Mijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra ve ianao?
“Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah!”— ISAIA 52:11.
1. a) Noho ny didim-panjakana inona moa no nahafahan’ny fanak’i Jehovah naverina indray tany Jerosalema? b) Tamin’ny fomba ahoana no nandotoana ny sasany tamin’ireny fanaka ireny?
ELA ny ela, afaka izy ireo — taorian’ny 70 taona nahandevozana! Ny didim-panjakana navoaka tany amin’ny taona 538 alohan’ny fanisan-taona iraisana dia namela ny firenena jiosy ‘hanorina indray ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely’. (Ezra 1:2, 3.) Taoriana kelin’izay, dia nisy fitrangan-javatra niavaka niseho: “Dia navoak’i Kyrosy [Persiana] mpanjaka ny fanaky ny tranon’i Jehovah, izay efa nalain’i Nebokadnezara tany Jerosalema” (Ezra 1:7, 8). Anisan’ireny fanaka ireny dia tao ny fanaka masina izay nolotoin’i Belsazara sy ireo olo-manan-kajany tamin’ny alina nianjeran’i Babylona tamin’ny fampiasana azy tamin-kasahiana mba hiderana andriamani-diso (Daniela 5:3, 4). Azon’ireny olona babo taloha ireny natao izao ny nitondra ireny fanaka ireny tany Jerosalema sy nampiasa azy ho fiderana an’i Jehovah.
2. a) Faminanian’Isaia inona no hotsaroan’ireny babo fahiny ireny? Amin’iza no hiharany? b) Nahoana moa izy ireo no nanarina tsy hikasika zavatra maloto na inona izany na inona?
2 Raha mbola nanomankomana tamim-pahataitairana ny fiaingany ny Jiosy, dia tsy isalasalana fa nahatsiaro ireto tenin’ny mpaminany Isaia ireto: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah!” (Isaia 52:11). Mazava ho azy fa ny Levita no nitondra ny fanaka (Nomery 1:50, 51; 4:15). Nanambara anefa Isaia fa ny Jiosy rehetra izay hiverina avy any amin’ny fahababoana dia ho mpitondra amim-panajana izany fanaka izany. Tokony ho nadio àry ny rehetra. Tsy hamabo ny zava-tsarobidin’ny babyloniana akory izy ireo sahala amin’ny nataon’ny Isiraelita tamin’ny nandaozany an’i Egypta (jereo Eksodosy 12:34-38). Tokony ho afaka tamin’izay rehetra nety ho fitsiriritana fatratra ny zavatra ara-nofo na mampiseho fitiavan-tena izy rehefa miverina any amin’ny taniny. Raha nikasika izy, eny fa na dia ny anankiray monja tamin’ireo “sarin-javatra” babyloniana aza, dia handoto ny tenany (Jeremia 50:1, 2)a. Amin’ny fijanonana ho madio amin’ny lafiny rehetra ihany no nety ho azon’ny Jiosy iverenana tany Jerosalema tamin’ny fanarahana “ny Lalàn’ny Fahamasinana”. — Isaia 35:8, 9.
3. Iza moa ireo mpitondra ny “fanak’i” Jehovah, amin’izao andro izao? Nahoana moa no antoka ho azy ireo ny mijanona ho madio?
3 Toy izany koa, amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony ho madio, satria mitondra ny “fanak’i Jehovah” izy ireo. Nanonona rahateo ireo tenin’Isaia ireo ny apostoly Paoly ary nampihatra azy tamin’ny kristiana tamin’ny androny tamin’izao teny izao: “Dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 6:17 ka hatramin’ny 7:1). Tsy vitan’ny hoe miaina eo amin’izao tontolo izao iray maloto fotsiny isika, fa tsy maintsy miady koa amin’ny fironan-dratsintsika nolovana (Genesisy 8:21). Ny amin’izany, ny Jeremia 17:9 dia mampahatsiahy antsika toy izao: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” Ny sasany dia mamitaka ny tenany sy mamitaka ny hafa, amin’ny fiheverana fa manana fiainana madio sy ankasitrahan’Andriamanitra izy, kanefa dia tsy toy izany raha ny marina. Manaraka karazam-pihatsarambelatsihy izy ireny amin’izany. Aoka àry ny tsirairay avy amintsika hametraka izao fanontaniana izao: ‘Moa ve aho manao izay rehetra azoko atao mba hijanonana ho madio eo anatrehan’i Jehovah amin’ny lafiny rehetra?’ Mba hanampiana antsika amin’izay lafiny izay, dia aoka isika izao handinika lafin-javatra efatra momba ny fahadiovana.
Ny fahadiovana ara-batana: loha laharana
4. a) Nahoana ny fahadiovana ara-batana no loha laharana eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah? b) Nahoana moa no sarotra indraindray ny mihazona fari-pahadiovana ambony?
4 Sahala amin’ny tamin’ny Andro fahiny, ny fahadiovana ara-batana dia mitana ny loha laharana amin’izao andro izao eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah (Eksodosy 30:17-21; 40:30-32). Na ahoana na ahoana, moa ve isika hitondra amim-panajana ny “fanak’i Jehovah” raha tahiny ka naloto ny volontsika, ny tanantsika, ny tarehintsika, ny nifintsika na ny hohontsika na koa raha nisy fofon-dratsy ara-batana mivoaka avy amin’ny tenantsika? Mora anefa ny mamela ny tena ho voataonan’ny fahakamoana mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny. — Romana 12:2.
5. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny hihazonantsika fari-pahadiovana ambony? Manomeza ohatra ny amin’ny fomba mety ho azo ampiharana io torohevitra io eo amin’ny lafim-piainana eo an-toerana. b) Ahoana no fomba azon’ireo loholona itondrana ny fanampiany amin’izay lafiny izay?
5 Ahoana no hahafahantsika ho hafa noho izao tontolo izao raha toa ka ekentsika ny tsy fahavaran-tenany? Moa ve ny trano maloto na ny toeram-panompoam-pivavahana tsy voakarakara tsy hitarika ny sasany ‘hiteny ratsy ny tenin’Andriamanitra’? (Titosy 2:5.) Mifanohitra amin’izany, raha mahakarakara tsara ny vatantsika isika, mitsimpona ny taratasy miparitaka eny amin’ireo toeram-pivoriambe, mandray anjara amin’ny fikolokoloana ny Efitrano Fanjakana ary mihazona ny tokantranontsika — na dia ny tsotra indrindra aza — ho milamina sy madio, dia midera an’Andriamanitra isika amin’izay (jereo 1 Petera 2:12). Ry loholona, manomeza ohatra tsara eo amin’ny lafiny fahadiovana. Aza ‘mijanona’ ny manome torohevitra mety raha miharihary fa ilaina izany. — Asan’ny apostoly 20:20, MN.
6. Inona moa no tokony ho fomba fitafintsika rehefa mamonjy fivoriana sy mandray anjara amin’ny fitoriana isika?
6 Inona no holazaina ny amin’ny fomba fitafintsika rehefa midera an’i Jehovah isika any amin’ireo fivoriana sy rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana? Moa ve izany tsy tokony ho ‘mendrika sy maotina’? (1 Timoty 2:9; Hebreo 10:23-25.) Aoka isika tsy hihevitra fa rehefa mandray anjara amin’ny fandaharana amin’ny fivoriana ihany isika vao voatery hanao fitafiana mendrika. Tsy ampy fanetren-tena sy tsy mety amin’ny fanompoam-pivavahana ny fitafiana baranahiny. Mety hampihem-bidy ny hafatra momba ilay Fanjakana ihany koa ny kitapo tonta sy ny Baiboly miforiporitra na tranainy.
Aoka isika hisoroka ny fandotoana ara-tsaina
7. Araka ny Filipiana 4:8, ahoana no azontsika ijanonana ho madio ara-tsaina?
7 Ao amin’ny Filipiana 4:8, i Paoly dia manome izao torohevitra izao: “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” Hatraiza hatraiza anefa isika dia tafihin’ny fakam-panahy mitarika antsika hampifantoka ny fiheverantsika amin’ “ireo ‘sain-dalin’i Satana’ ”. — Apokalypsy 2:24.
8. Ahoana no azo anazavana ireo loza mifamatotra amin’ny karazam-pialam-boly samihafa? Manonòna ohatra vitsivitsy eo an-toerana.
8 Ohatra, ny fanaovana izay ahazoana mora foana sarimihetsika “vidéo” misy sary maloto na feno herisetra tafahoatra dia niteraka zava-manahirana lehibe ho an’ny mpampiasa “magnétoscopes” sasany. Tany Eoropa, ny lehilahy kristiana manambady iray dia niandry ny handehanan’ny vadiny hatory mba hijerena sarimihetsika maloto. Nisy voam-pahalotoana namaka lalina tao aminy, ka nanitsakitsa-bady izy (jereo Jakoba 1:14, 15). Tao amin’ny tany afrikana iray, ny antokona tanora Vavolombelona dia nindrana “cassettes vidéo” nisy sary maloto tamin’ny mpiara-mianatra taminy ary nijery izany tsy teo anatrehan’ny ray aman-dreniny. Manao izao fanamarihana izao anefa ny loholona izay avy any Nigéria: ‘Ny loza lehibe indrindra dia mifamatotra matetika amin’ireo fandaharana mahazatra alefa ao amin’ny televiziona izay mampiseho koa ny herisetra, ny heloka bevava, ny ady, fampisehoana mifandray amin’ny fitiavana momba ny lahy sy ny vavy ary ny tsy firaharahana ny tsy fivadihana eo amin’ny mpivady.’ Ny tantara mitohy manafintohina amidy mora, ny revio misy sary vetaveta, ny tantaram-pitiavana an-tsary manaitaitra ny nofo, ny sarimihetsika maloto ary ny mozika mampietry dia mampiseho loza lehibe ihany koa.
9. a) Nahoana isika no tsy maintsy mifantina izay henointsika, jerentsika ary vakintsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa manoloana zavatra mampiahiahy isika?
9 Tsy azontsika atao ny manaram-po mandoto ny saintsika amin-javatra izay ‘mahamenatra na dia milaza azy aza’. (Efesiana 5:12.) Fanteno amim-pitandremana àry izay henoinao, jerenao ary vakinao. Mitandrema tsara, ailiho haingana izay mampisalasala (Salamo 119:37). Hilainao ny hanana fifehezan-tena lehibe mba hahatongavana amin’izany; angamba ianao tsy maintsy ‘hanisy mafy ny tenanao ho mangana ka hanandevo azy’. (1 Korintiana 9:27.) Aza hadinoina na oviana na oviana fa ‘Ilay tsy hita’ dia mandinika izay jerentsika ao amin’ny miafina (Hebreo 11:27). Andosiro àry izay rehetra mampiahiahy “[Manohiza, MN ] mamantatra [tsara, MN ] izay ankasitrahan’ny Tompo.” — Efesiana 5:10.
‘Aoka isika hitandrina’ mba hijanonana ho madio ara-pitondrantena
10. a) Noho ny antony inona indrindra moa no ananarana na androahana kristiana maro be isan-taona? b) Fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly inona no tokony hanapaka ny fitondrantenantsika rehefa any amin’ny fakan-drivotra isika na any am-piasana?
10 Ao amin’ny Efesiana 5:5, i Paoly dia manome ho antsika izao fampitandremana izao: “Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).” Isan-taona anefa dia kristiana an’arivony maro no nanarina na noroahina noho ny nanaranam-po tamin’ny faharatsiam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy — noho ny ‘nanotana nihatra tamin’ny tenany’. (1 Korintiana 6:18.) Ny ankamaroany dia tonga tamin’izany satria tsy ‘nitandrina araka ny tenin’Andriamanitra’. (Salamo 119:9.) Maro, ohatra, ireo izay mampihena ny fiambenany ara-pitondrantena mandritra ny fotoana fakan-drivotra. Manao tsirambina ny fivoriana kristiana izy ireny sady mamatotra fisakaizana amin’ny mpaka rivotra hafa tsy manompo an’i Jehovah. Noho ny fahitany fa ‘olona faran’izay mendrika’ ireny, ny kristiana sasany dia nandray anjara niaraka tamin’izy ireny tamin’ny asa nampiahiahy sasany. Toy izany koa, ny hafa dia nanjary nifankazatra be loatra tamin’ireo mpiara-miasa taminy. Ny loholona iray dia namatotra fisakaizana tamin’ny anankiray amin’ireo vehivavy mpiara-miasa taminy ka niafara tamin’ny fandaozana ny fianakaviany mba hiaina miaraka aminy! Voaroaka àry izy. Endrey izany fahamarinan’ireto tenin’ny Baiboly ireto: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”! — 1 Korintiana 15:33.
11. Nahoana moa ireo fanasana kristiana no tokony hatao andri-maso tsara?
11 Hevero ireto andalan-tsoratra ireto izay voarainay avy any Afrika Atsimo: “Ny fanasana lehibe dia mahaforona loza iray hafa ho an’ny fahadiovana ara-pitondrantenan’ny kristiana maro (...). Ny sasany tamin’ireny dia nalamina taorian’ireo fotoana nanaovana fivoriamben’ny distrika.” Fivoriana fikoranana kristiana maro tsy dia lehibe loatra sy natao andri-maso tsara kosa anefa no mahalana vao niova ho “fahamamoana”. (Galatiana 5:21.) Raha nomanina ny handrosoana zava-pisotro misy alkaola, dia aoka hatao amim-pahalalana onony sy eo ambany fanaraha-maso tsara izany. “Mpaniratsira ny divay”, ary teo ambany heriny, dia nisy kristiana nampihena ny fiambenany ara-pitondrantena na nampifoha fanirian-dratsy tao aminy (Ohabolana 20:1). Tamin’izany no nidiran’ny tovolahy kristiana roa hanao firaisan’ny lehilahy samy lehilahy rehefa avy nisotro be loatra.
12, 13. a) Ahoana no anamarinan’ny sasany ny fitondrantenany maloto? Nahoana moa no mamitaka ny fomba fihevitr’izy ireny? b) Ahoana no fomba azontsika itandremana amin’izay mandrahona ny fahadiovantsika ara-pitondrantena?
12 Rehefa alaim-panahy isika, dia aoka tsy hohadinointsika fa na dia toa madio eo ivelany aza isika, dia ny maha-isika antsika ao anatintsika ao no tena zava-dehibe (Ohabolana 21:2). Toa mihevitra ny sasany fa Andriamanitra dia vonona hamela azy ireny amin’ny asany maloto miverimberina satria hoe malemy izy. Kanefa moa ve izany tsy miova ho ‘famadihana ny fahasoavan’Andriamanitra ho fijejojejoana [fanalana tsiny ny fitondrantena ratsy, MN ]’? (Joda 4.) Misy aza mihevitra mihitsy hoe “Jehovah tsy mahita anay”. (Ezekiela 8:12.) Aoka hotadidiantsika anefa fa ‘tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehan’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika’. — Hebreo 4:13.
13 Aoka àry isika hitandrina amin’izay mandrahona ny fahadiovantsika ara-pitondrantena. “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao.” (Efesiana 5:3, 4). “Mankahalà ny ratsy”, na toy inona na toy inona fahafinaretana mety hoentin’ireny zava-dratsy ireny eo amin’ny nofo. — Romana 12:9.
Aoka isika hitoetra ho madio eo amin’ny lafiny ara-panahy
14, 15. a) Ahoana no nisetran’ny sasany loza teo amin’ny fandotoana ara-panahy? b) Ahoana no fomba ampiasan’ny mpivadi-pinoana ny ‘vavany mba hanimbana ny namany’? d) Amin’ny lafiny inona avy ireo mpivadi-pinoana no tena maloto, ary inona no hadinon’izy ireny?
14 Ny sasany dia nisetra loza teo amin’ny fandotoana ara-panahy tamin’ny fanarahana fandaharana ara-pivavahana tao amin’ny radiao na ny televiziona. Tao amin’ny tany iray atsy Afrika, dia nisy kristiana nijery fampisehoana nalefa tamin’ny televiziona izay nampiseho ireo finoanoam-poanan’ny fivavahana animista araka ny tena endriny tsara. Ny apostoly Paoly anefa dia nampitandrina ireo mpiara-dia taminy ny amin’ny loza iray mbola mahafaty kokoa: ireo mpivadi-pinoana izay ‘namadika ny finoan’ny sasany’. (2 Timoty 2:16-18.) Mbola ahitana olona toy ireny amin’izao androntsika izao (2 Petera 2:1-3). Indraindray izy ireny dia tonga hatramin’ny fanimbana ny toe-tsain’ny hafa. Ary amin’izany ny Ohabolana 11:9 dia manantitrantitra hoe: “Ny vavan’ny mpihatsaravelatsihy [mpivadi-pinoana, MN ] no animbany ny namany.”
15 Ny mpivadi-pinoana sasany dia mampiasa matetika ny fitiavan-tena; manizingizina izy ireny fa esorina amintsika ny fahafahantsika, indrindra fa ny amin’ny filazana ny hevitry ny Baiboly (jereo Genesisy 3:1-5). Raha ny marina, ireny olona ireny, izay mitady hanimba antsika, dia tsy manan-javatra hafa hatolotra afa-tsy ny fiverenana indray ho amin’ireo fampianarana maharikorikon’i “Babylona Lehibe (Apokalypsy 17:5; 2 Petera 2:19-22.) Ny mpivadi-pinoana hafa indray dia mampiasa ny fanirian’ny nofo; mamporisika ireo namany taloha izy ireny mba “hanararaotra ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana”; mba hihaino azy, ny asa fanambarana amim-panetren-tena isan-trano dia “tsy misy antony” na “tsy araka ny Baiboly”. (Jereo Matio 16:22, 23.) Marina aloha fa eo amin’ny miseho ivelany, ireny olona ireny izay manonona teny mody malefaka dia mety ho toa madio eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pitondrantena. Kanefa ao anatiny ao, dia maloto izy ireny, kikisan’ny avonavona sy ny toe-tsaina tsy tia miankina. Hadinon’izy ireny izay rehetra nianarany momba an’i Jehovah, ny anarany masina ary ireo toetrany. Tsy manaiky intsony izy ireny fa ireo fahamarinana araka ny Baiboly rehetra nianarany — ny fanantenana kanto ny amin’ilay Fanjakana sy ny amin’ny paradisa an-tany iray, ny fahadisoan’ny fampianarana toy ny Trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ny afoben’ny helo ary ny afo fandiovana — eny, izany rehetra izany dia nomena azy tamin’ny alalan’“ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina [malina, MN ]”. — Matio 24:45-47.
16. Ahoana no anafahana ny marina ‘amin’ny fahalalana’?
16 Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany frantsay iray dia nanao izao fanamarihana mampiseho fahendrena izao: “Manaiky ho voafitaka ny rahalahy sasany satria tsy manana fahalalana marina izy.” Noho izany antony izany no anambaran’ny Ohabolana 11:9 hoe: “Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.” Midika io andinin-teny io fa tsy ilaina na ny mihaino amim-pitandremana ny mpivadi-pinoana na ny mampiseho fahalianana amin’ireo zavatra nosoratany, fa tokony hahazo kosa “ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’Andriamanitra” amin’ny alalan’ny fianarana manokana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra araka ny Baiboly natontan’ny Fikambanana Watchtower. Iza, raha manana izany fahalalana izany izy, no hanjary ho liana ta-hahafanta-javatra ka hihaino tsara ny fanambaran’ny mpivadi-pinoana? Aoka tsy “hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina”! (Kolosiana 2:2-4.) Aoka hariantsika toy ny poizina ny fampielezan-kevitra ara-pivavahana diso na avy aiza na avy aiza fiaviany! Koa satria ny Tompontsika mampiasa “ny mpanompo mahatoky sy malina” mba hampita amintsika “ny tenin’ny fiainana mandrakizay”, nahoana isika no hitady izany any an-toeran-kafa? — Jaona 6:68.
Hijanona ho madio ve ianao?
17, 18. Nahoana moa no zava-dehibe ny hijanonantsika ho madio eo amin’ny lafiny a) ara-batana, b) ara-tsaina, d) ara-pitondrantena, ary e) ara-panahy?
17 Mila manao fiezahana be dia be isika mba hijanonana ho madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Mampahamendrika ny hafatra momba ilay Fanjakana izay torintsika isika, amin’ny fitandremana ny fahadiovan’ny vatantsika, ny tranontsika, ny fitafiantsika ary ny Efitrano Fanjakanantsika. Raha mijanona ho madio eo amin’ny lafiny ara-tsaina isika, dia ho tonga mora kokoa amin’ny fitoerana ho toy izany eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-panahy. Ilaintsika àry, araka ny amporisihan’i Paoly antsika ao amin’ny Filipiana 4:8, ny hihevitra hatrany ny zavatra marina, madio ary misy dera.
18 Fantatsika tsaratsara kokoa hatramin’izao fa tokony hijanona ho madio ara-pitondrantena isika na amin’ny teny na amin’ny atao. Mampitandrina antsika mazava Jehovah fa ireo izay manaram-po amin’ny karazam-pahalotoam-pitondrantena iray na inona izany na inona dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (1 Korintiana 6:9-11). Marina aloha fa mety ho toa hahafinaritra ireny karazam-pahalotoam-pitondrantena ireny, kanefa raha mamafy araka ny nofo isika, dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo (Galatiana 6:8). Farany, dia ilaintsika ny mijanona ho madio eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pampianarana. Manampy antsika hiaro ny fo sy ny saintsika amin’ny faharatsiam-pitondrantena rehetra izany fahadiovana izany. Aoka àry isika hitady ny hevitr’Andriamanitra — fa tsy ny antsika — amin’ny toe-javatra rehetra.
19. Inona no mety hanampy ireo kristiana voahosotra sy ireo anisan’ny “olona betsaka” hijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra?
19 Tsy ho ela intsony izao, ilay mpamporisika ny faharatsiam-pitondrantena lehibe indrindra — Satana Devoly — dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, dia izy sy ireo demoniany. Manomboka izao ka hatramin’izay, enga anie ny mpanompon’i Jehovah rehetra — ireo kristiana voahosotry ny fanahy sy ireo anisan’ny “olona betsaka” — hijanona ho madio amin’ny maha-mpitondra ny fanak’i Jehovah (Apokalypsy 7:9, 13-15; 19:7, 8; 20:1-3)! Mirehitra sy mavaivay ny ady, kanefa aoka tsy hohadinointsika fa Jehovah dia manome amim-pahalalahan-tanana ny ‘fanahy masina’. (Romana 1:4.) Ny fandaminany madio ary koa ireo loholona izay manompo eo anivony dia vonona ihany koa hanampy antsika amin’ny fanomezana antsika torohevitra tsara dia tsara maro miorina amin’ny Soratra masina. Noho izany fanampiana izany sy ny fahatapahan-kevintsika, dia azontsika atao ny mijanona ho madio amin’ny lafiny rehetra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hebreo gilloulim, nadika hoe “sarin-javatra maloto”, dia teny fankahalana izay nidika tany am-piandohana hoe “vongan-diky”, zavatra ratsy dia ratsy tamin’ny jiosy. — Deoteronomia 23:12-14; 1 Mpanjaka 14:10; Ezekiela 4:12-17.
Famerenana
◻ Nahoana moa ireo Jiosy niverina avy tany Babylona no tsy maintsy nadio?
◻ Ahoana no fomba azontsika itandremana ny fahadiovantsika ara-batana?
◻ Ahoana no azontsika iarovana ny saintsika amin’ny fandotoana rehetra?
◻ Ahoana no azontsika itandremana amin’ireo loza ara-pitondrantena?
◻ Ahoana no azontsika iarovana ny fahadiovantsika ara-panahy?
[Sary, pejy 16]
Tokony ho madio faka tahaka ny tranontsika
[Sary, pejy 17]
Tokony haneho fahaiza-mitsara zavatra ny kristiana amin’ny tsy fijerena ireo sarimihetsika “vidéo” sy ireo fandaharana alefa ao amin’ny televiziona izay atahorana handoto ny sainy.
[Sary, pejy 18]
Mety hampandroso ny fanasana madinika sasany
[Sary, pejy 19]
Noho ny fianarany amin-jotom-po ny Baiboly, ireo Vavolombelona be zotom-po dia mijanona ho madio amin’ny lafiny ara-panahy, mahita fiarovana ary falifaly.