FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fieken-keloka Nahasitrana
    Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Jona
    • ny fifaneraserana mampahery amin’ireo mpiara-mivavaka. Noho ny soron’i Kristy tokoa, dia afaka mahita ny “haren’ny fahasoavan’[Andriamanitra]” ilay nibebaka.​—Efesiana 1:7.

      “Fo madio” sy ‘fanahy nohavaozina’

      Tsy nanjary nihevi-tena ho tsy nisy vidiny intsony i Davida, rehefa avy niaiky ny helony. Asehon’ny teny momba ny fieken-keloka nosoratany ao amin’ireo salamo fa nahatsiaro ho maivamaivana izy ary tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Jereo, ohatra, ny Salamo 32. Hoy ny andininy voalohany: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.” Na lehibe toy inona aza ny fahotan’ny olona iray, dia mety ho tsara ny fiafaran’ny raharaha, raha tena mibebaka izy. Anisan’ny fomba anehoana io fahatsorana io ny fanekena amin’ny fomba feno ny andraikitra noho ny zavatra nataon’ny tena, toy ny nataon’i Davida. (2 Samoela 12:13) Tsy nanandrana nanamarin-tena teo anatrehan’i Jehovah izy, na nanilika ny fahadisoana. Hoy ny andininy faha-5: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” Ahazoana fanamaivanana ny tena fibebahana, hany ka tsy voatery henjehin’ny eritreriny noho ny fahotany taloha intsony ny olona iray.

      Nangataka toy izao i Davida, rehefa avy niangavy ny hamelan’i Jehovah azy: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10) Ny fangatahan’i Davida “fo madio” sy ‘fanahy nohavaozina’ dia mampiseho fa fantany ny fironany hanota, ary nila ny fanampian’Andriamanitra izy mba hanadio ny fony sy hanomboka fiainana vaovao. Tsy nanjary nitsetra tena izy, fa tapa-kevitra ny handroso tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra kosa. Nivavaka izy hoe: “Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.”​—Salamo 51:15.

      Ahoana hoy i Jehovah rehefa nibebaka tamin’ny fony manontolo i Davida ka tapa-kevitra ny hiezaka hanompo azy? Nomeny toky toy izao i Davida: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8) Toky nomen’i Jehovah tokoa izany, ary fiheverany manokana ny fihetseham-po sy zavatra ilain’ilay nibebaka. Na

  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Jona
    • Fanontanian’ny Mpamaky

      Koa satria vonona hamela heloka, miorina amin’ny sorom-panavotana, i Jehovah, nahoana ny Kristianina no mbola mila miaiky heloka amin’ireo anti-panahin’ny kongregasiona ihany?

      Namela ny fahotan’i Davida tamin’i Batseba i Jehovah, na dia lehibe aza izany, satria tena nibebaka izy. Niaiky toy izao i Davida, rehefa nanatona azy i Natana mpaminany: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.”​—2 Samoela 12:13.

      Tsy vitan’ny hoe manaiky ny fieken-keloka amim-pahatsorana ataon’ny mpanota i Jehovah, ka mamela ny helony, fa manao fandaharana feno fitiavana koa izy mba hanampiana ilay olona ho sitrana ara-panahy. I Natana mpaminany, ohatra, no nanampy an’i Davida. Misy lehilahy matotra ara-panahy, na anti-panahy, ao amin’ny kongregasiona kristianina ankehitriny. Manazava toy izao i Jakoba mpianatra: “Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.”​—Jakoba 5:14, 15.

      Afaka tena manamaivana ny fanaintainan’ny fon’ireo mpanota manenina ny anti-panahy mahay. Miezaka mafy hanahaka an’i Jehovah izy

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara