana i Satana. Koa hafetsen-dratsy hafa inona avy no ampiasainy? Hoy ny Apokalypsy 12:12 mikasika izao andro farany izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Noho izy tsy nahavita nanafoana tamin’ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra tsy mivadika, dia manandrana mandripaka mponina manontolo izy, ao anatin’ny fahatezerany, tsy isalasalana fa ho fikendrena ny handripaka ny vahoakan’i Jehovah miaraka amin’ny sisa amin’ny olona. Araka izany, dia notanterahina tany amin’ny faritra maro amin’i Iogoslavia teo aloha ilay antsoina hoe fanadiovana ara-pirazanana, ary nandramana tany Liberia sy Burundi ary Rwanda ny fandripahana foko iray manontolo.

9. Nahoana no tsy mahomby matetika ireo tetik’i Satana? Manomeza ohatra.

9 Matetika anefa dia mifotitra aminy ihany ny tetik’i Satana, satria ny fampahoriana ataony dia manaitra ireo olona tso-po mba hahatakatra fa ny hany fanantenan’izy ireo dia miorina amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra izay ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin-jotom-po. (Matio 12:21). Mitangorona marina tokoa ho amin’ilay Fanjakana ireo olona liana! Any Bosnia-Herzegovina rotidrotiky ny ady, ohatra, tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, tamin’ny 26 Martsa 1994, dia olona 1 307 no nanatrika, nihoatra 291 amin’ny tamin’ny taon-dasa. Nisy tampon’isa teo amin’ny mpanatrika voarakitra an-tsoratra tany Sarajevo (414), tany Zenica (223), tany Tuzla (339), tany Banja Luka (255), ary tany amin’ny tanàna hafa. Teny amin’ny manodidina an’i Kroasia, dia nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny mpanatrika 8 326. Ny herisetra nitranga nanodidina azy ireo dia tsy nanakana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny tany ireny tsy hankato ilay didy hanohy ‘hanambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny’. — 1 Korintiana 11:26.

Any Rwanda rotidrotiky ny ady

10, 11. a) Inona no nitranga tany Rwanda lazaina fa kristiana? b) Ahoana no nilazan’ireo misionera mahatoky ny heviny manokana?

10 Tamin’ny 1993, i Rwanda izay nanana mpitory ilay Fanjakana 2 080, dia nahazo mpanatrika 4 075 tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, ary 230 no natao batisa. Tamin’ireo, dia 142 no nangataka avy hatrany hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Niakatra ho 7 655 ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano notarihina tamin’ny 1994 — miharihary fa be loatra ka tsy tian’i Satana! Na dia mihambo ho Kristiana aza ny ankamaroan’ny mponina, dia natomboka ny fifandripahan’ny samy foko. Niaiky toy izao ny L’Osservatore Romano an’ny Vatikana: “Izy io dia fandripahana tanteraka foko iray manontolo, ka mampalahelo fa tompon’andraikitra na dia ireo Katolika aza.” Tombanana ho antsasa-tapitrisa ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy maty, ary sahabo ho roa tapitrisa no nanjary tsy nanan-kialofana na voatery nandositra. Nitana ny fialanalanany kristiana tsy nisy fanaovana herisetra ireo Vavolombelon’i Jehovah ka niezaka niara-nitoetra. Rahalahintsika sy anabavintsika an-jatony maro no maty novonoina. Kanefa tao amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory ilay Fanjakana 65, izay maty novonoina ny 13 taminy, dia niakatra ho 170 ny isan’ny mpanatrika fivoriana tamin’ny Aogositra 1994. Ireo fanampiana avy tamin’ireo Vavolombelona tany an-tany hafa no anisan’ireo voalohany tonga. Mivavaka ho an’ireo tafita velona tamin’izany isika. — Romana 12:12; 2 Tesaloniana 3:1, 2; Hebreo 10:23-25.

11 Toy ny tamin’ny fahagagana iray, dia afa-nandositra ireo misionera telo izay tany Rwanda. Nanoratra toy izao izy ireo: “Takatray fa ireo rahalahinay manerana izao tontolo izao dia tsy maintsy miatrika tarehin-javatra mitovy amin’izany, na ratsy kokoa aza, ary fantatray fa anisan’ny famantarana ho an’ny andro farany ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izany rehetra izany. Na dia izany aza, rehefa tafiditra manokana amin’izany ny tena, dia manjary faran’izay mahatakatra ny tena zava-misy ary mahatonga ny tena hankasitraka ny hasarobidin’ny fiainana izany. Misy andinin-teny sasany nanjary nanana heviny vaovao taminay, ary tsy andrinay ny fotoana tsy hahatsiarovana intsony ny taloha. Mandra-pahatongan’izany dia maniry ny hitoetra ho revo amin’ny asan’i Jehovah izahay.”

Tanora mpihazona tsy fivadihana

12, 13. a) Lalana fihazonana tsy fivadihana inona no narahin’ny tanora iray? b) Aiza no mety hahitan’ireo tanorantsika fampaherezana amin’izao andro izao?

12 Nilaza i Jesosy fa ireo izay arian’ny mpianakavy noho ny fahamarinana dia hovalian-tsoa avo “zato heny”. (Marka 10:29, 30). Marina izany raha ny amin’i Entellia, zazavavy kely folo taona tatsy Afrika Avaratra, izay tia ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah raha vantany vao nandre azy io. Niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nandeha adiny iray sy sasany nandroso sy niverina isaky ny nandeha tany amin’ireo fivoriana, na dia tsy namoha trano azy matetika aza ny fianakaviany nanohitra, rehefa nody izy. Nanomboka nitory isan-trano izy teo amin’ny faha-13 taonany, ary dia nihamafy ny fanoheran’ilay fianakaviana. Indray andro, dia nisy havany namatotra azy tongotra aman-tanana sy nampandry azy teo amin’ny hain’andro migaingaina nandritra ny adiny fito, ary indraindray dia nanipy rano maloto teo amboniny. Nikapoka azy tamin-kalozana aoka izany izy ireo ka nanapotika ny masony ilany, ary farany dia nandroaka azy hiala tao an-trano. Nahita asa tany amin’ny hopitaly anefa izy, ary tamin’ny farany dia ampy fahaizana mba ho tonga mpitsabo mpanampy. Natao batisa izy teo amin’ny faha-20 taonany ary nirotsaka avy hatrany ho mpisava lalana mpanampy. Talanjona tamin’ny tsy fivadihany ny fianakaviany ka nandray azy soa aman-tsara indray tao an-tranony, ary sivy tamin’izy ireo no nanaiky fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano.

13 Nahazo fampaherezana betsaka tamin’ny Salamo faha-116 i Entellia, indrindra fa ny andininy 1-4, izay naverimberiny novakina: “Izaho tia an’i Jehovah, satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy. Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, dia hiantso aho, raha mbola velona koa. Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana, ary nahazo ahy ny fahorian’ny fiainan-tsi-hita; nahita fahoriana sy alahelo aho. Dia niantso ny anaran’i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.” Mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah!

14. Ahoana no nanehoan’ireo Vavolombelona poloney tsy fivadihana niavaka?

14 Toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, dia matetika i Satana no nampiasa firehetana tafahoatra ara-pivavahana mba hanairana fanenjehana — kanefa dia tsy nahomby izy. Miavaka ny ohatr’ireo rahalahintsika any Polonina, araka ny voalazalaza ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1994. Na dia ireo tanora aza dia nitakiana fiharihariana ho mpihazona tsy fivadihana. Tamin’ny 1946, dia iray tamin’izany ny zazavavy iray 15 taona izay nilazana hoe: “Manaova fotsiny mariky ny lakroa katolika. Raha tsy izany dia miandry anao ny bala!” Noho izy nihazona tsy fivadihana, dia notaritaritina tany anaty ala izy, nampijalijalina tamin’ny fomba nahatsiravina, ary dia notifirina. — Ampitahao amin’ny Matio 4:9, 10.

Hafetsen-dratsy hafan’i Satana

15, 16. a) Inona no tetik’asa araka ny demonia ampiasain’i Satana, ary ahoana no ahafahantsika manohitra azy? b) Nahoana ireo tanorantsika no tsy voatery ho tafintohina ka hianjera?

15 Ny tetik’asa araka ny demonia ampiasain’i Satana, dia tsy azo lavina fa hoe: “manapaha na mandringàna”! Manana fitaovam-piadiana tsy mifaditra ovana maro azony ampiasaina izy. Tsy mahagaga àry raha nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.” (Efesiana 6:12, 13). Ireo faniriana fatratra zavatra ara-nofo, ny fialam-boly sy fampielezan-kevitra mampietry, ny mozika mifandray amin’i Satana, ny faneren’ireo mitovy taona amin’ny tena any an-tsekoly, ny fampiasana zava-mahadomelina, ary ny fimamoana — na inona na inona amin’ireo dia afaka manapotika ny fiainantsika. Noho izany, dia nanohy ny toroheviny toy izao ilay apostoly: “Ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.” — Efesiana 6:16.

16 Toa ilaina indrindra izany amin’izao andro izao noho ny mozika hafahafa amenoan’i Satana an’itỳ tontolo itỳ. Amin’ny toe-javatra sasany dia misy ny fifandraisana mivantana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Satana. Nisy tatitra avy tany amin’ny biraon’ny shérif any amin’ny Zarantanin’i San Diego (Etazonia) nilaza hoe: “Nisy rindran-kira tatỳ aminay, ka tamin’izay dia ankizy 15 000 no nasain’ilay tarika nanao tsianjery lavareny hoe ‘Natas’ — izany hoe Satana [Satan] notononina nivadika.” Ny fanompoam-pivavahana amin’i Satana dia nolazalazaina ho lavaka izay hianjeran’ny zatovo tafintohina sasany “noho izy ireo nivenjivenjy namoy fo sy tezitra ary manirery”. Ry tanora ao amin’ny kongregasiona kristiana, tsy voatery ho tafintohina ka hianjera ianareo! I Jehovah dia manome anareo fiadiana ara-panahy izay tsy ho voagorobaky ny zana-tsipìka “misy mozika” alefan’i Satana mihitsy. — Salamo 16:8, 9.

17. Ahoana no ahafahana mandresy fahaketrahana ara-pihetseham-po?

17 Ireo zana-tsipìka mirehitra alefan’i Satana dia natao mba hampiasana araka izay itiavana azy ny fihetseham-po. Amin’ny alalan’ireo fanerena eo amin’ny fiainana, toy ny aretina ara-batana na fahaketrahana lalina, dia mety hataon’ilay fahavalontsika izay hahatonga ny sasany hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny. Mety hanjary ho kivy ny olona iray noho izy tsy afaka mandany ora maro eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, na noho izy tsy nahavonjy ny sasany tamin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ny fiahiana feno fitiavana asehon’ireo loholona sy rahalahy sy anabavy hafa tsara fanahy dia mety hanampy mba handresy ny fikorontanana anaty sarotra. Tsarovy mandrakariva fa tia an’ireo mpanompony mahatoky i Jehovah. (1 Jaona 4:16, 19). Milaza toy izao ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”

18. Tsy maintsy miady mafy amin’ny fanangolen’i Satana inona avy ny sasany?

18 Mbola niseho tamin’ny endriny hafa koa tato ho ato ireo ‘fanangolena’ feno hafetsen-dratsin’i Satana. Tany amin’ny tany sasany, dia olon-dehibe maro no nidiran’eritreritra izay mampita toa fahatsapana manafotra hoe fony izy ireo ankizy, dia novetavetaina tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana izy tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Satana. Avy aiza no niavian’ny hevitra toy izany? Na dia nisy aza fikarohana niitatra natao, dia miovaova be ny hevitr’ireo manam-pahaizana araka izao tontolo izao. Misy mihevitra ny eritreritra toy izany ho fahatsiarovana zavatra tena izy, ny hafa mihevitra azy io ho nofinofy — angamba vokatry ny fomba fitsaboana mampisalasala — ary mbola misy hafa koa mihevitra azy io ho karazana fahitan-javatra tsy tena izy, vokatry ny fikorontanana anaty sasany tamin’ny fahazazana.

19. a) Eritreritra inona avy no tsy maintsy nosetrain’i Joba? b) Ahoana no ahafahan’ireo loholona manaraka ny ohatr’i Eliho?

19 Mahaliana fa i Joba mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy nisetra “eritreritra tsy nampandrimandry” izay nampitain’i Satana tamin’ny alalan’i Elifaza sy i Zofara. (Joba 4:13-18, NW; 20:2, 3, NW ). Araka izany i Joba dia nijaly noho ny ‘fahasosorana’, izay nahatonga azy hanaram-po tamin’ny ‘rediredy’ momba ny “fampitahorana” izay nampahory ny sainy. (Joba 6:2-4; 30:15, 16). Nihaino tamim-panginana an’i Joba i Eliho, ary nanampy azy tamim-pahatsorana hahita ny fomba fijery zavatra feno fahendrena tanteraka ananan’i Jehovah. Toy izany koa amin’izao andro izao, fa ireo loholona mahatakatra ny fihevitry ny hafa dia mampiseho fa miahy ireo ory izy amin’ny tsy fanampiana ‘fanavesarana’ bebe kokoa amin’izy ireny. Sahala amin’i Eliho, dia hihaino azy ireny amim-paharetana kosa izy ireo, ary avy eo dia hanosotra ilay diloilo mampitonin’ny Tenin’Andriamanitra. (Joba 33:1-3, 7; Jakoba 5:13-15). Araka izany, na iza na iza manana fihetseham-po voahelingelin’ny fikorontanana anaty tena nisy na nonofinofisina, na ‘matahotra amin’ny nofy sy amin’ny fahitana’ sahala amin’i Joba, dia afaka mahita fampiononana araka ny Soratra Masina mampitony ao anatin’ny kongregasiona. — Joba 7:14, NW; Jakoba 4:7.

20. Ahoana no ahafahana manampy ireo Kristiana ory mba hitana ny fahaizany mandanjalanja ara-panahy?

20 Ankehitriny ny Kristiana iray dia afaka mahazo antoka fa na ahoana na ahoana, dia ao ambadik’ireny eritreritra mahatsiravina ireny i Satana. Raha misy ao amin’ny kongregasiona mijaly amin’izany fomba izany, dia haneho fahendrena izy ireo amin’ny fiheverana izany toa fahatsapana ara-tsaina mampahatahotra izany ho fanandraman’i Satana mivantana mba hampikorontanana ny fahaizany mandanjalanja ara-panahy. Izy ireo dia mila fanohanana araka ny Soratra Masina feno faharetana sy fahatakarana ny fihevitry ny hafa. Amin’ny fitodihana any amin’i Jehovah amim-bavaka sy amin’ny fandraisan-tsoa avy amin’ny asa fiandrasana ara-panahy, ireo izay mahita fahorian-tsaina dia hampiasa ilay hery mihoatra noho ny mahazatra. (Isaia 32:2; 2 Korintiana 4:7, 8, NW ). Amin’izany izy ireo dia ho afaka hiaritra amim-pahatokiana sy handa tsy hamela eritreri-dratsy hitsofoka mba hanimba ny fiadanan’ny kongregasiona. (Jakoba 3:17, 18, NW ). Eny, ho afaka hanohitra ny Devoly izy ireo ka haneho toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy fony izy nilaza hoe: “Mandehana hianao, ry Satana”! — Matio 4:10; Jakoba 4:7.

21. Ahoana no ampitandreman’ny Soratra Masina ny amin’ireo fomban’i Satana feno lainga tsara lahatra?

21 Fantatsika fa ny zava-kendren’i Satana dia ny hanimba ny saintsika na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, araka ny nampitandreman’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 11:3 manao hoe: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny [“lainga tsara lahatra”, DIEM ].” Izao fahasimban’ny nofo rehetra, na ny fitambaran’olona lavitra an’Andriamanitra, izao dia mampahatsiaro antsika ny amin’ny fikororosiana naterak’ireo “Mpanjera” metisy ratsy fitondran-tena sy nahery setra tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:4, 12, 13, NW, fanamarihana ambany pejy; Lioka 17:26). Tsy mahagaga, noho izany, raha mampiasa asa feno hafetsen-dratsy sy fomba feno lainga tsara lahatra i Satana mba hanamparany ny fahatezerany, indrindra fa amin’ny vahoakan’Andriamanitra. — 1 Petera 5:8; Apokalypsy 12:17.

22. Rehefa tsy ho eo intsony i Satana, fitahiana inona avy no azo antenaina?

22 Tsy notononina akory i Satana ao amin’ireo toko famaranana ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly. Ilay fihantsiany feno haratsiam-panahy hoe tsy afaka mihazona tsy fivadihana amin’Andriamanitra ny olombelona, dia voaporofo fa diso tamin’ny tsy fivadihan’i Joba. Toy izany koa, amin’ny hoavy tsy ho ela, rehefa hivoaka “avy amin’ny fahoriana lehibe” ireo “olona betsaka” mpihazona tsy fivadihana, dia hitranga ny fandefasana an’i Satana ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Hisy lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, anisan’izany i Joba nahatoky, hiaraka amin’izany “olona betsaka” izany mba hankafy ireo fitahiana ao amin’ny paradisa, dia fitahiana lehibe lavitra noho ireo izay namalian-tsoa an’i Joba! — Apokalypsy 7:9-17; 20:1-3, 11-13; Joba 14:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, pejy faha-177.

Fanontaniana ho Famerenana

◻ Ohatra tsara dia tsara momba ny tsy fivadihana inona avy no navelan’i Joba sy i Jesosy ary i Paoly?

◻ Ahoana no niatrehan’ireo mpihazona tsy fivadihana an’i Satana?

◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora manohitra ny hafetsen-dratsin’i Satana?

◻ Inona no azo atao mba hiezahana handresy ireo fanangolen’i Satana?

[Sary, pejy 7]

Any Etiopia, dia manompo an’i Jehovah manontolo andro araka ny ohatry ny rainy izay novonoina ho faty izao i Meswat sy i Yoalan

[Sary, pejy 7]

I Entellia, tanora iray mpihazona tsy fivadihana atsy Afrika Avaratra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara