FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Oktobra
    • Ny Herin’ny Teny Iray Mampiseho Hatsaram-panahy

      “Ny fo iray milofika noho ny tebiteby, dia hain’ny teny mampiseho hatsaram-panahy velombelomina erỳ!” — Ohabolana 12:25, Knox.

      TSY vita fanefitra amin’ny fahoriana ireo Kristiana. Indraindray, dia mahatsapa tebiteby izy ireo noho izy miaina amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. — 2 Timoty 3:1, NW.

      Rehefa mijaly noho ny loza toy izany, dia fitahiana re izany hoe mandre teny mampiseho hatsaram-panahy avy amin’ny namana tsy mivadika iray izany! “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 17:17). Fantatra ho izany karazana namana izany i Joba lehilahy nahatoky. Na dia i Elifaza aza dia nilaza toy izao momba azy: “Rehefa nisy olona tafintohina sy osa ary reraka, dia nampahery azy hijoro ny teninao.” — Joba 4:4, Today’s English Version.

      Kanefa, rehefa nila fampaherezana ny tenan’i Joba mihitsy, dia tsy namoaka teny mampiseho hatsaram-panahy i Elifaza sy ireo namany. Nanome tsiny an’i Joba izy ireo noho ny fahoriana nanjo azy, tamin’ny filazana tsy nivantana fa tsy maintsy nanana fahadisoana niafina sasany izy. (Joba 4:8). Manome fanazavana toy izao ny The Interpreter’s Bible: “Izay nilain’i Joba dia fangorahan’ny fon’olombelona. Izay azony dia fitohitohizam-pitenenana ara-pivavahana niverimberina foana, izay ‘marina’ tanteraka sy kanto tanteraka, ary fanamarihana mankaleo ara-pitondran-tena.” Sahiran-tsaina mafy aoka izany i Joba tamin’ny fandrenesana ny tenin’i Elifaza sy ireo namany, hany ka voatery nitaraina toy izao izy: “Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?” — Joba 19:2.

      Tsy tokony hahatonga mpiara-manompo an’Andriamanitra hitaraina ao anatin’ny fahoriana na oviana na oviana isika noho ny tenintsika tsy mampiseho hatsaram-panahy sy fiheverana. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 24:15.) Mampitandrina toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Izay lazainao dia afaka mitsimbina ny aina na mandringana azy io; koa tsy maintsy manaiky ny vokatry ny teninao ianao.” — Ohabolana 18:21, TEV.

      Amin’ny fiekena ny herin’ny teny avoaka, dia aoka isika hanaraka ny ohatra navelan’ny apostoly Paoly. Fony izy tany Makedonia, dia “namporisika ny olona tamin’ny teny maro”. — Asan’ny Apostoly 20:2, Kat.

  • Irinao ve ny Hahazo Fitsidihana?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 1 Oktobra
    • Irinao ve ny Hahazo Fitsidihana?

      Na dia eto amin’itỳ tontolo mikorontana itỳ aza, dia afaka mahita fahasambarana ianao avy amin’ny fahalalana ara-baiboly marina momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany mahatalanjona ho an’ny olombelona. Raha irinao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao any an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara