Ry Tanora — Inona no Katsahinareo?
“Mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” — 2 TIMOTY 2:22.
1. Inona no fanantenantsika ho an’ireo tanora eto amintsika?
“NY VAVOLOMBELON’I Jehovah”, hoy ny fanambaran’ilay gazety pentekôtista soedoa atao hoe Dagen (Ny Andro), “dia mahaforona ny antokon’olona izay mahazo mpikambana vaovao maro an’isa indrindra isan-taona ary manana ny andiana tanora maro indrindra.” Angamba ianareo anisan’izany andiana tanora madio sy matahotra an’Andriamanitra izany. Mety ho nobeazina tamin’ny fomba kristiana hatramin’ny fahazazanareo ianareo, na mety ho nandre sy nanaiky ny hafatr’ilay Fanjakana ny tenanareo manokana. Na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana, dia faly izahay manana anareo eto aminay. Ary fanantenanay ny hanarahanareo hatrany ny lalan’ny fahamarinana, toy ny nataon’ireo tanora kristiana nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. Mety hilazalaza tsara ny aminareo ny tenin’ny apostoly Jaona manao hoe: “Mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.” — 1 Jaona 2:14.
2. Anton-javatra inona avy no mety hanasarotra ny fanarahana lalana marina mandritra ny “fivelaran’ny fahatanorana”?
2 Maro — eny, ny ankamaroany — amin’ireo tanora kristiana amin’izao andro izao no mitoetra tsy mihontsina amin’ireo faneren’izao tontolo izao. Mety ho hitanareo anefa fa tsy mora ny fitanana fomba fiaina toy izany. Rehefa ao anatin’ny “fivelaran’ny fahatanorana” ianareo, dia mety hahatsiaro tena ho tototry ny fihetseham-po vaovao sy mahery. (1 Korintiana 7:36, NW ). Amin’izay fotoana izay ihany, dia mety hahatsapa andraikitra mihamavesatra hatrany ianareo any an-tsekoly, ao an-trano, ary any amin’ny kongregasiona. Misy mihitsy aza fanerena avy amin’ny tenan’i Satana Devoly. Noho izy tapa-kevitra ny hamitaka olona betsaka araka izay azo atao, dia manafika ireo izay toa mora andairan-javatra izy — toy ny nataony tany amin’ny zaridainan’i Edena. Tamin’izay, dia nampifantoka ny famitahany nampiaiky izy, tsy tamin’i Adama izay zokiny kokoa sy nanam-pahalalana kokoa, fa tamin’i Eva, ilay vehivavy zandriny kokoa sy azo lazaina hoe tsy ampy fanandraman-javatra ihany. (Genesisy 3:1-5). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nampiasa tetik’ady nitovy tamin’izany i Satana tamin’ilay kongregasionan’ireo Kristiana tany Korinto izay mbola tsy ampy fanandraman-javatra. Hoy ny apostoly Paoly: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” — 2 Korintiana 11:3.
3, 4. Inona avy no fiasana sasany ampiasain’i Satana Devoly mba hamitahana ireo tanora, ary inona no mety ho fiafaran’izany?
3 Amin’izao andro izao, dia mety hanahy ny aminareo toy izany koa ny ray aman-dreninareo kristiana. Tsy mieritreritra akory izy ireo fa mirona ho amin’ny ratsy ianareo, fa fantany avy amin’ny fanandraman-javatra kosa fa ny tanora indrindra no mora andairan’ny “asa feno hafetsen-dratsy” ataon’i Satana. (Efesiana 6:11, NW, fanamarihana ambany pejy). Tsy miseho ho ratsy velively ireo fandrik’i Satana, fa natao ho toa manintona sy faniry kosa. Asehon’ny televiziona amim-pahakingana ho toy ny fialam-boly ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny momba ny lahy sy ny vavy mibaribary, ny herisetra toy ny tena izy, ary ny spiritisma. Ireo saina tanora dia mety ho feno zavatra izay tsy ‘marina, tsy manan-kaja, tsy mahitsy, tsy madio, tsy mahate-ho-tia’ velively mihitsy. (Filipiana 4:8). Fiasana mahery hafa iray ampiasain’i Satana ny fanerena ataon’ireo tanora mitovy amin’ny tena. Mety hanery anareo mafy hanaraka ny fomba fiainany sy ny fiakanjony ary ny fihaingoany ireo tanora mitovy aminareo. (1 Petera 4:3, 4). Nanao izao fanamarihana izao ny mpanoratra an-gazety iray atao hoe William Brown: “Raha misy Andriamanitra tokana sy ivelan’ny fivavahana ho an’ny tanora, izany dia ny Andriamanitry ny fampitoviana. (...) Ho an’ny tanora, dia ny tsy fitoviana amin’ny hafa no zava-dratsy indrindra mety hitranga aminy.” Niaiky toy izao ny zazavavy Vavolombelona iray tany Italia: “Menatra aho hamela ireo mpiara-mianatra amiko hahafantatra fa Vavolombelona aho. Ary satria fantatro fa tsy faly tamiko i Jehovah, dia nalahelo sy ketraka mafy aho.”
4 Aza manaiky ho voafitaka — maniry ny hitarika anareo ho amin’ny fahasimbanareo tanteraka i Satana. Tanora maro any ivelany, any amin’izao tontolo izao, no hamoy ny ainy mandritra ny fahoriana lehibe noho izy ireo nanaiky ho voafitaka. (Ezekiela 9:6). Ny hany lalana hahatafitana velona dia ny fanarahana izay marina.
Mitandrema tena amin’ny naman-dratsy
5, 6. a) Niatrika zava-tsarotra setraina inona avy ilay tovolahy atao hoe Timoty fony izy nipetraka tao Efesosy? b) Torohevitra inona no nomen’i Paoly ho an’i Timoty?
5 Izany no hevi-dehibe tao amin’ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ilay tovolahy atao hoe Timoty. Nandritra ny folo taona mahery, dia niaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ireo dia misionera i Timoty. Tamin’ny fotoana nanompoan’i Timoty tany Efesosy, tanàna mpanompo sampy, dia tany amin’ny tranomaizina romana iray i Paoly, niandry ny famonoana azy. Arakaraka ny nanatonan’ny fotoana hahafatesany, dia tsy isalasalana fa nanahy ny amin’izay hiafaran’i Timoty i Paoly. Tanàna nalaza noho ny harenany sy ny fahalotoam-pitondran-tenany ary ny fialam-boliny nikororosy i Efesosy, ary tsy hahazo ny fanohanan’ilay mpanome torohevitra malalany intsony i Timoty.
6 Nanoratra ho an’ny ‘zanany malala’ izao manaraka izao àry i Paoly: “Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra. Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.” — 2 Timoty 1:2; 2:20-22.
7. a) Inona ireo ‘fanaka halam-baraka’ izay nampitandreman’i Paoly? b) Ahoana no ahafahan’ny tanora amin’izao andro izao mampihatra ny tenin’i Paoly?
7 Araka izany dia nampitandrina an’i Timoty i Paoly fa, na dia eo amin’ireo Kristiana namana aza dia mety hisy ‘fanaka halam-baraka’ — dia olona izay tsy nitondra tena araka ny tokony ho izy. Raha nety ho nanimba an’i Timoty izao ny fiarahana tamin’ny Kristiana voahosotra sasany, vao mainka hanimba ireo tanora kristiana amin’izao andro izao toy inona moa ny fiarahana amin’ny olon’izao tontolo izao! (1 Korintiana 15:33). Izany akory tsy midika fa tokony hiavonavona amin’ireo mpiara-mianatra aminareo ianareo. Tokony hitandrina anefa ianareo mba tsy hifampikasoka be loatra amin’izy ireo, na dia mahatonga anareo ho toy ny mpitoka-monina aza izany indraindray. Mety ho tena sarotra izany. Hoy ny zazavavy breziliana iray: “Mafy izany. Asain’ireo mpiara-mianatra amiko foana aho ho any amin’ny fikoranana na toerana izay tsy mety ho an’ny tanora kristiana. Hoy izy ireo hoe: “Inona a! Tsy handeha hoe indry? Adala indry!’ ”
8, 9. a) Amin’ny ahoana no ahafahan’ny fiarahana, na dia amin’ireo olona toa mahafinaritra eo amin’izao tontolo izao aza, mametraka loza ho an’ny Kristiana iray? b) Aiza ianareo no afaka mahita namana mahasoa?
8 Mety ho toa mahafinaritra ny tanora sasany eo amin’izao tontolo izao noho izy ireo tsy mifoka sigara, na miteny ratsy, na manana firaisana maloto. Raha tsy manaraka ny fahamarinana anefa izy ireo, ny fomba fiheverany sy ny toe-tsainy araka ny nofo, dia afaka mitaona anareo mora foana. Ankoatra izany, firy moa ny zavatra iombonanareo amin’ny tsy mpino? (2 Korintiana 6:14-16). “Fahadalana” fotsiny ho azy ireo anie ireo zava-tsarobidy ara-panahy izay lalainareo fatratra e! (1 Korintiana 2:14). Moa ve ianareo afaka hitana fisakaizana aminy sady tsy hampilefitra ireo fotopoto-pitsipikareo?
9 Koa halaviro àry ny namana tsy mahasoa. Fero ho amin’ireo Kristiana manana toe-tsaina araka ny fanahy izay tena tia an’i Jehovah ny olona iarahanareo. Mitandrema, na dia amin’ireo tanora ao amin’ny kongregasiona aza, dia ireo izay tsy manorina sy be fanakianana. Arakaraka ny itomboanareo ara-panahy, dia azo inoana fa hiova ny safidinareo eo amin’ny namana. Hoy ny zatovovavy Vavolombelona iray: “Nahazo namana vaovao maro tany amin’ny kongregasiona samy hafa aho. Izany dia nahatonga ahy hahatakatra fa tsy ilaina ireo namana eo amin’izao tontolo izao.”
Fandosirana ny fanirian-dratsy
10, 11. a) Inona no dikan’ny hoe ‘mandositra ny filan’ny tanora fanahy’? b) Ahoana no ahafahan’ny olona iray ‘mandositra ny fijangajangana’?
10 Nampirisika an’i Timoty koa i Paoly mba “handositra ny filan’ny tanora fanahy”. Rehefa tanora ianareo, dia mety hanery mafy ny faniriana ho mamy hoditra, hifalifaly, na hanome fahafaham-po ireo filana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Raha tsy fehezina izany faniriana fatratra izany, dia afaka mitarika anareo ho amin’ny ota. Nilaza àry i Paoly mba handosirana ireo faniriana manimba — mba hihazakazahana toy ny hoe ny ain’ny tena no tandindomin-doza.a
11 Ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ohatra, dia nitarika tanora kristiana maro tao anatin’ny fahasimbana tanteraka ara-panahy. Misy antony tsara àry, matoa ny Baiboly milaza amintsika mba ‘handositra ny fijangajangana’. (1 Korintiana 6:18). Raha miaraka ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray noho ny fikasana hivady na tsia, dia azon’izy ireo ampiharina io fotopoto-pitsipika io mba hanalavirana ny toe-javatra mahatonga fakam-panahy — toy ny fiarahana irery ao an-trano, na ao anatin’ny fiarakodia mijanona. Ny fananana chaperon (olona iray fahatelo) miaraka aminareo dia mety ho toa lamaody antitra, kanefa dia mety ho tena fiarovana izany. Ary, na dia mety hifanentana amin’ny toe-javatra aza ny fanehoana firaiketam-po sasany, dia tsy maintsy asiana fetra izany mba hanalavirana ny fitondran-tena maloto. (1 Tesaloniana 4:7). Ny fandosirana ny fijangajangana dia mahatafiditra koa ny fanalavirana ireo fampisehoana any amin’ny sinema na ao amin’ny televiziona izay mety hanaitra fanirian-dratsy. (Jakoba 1:14, 15). Raha misy eritreri-dratsy tonga tsy nahy ao an-tsainareo, dia ovay any an-tsaina ilay foto-kevitra. Mandehana mitsangantsangana; manaova vakiteny; manaova asa an-trano sasany. Fanampiana mahery indrindra ny vavaka amin’io lafiny io. — Salamo 62:8.b
12. Ahoana no ianaranareo mankahala izay ratsy? Hazavao amin’ny ohatra.
12 Ambonin’ny zava-drehetra, dia tsy maintsy mianatra mankahala sy hahatsapa rikoriko ary tsy ho tia mainty izay ratsy ianareo. (Salamo 97:10). Ahoana no hankahalanareo izay zavatra mety hampifalifaly na hahitana fahafinaretana amin’ny voalohany? Amin’ny fieritreretana ireo ho vokany! “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. (Galatiana 6:7, 8). Rehefa alaim-panahy hanaiky ho resin’ny fahamaimaizana ianareo, dia eritrereto izay ho vokany lehibe — dia ny fomba ampahalahelovan’izany an’i Jehovah Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Salamo 78:41.) Eritrereto koa ny mety hisian’ny fananana anaka tsy nirina, na ny fahazoana aretina toy ny SIDA. Hevero koa ny fahasimbana ara-pihetseham-po sy ny famoizana ny haja amin’ny maha-olona, hahazo anareo. Mety hisy koa vokany atỳ aoriana be. Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Samy efa nanana firaisana tamin’olon-kafa izahay mivady talohan’ny nifankahitanay. Na dia efa samy Kristiana aza izahay amin’izao fotoana izao, dia loharanom-pifandirana sy fahasarotam-piaro eo amin’ny fanambadianay ny fiainanay taloha mikasika ny firaisana.” Tsy azo odian-tsy hita koa ny famoizana ireo tombontsoanareo teokratika na ny mety hahavoaroaka anareo avy ao amin’ny kongregasiona kristiana! (1 Korintiana 5:9-13). Moa ve misy fahafinaretana mihelina mendrika izany vidiny lafo dia lafo izany?
Fikatsahana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah
13, 14. a) Nahoana no tsy ampy ny mandositra ny ratsy? b) Ahoana no ahafahan’ny olona iray ‘miezaka hahalala an’i Jehovah’?
13 Tsy ampy anefa ny mandositra ny ratsy. Nampirisihina ‘hiezaka hitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana’ koa i Timoty. Izany dia milaza an-kolaka fanaovan-javatra amin-tanjaka. Niangavy toy izany tamin’ny firenen’ny Isiraely nivadika i Hosea mpaminany nanao hoe: “Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika; (...) hiezaka hahalala an’i Jehovah isika”. (Hosea 6:1-3). Nanao fiezahana toy izany ve ny tenanareo manokana? Izany dia mahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fanatrehana fotsiny ireo fivoriana sy ny fiarahana amin’ireo ray aman-dreninareo any amin’ny asa fanompoana. Niaiky toy izao ny vehivavy kristiana iray: “Nanabe ahy tao anatin’ny fahamarinana ireo ray aman-dreniko, ary natao batisa aho fony mbola kely dia kely. (...) Nahalana aho vao tsy nanatrika fivoriana ary tsy nisy volana na dia iray aza tsy nanaovako asa fitoriana, kanefa tsy nampitombo fifandraisana akaiky sy manokana tamin’i Jehovah mihitsy aho.”
