FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/12 p. 29-31
  • “Tsarovy ny Andro Fahiny” — Nahoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsarovy ny Andro Fahiny” — Nahoana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony manosika sy fampaherezana
  • Fianarana avy amin’ny fahadisoana tamin’ny lasa
  • Fiheveran-tena araka ny antonona sy fankasitrahana
  • Aza Manadino An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-5 — Deoteronomia
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Aza Miala Amin’ny Hazakazaka ho Amin’ny Fiainana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/12 p. 29-31

“Tsarovy ny Andro Fahiny” — Nahoana?

“TSAROVY ny andro fahiny”. Navantana tamin’ireo Kristiana hebreo tany Jodia io fananaran’ny apostoly Paoly io, izay nosoratana tokony ho tamin’ny 61 am.f.i. (Hebreo 10:32). Inona no nanosika azy hanao io fanamarihana io? Nahoana no nilain’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany ireo ny tsy hanadino ny lasa? Moa ve isika afaka mandray soa amin’ny fanehoana fiheverana ny fampahatsiahivana iray mitovy amin’izany amin’izao andro izao?

Nandritra ny taonjato maro, ireo mpanoratra ny Baiboly dia namerimberina nampitandrina ny amin’ny tsy firaharahana na ny tsy fanisiana fiheverana ny amin’ny lasa. Tokony hotazonina tao an-tsaina sy hoheverina ireo fotoana sy fisehoan-javatra taloha. Na dia i Jehovah mihitsy aza dia nanao hoe: “Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy”. (Isaia 46:9). Andeha isika handinika antony mahery telo tokony hanehoana fiheverana an’io fananarana io.

Antony manosika sy fampaherezana

Voalohany aloha, izany dia afaka ny ho loharano lehibe anovozana antony manosika sy fampaherezana. Rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny kongregasiona hebreo i Paoly, dia nanoratra ho an’ireo Kristiana tahaka azy izay nandia fitsapana ny finoany isan’andro noho ny fanoheran’ireo Jiosy. Noho ny nahatakaran’i Paoly fa nila nampitombo fiaretana izy ireo, dia hoy izy: “Tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo”. (Hebreo 10:32). Nanome azy ireo ilay herim-po nilaina mba hamitana ny fihazakazahana, ny fitadidiany ireo asa naneho tsy fivadihana tamin’ny lasa tamin’ny ady ara-panahy. Toy izany koa fa nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Tsarovy izany, ka mahereza hianareo”. (Isaia 46:8). Vokany faniry nitovy tamin’izany no tao an-tsain’i Jesosy Kristy fony izy nilaza toy izao tamin’ny kongregasiona tany Efesosy: “Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo [ny fitiavanao voalohany], dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany”. — Apokalypsy 2:4, 5.

Foto-kevitra niverimberina tao amin’ny lahateny nataon’i Mosesy tamin’ny Isiraely ilay fandrisihana hoe “tsarovy ny andro fahiny, saino ny taona hatrizay hatrizay”, fony izy nandrisika an’ilay firenena ho amin’ny tsy fivadihana tamin-kerim-po tamin’i Jehovah. (Deoteronomia 32:7). Mariho ny teniny, voarakitra an-tsoratra toy izao ao amin’ny Deoteronomia 7:18: “Aza matahotra azy [ny Kananita] hianao; fa tsarovy tsara izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Farao sy ny Egyptiana rehetra”. Tokony ho nanosika azy ireo hanohy hifikitra tamim-pahatokiana tamin’ireo lalàn’Andriamanitra ny fitadidiana ireo asa nahavonjin’i Jehovah ho tombontsoan’ny vahoakany. — Deoteronomia 5:15; 15:15.

Mampalahelo fa matetika ireo Isiraelita no nanaiky ho resin’ny ota, dia ny fanadinoana. Inona no vokany? “Naka fanahy an’Andriamanitra mandrakariva izy ka nampalahelo ny Iray Masin’ny Isiraely. Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ny fahavalo”. (Salamo 78:41, 42). Tamin’ny farany, dia niteraka ny fandavan’i Jehovah azy ireo ny fanadinoany ny didin’i Jehovah. — Matio 21:42, 43.

Namela ohatra tsara dia tsara ny mpanao salamo, izay nanoratra hoe: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:11, 12). Hanome antsika ny antony manosika sy ny fampaherezana ary ny fankasitrahana ilaina, ny fitadidiana amim-pisaintsainana toy izany ny fanompoana tamin’ny fomba tsy nivadika sy ireo zavatra nataon’i Jehovah tamim-pitiavana tamin’ny lasa. Afa-tsy izany koa, ny ‘fahatsiarovana ny andro fahiny’ dia afaka mandroaka ny hasasarana sy afaka mandrisika antsika hanao izay rehetra azontsika atao sy hihazona fiaretana amim-pahatokiana.

Fianarana avy amin’ny fahadisoana tamin’ny lasa

Faharoa, ny tsy fanadinoana dia fomba iray fianarana avy amin’ireo fahadisoana tamin’ny lasa sy ireo vokany. Izany no tao an-tsain’i Mosesy fony izy nanome torohevitra toy izao an’ireo Isiraelita: “Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ny andro nialanao tany amin’ny tany Egypta ka hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity tany ity dia mbola niodina tamin’i Jehovah ihany hianareo.” (Deoteronomia 9:7). Ny vokatr’izany tsy fankatoavana nasehon’ireo Isiraelita izany dia ny ‘nitondran’i Jehovah Andriamaniny azy ireny tany an’efitra efapolo taona’, araka ny nisarihan’i Mosesy ny sainy. Nahoana izy ireo no nampirisihina mba hahatsiaro an’izany? Mba hampanetry tena azy ireo sy mba ho fananarana, na fanitsiana (NW ), ny lalam-pikomian’izy ireo, ka ‘hitandremany ny didin’i Jehovah Andriamaniny, sy mba handehanany amin’ny lalany sy hatahorany azy’. (Deoteronomia 8:2-6). Tokony hiana-javatra izy ireo amin’ny heviny hoe tsy hamerina ireo fahadisoany tamin’ny lasa.

Nanao fanamarihana toy izao ny mpanoratra iray: “Ny olona malina iray dia mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatry ny tenany, fa ny olon-kendry iray kosa [dia mandray soa] avy amin’ny fanandraman-javatry ny hafa.” Raha nanasa ny vahoakan’ny Isiraely mba handray soa tamin’ny fandinihana ireo fahadisoana taloha nataon’ny tenan’izy ireo i Mosesy, ny apostoly Paoly kosa dia nananatra ny hafa — ny kongregasiona tao Korinto tamin’ny taonjato voalohany, ary isika koa, raha itarina — mba handray fianarana avy amin’io tantara io ihany. Izao no nosoratany: “Ary izany dia nanjo azy [ny Isiraelita] mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” (1 Korintiana 10:11, izahay no manao sora-mandry.) Tao an-tsain’i Jesosy Kristy ny fisehoan-javatra ara-baiboly fahiny hafa iray koa sy ny ilana miana-javatra avy amin’izany, fony izy nilaza hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32; Genesisy 19:1-26). Nanoratra toy izao i Samuel Taylor Coleridge, poety sy filozofa anglisy: “Raha mba afaka nianatra avy tamin’ny tantara mantsy ny olombelona, dia ho toy inona moa ireo lesona azony nampianarina antsika!”

Fiheveran-tena araka ny antonona sy fankasitrahana

Fahatelo, ny fitadidiana dia afaka miteraka ao amintsika ireo toetra tsara mampifaly an’Andriamanitra, dia ny fiheveran-tena araka ny antonona sy ny fankasitrahana. Eo am-pifaliantsika amin’ireo lafiny maro amin’ny paradisa ara-panahy maneran-tany misy antsika, dia enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana fa mitoetra eo ambonin’ny vato fanorenana azo ianteherana izy io. Anisan’izany ny tsy fivadihana, ny fitiavana, ny fahafoizan-tena, ny fahasahiana eo anatrehan’ny fahoriana, ny fiaretana, ny fahari-po, sy ny finoana — toetra tsara nasehon’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana izay nanokatra ny asa tany amin’ny tany maro samihafa, am-polony taona maro lasa izay. Tao amin’ny famaranana ny tatitra nataony momba ny tantara maoderin’ny vahoakan’Andriamanitra any Meksika, dia hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1995: “Ho an’ireo olona vao nifanerasera vao haingana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo fisedrana natrehin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fanokafana ny asa teto Meksika dia mety hahagaga. Zatra mahita paradisa ara-panahy ahitany sakafo ara-panahy tondraka, sy iarahany amin’ny namana matahotra an’Andriamanitra ana hetsiny maro, ary anaovany ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba voalamina tsara, izy ireo.”

Ireny mpisava ranonando tany am-boalohany ireny dia matetika no niasa irery na nahaforona groupes isolés kely. Niatrika fahatsiarovan-tena ho nanirery, tsy fahampiana, sy fitsapana henjana hafa izay nahakasika ny tsy fivadihany, izy ireo, raha naharitra tamin’ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Na dia maro tamin’ireny mpanompo tamin’ny andro taloha ireny aza no efa maty, dia mampihetsi-po toy inona moa ny mahafantatra fa mitadidy ny fanompoan’izy ireny tamim-pahatokiana i Jehovah! Nanamafy izany ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra hoe: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. (Hebreo 6:10). Raha mitadidy amim-pankasitrahana i Jehovah, moa ve isika tsy tokony hanao toy izany koa amin’ny toe-tsaina feno fankasitrahana?

Afaka mahazo izany fahalalana ara-tantara izany amin’ny alalan’ilay zavatra vita an-tsoratra hoe Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, ireo izay nahafantatra vao haingana ny fahamarinana.a Ankoatra izany, raha toa isika ka manana tombontsoa ho anisan’ny fianakaviana iray na ny kongregasiona kristiana iray izay ahitana mpikambana misy rahalahy na anabavy be taona nanompo hatramin’ny ela, dia ampirisihina mafy isika, araka ny toe-tsaina hita ao amin’ny Deoteronomia 32:7, mba ‘hahatsiaro ny andro fahiny, ka hisaina ny taona hatrizay hatrizay; hanontany an-drainao, fa hanambara aminao izy, sy amin’ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy’.

Eny, ny fitadidiana ireo asa teo aloha nanehoana fifikirana tamin’Andriamanitra dia afaka mandrisika antsika hanohy hiaritra amim-pifaliana eo amin’ny fanompoantsika kristiana. Mirakitra fianarana izay ilaintsika hianarana koa ny tantara. Ary miteraka ireo toetra mendrika, dia ny fiheveran-tena araka ny antonona sy ny fankasitrahana, ny fisaintsainana momba ny paradisa ara-panahy tahin’Andriamanitra misy antsika. Eny tokoa, “tsarovy ny andro fahiny”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara