FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny Marina Momba ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 5
    • Voalamina Tsara ny Anjely

      Ny arkanjely: I Mikaela, filohan’ny anjely, no anjely mahery indrindra sy manana fahefana lehibe indrindra. Anarana hafa iantsoana an’i Jesosy Kristy ny hoe Mikaela, araka ny Baiboly. —1 Tesalonianina 4:16; Joda 9.

      Serafima: Manana voninahitra lehibe sy toerana tena ambony ny serafima. Manompo an’Andriamanitra manodidina ny seza fiandrianany izy ireo.—Isaia 6:1-3.

      Kerobima: Manana toerana ambony sy andraikitra manokana koa ny kerobima, satria izy ireo no mifanerasera akaiky amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Matetika izy ireo no hita eo akaikiny.—Genesisy 3:24; Ezekiela 9:3; 11:22.

      Anjely hafa maro be: Iraka sy solontenan’ny Avo indrindra izy ireo, ka asainy manatanteraka ny sitrapony.a—Hebreo 1:7, 14.

  • Manana Anjely Mpiambina ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 5
    • MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

      Manana Anjely Mpiambina ve Ianao?

      Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Marina fa nilaza i Jesosy hoe: “Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika [mpianatr’i Kristy] ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.” (Matio 18:10) Tsy te hilaza anefa izy hoe manana anjely mpiambina azy ny olona tsirairay. Te hilaza kosa izy fa mitady izay hahasoa ny mpianany tsirairay ny anjely. Tsy misangy loza àry ny tena mpivavaka, satria tsy manantena izy ireo hoe hiaro azy foana ny anjelin’Andriamanitra.

      Midika ve izany fa tsy manampy ny olona ny anjely? Tsia. (Salamo 91:11) Misy tena resy lahatra hoe nanampy sy nitari-dalana azy ny anjelin’Andriamanitra. Anisan’izany i Kenneth, ilay voaresaka tany aloha. Mety ho marina ny azy. Imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no mahatsapa fa manampy azy ireo amin’ny asa fitoriana ny anjely. Tsy hita maso anefa ny anjely, ka tsy haintsika hoe hoatran’ny ahoana avy no ampiasan’Andriamanitra azy ireny mba hanampiana ny olona. Na izany aza, dia tsy diso isika raha misaotra an’ilay Mahery Indrindra noho izy manampy antsika, na inona na inona fomba ampiasainy.—Kolosianina 3:15; Jakoba 1:17, 18.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara