-
Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 26 MartsaFanompoana—2012 | Martsa
-
-
Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 26 Martsa
HERINANDRON’NY 26 MARTSA
Hira 92 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 18 § 12-18 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Jeremia 12-16 (10 min.)
No. 1: Jeremia 13:1-14 (4 min. na latsaka)
No. 2: Iza no Tokony Hihinana ny Mofo sy Hisotro ny Divay?—rs p. 136 § 2-3 (5 min.)
No. 3: Impiry no Tokony Hankalazana ny Fahatsiarovana, ary Rahoviana?—rs p. 137 § 2-3 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana. Lazao hoe firy no faritany mbola tsy nizarana fanasana amin’ny Fahatsiarovana.
10 min: Raiso Tsara Ireo Vahiny. (Heb. 13:1, 2) Lahateny ataon’ny anti-panahy. Resaho izay fandaharana efa ataon’ny fiangonana momba ny Fahatsiarovana. Lazao izay azon’ny rehetra atao mba handraisana tsara ny vahiny, anisan’izany ireo tsy mitory intsony. Asio fampisehoana fohy mizara roa. Alohan’ny fandaharana: Mpitory iray mandray olona nisy nanasa. Aorian’ny firavana: Mifanao fotoana amin’ilay olona izy mba hitsidihana azy.
20 min: “Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary.” Fanontaniana sy valiny. Ny fanazavana eo amin’ny fehintsoratra voalohany sy farany no ampiasao, mba hanaovana teny fampidirana sy famaranana. Asao ny mpanatrika hilaza izay soa azony rehefa nijery ilay DVD. Resaho avy eo hoe ahoana no azo ampiasana azy io amin’ny fanompoana.
Hira 110 sy Vavaka
-
-
Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny ZavaboaryFanompoana—2012 | Martsa
-
-
Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary
Maro no tia mijery zavaboary. Vitsy anefa no mahalala fa ahitana ny toe-tsaina sy ny fihetseham-pon’ilay Mpamorona Lehibe izy ireny. (Rom. 1:20) Nahafantatra momba an’i Jehovah i Davida, rehefa nianatra ny Teniny. ‘Nijery’ ny zavaboary koa anefa izy, ka lasa akaiky kokoa Azy. (Sal. 8:3, 4) Natao ho antsika sy ny zanatsika ary ny olona ampianarintsika Baiboly ilay DVD hoe Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary. Miresaka zavaboary vitsivitsy noforonin’i Jehovah izy io, ka manampy antsika hahalala ny toetrany sy ho akaiky kokoa azy. Jereo àry ilay DVD, ary tadiavo ny valin’ireto:
1) Manao ahoana ny haben’ireo zavatra eny amin’ny habakabaka, sy ny filaminana eo amin’izao rehetra izao? Ary inona no tsapanao momba an’i Jehovah rehefa mandinika izany ianao? (Isaia 40:26) 2) Rehefa mandinika ny rano isika, inona no fantatsika momba Ilay nanao azy io? (Apok. 14:7) 3) Hita hoe hendry i Jehovah rehefa jerena ny haben’ny tany sy ny elanelany amin’ny masoandro. Nahoana? 4) Inona no asan’ny volana? (Sal. 89:37) 5) Inona no porofo fa tian’i Jehovah hankafy ny fiainana isika? 6) Inona no atao hoe ADN? (Sal. 139:16) 7) Nahoana isika no hafa noho ny zavaboarin’i Jehovah rehetra eto an-tany? (Gen. 1:26) 8) Inona no tena antenainao hitranga ao amin’ny tontolo vaovao?
Fanampiny: 9) Ahoana no nahatonga an’ireo loko isan-karazany? 10) Nahoana ny rano no mahatohitra ny hery misinton’ny tany, ka tonga hatreny an-tampon’ny hazo? 11) Inona no asan’ny rano ao amin’ny vatantsika? 12) Milazà ohatra ahitana fa mahay miara-miasa ny zavaboary. 13) Ahoana no nahaizan’izy ireo mifanampy? 14) Inona no atao hoe “zoro filamatra”, ary inona no porofo fa misy azy io eo amin’ny zavaboary?
“Jereo tsara” ny asa tanan’i Jehovah: Nampirisika antsika i Jesosy mba ‘hijery tsara ny voro-manidina sy ny lisy any an-tsaha’, ka handray lesona amin’izany. (Mat. 6:26, 28) Hino sy hatoky kokoa an’ilay Mpamorona isika amin’izay, sady vao mainka hiaiky fa hendry sy be fitiavana ary manana hery hamonjena antsika izy. Aza variana loatra amin’ny zava-bitan’ity tontolo ity àry, fa manokàna fotoana handinihana ny zavaboary mahatalanjon’i Jehovah. Saintsaino koa hoe inona no ianarantsika momba Azy.—Sal. 19:1.
-