14 Niaiky ny tanora hafa iray fa ny tenany koa dia tsy mba nianatra nahafantatra an’i Jehovah toy ny Sakaiza sy Ray, fa nihevitra azy kokoa ho toy ny Fanahy iray tsy takatry ny saina. Latsaka tao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena izy ary niteraka tsy nanambady teo amin’ny faha-18 taonany. Aza manao fahadisoana mitovy amin’izany! ‘Miezaha hahalala an’i Jehovah’, araka ny fampirisihan’i Hosea. Amin’ny alalan’ny vavaka sy amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Jehovah isan’andro, dia azonareo atao namana famborahanareo tsiambaratelo izy. (Ampitahao amin’ny Mika 6:8; Jeremia 3:4.) “Tsy mba lavitra antsika rehetra Izy” raha mitady azy isika. (Asan’ny Apostoly 17:27). Tena ilaina àry ny fandaharam-pianarana manokana tsy tapaka mifototra amin’ny Baiboly. Ny fahazarana toy izany dia tsy voatery ho be pitsopitsony na hohasarotina. “Isan’andro aho dia mamaky ny Baiboly mandritra ny 15 minitra eo ho eo”, hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Melody. Manokàna fotoana mba hamakiana ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Aoka ianareo ho vita fiomanana ho amin’ireo fivorian’ny kongregasiona mba hahafahanareo ‘hampirisika [ny hafa] ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’. — Hebreo 10:24, 25, NW.
Atolory ny ray aman-dreninareo ny fonareo
15. a) Nahoana no sarotra indraindray ny mankato ny ray aman-drenin’ny tena? b) Nahoana mazàna ny fankatoavana no tombony ho an’ny tanora?
15 Afaka ny ho tonga loharanon’ny tena fanampiana sy tena fanohanana ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. Mariho anefa ilay anjara tsy maintsy raisinareo: “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, fa marina izany. ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’.” (Efesiana 6:1-3). Marina fa mihalehibe ianareo ary azo inoana fa maniry fahafahana bebe kokoa. Mety ho takatrareo amin’ny fomba mitombo hatrany koa ny fetran’ny mety ho vitan’ny ray aman-dreninareo. “Ireo raintsika olombelona”, hoy ny fieken’ny apostoly Paoly, “dia tsy afaka nanao afa-tsy izay noheveriny fa tsara indrindra.” (Hebreo 12:10, The Jerusalem Bible). Na dia izany aza, raha jerena amin’ny soa ankapobeny, dia mbola tombony ho anareo ny mankato azy ireo. Tia anareo ny ray aman-dreninareo, ary mahafantatra anareo tsara kokoa noho ny olon-kafa rehetra izy ireo. Na dia tsy miray hevitra foana amin’izy ireo aza ianareo, dia mazàna miahy ny amin’izay hahasoa anareo izy ireo. Nahoana no manohitra ny fiezahan’izy ireo hitaiza anareo araka ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”? (Efesiana 6:4, NW ). Marina tokoa fa ny adala ihany no “maniratsira ny famaizan-drainy”. (Ohabolana 15:5). Ny tanora hendry dia hanaiky ny fahefan’ny ray aman-dreniny ary maneho fanajana araka ny tokony ho izy. — Ohabolana 1:8.
16. a) Nahoana no tsy fahendrena ho an’ny tanora ny fanafenana zava-manahirana amin’ny ray aman-dreniny? b) Inona no mety ho azon’ny tanora atao mba hanatsarana ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreniny?
16 Izany dia mahafaoka ny filazanareo ny marina amin’ny ray aman-dreninareo, sy ny famelanareo azy hahalala raha manan-java-manahirana ianareo, toy ny fisalasalana manorisory mikasika ny fahamarinana na fahalatsahana tao anatin’ny fitondran-tena mampiahiahy. (Efesiana 4:25). Ny fanafenana tarehin-javatra mampikorontan-tsaina toy izany amin’ny ray aman-dreninareo dia miteraka zava-manahirana bebe kokoa. (Salamo 26:4, Kat.). Marina aloha fa misy ray aman-dreny sasany tsy manao fiezahana firy mba hifampiresaka. “Tsy mba mipetraka mba hiresaka amiko mihitsy ny reniko”, hoy ny fitarainan’ny zazavavy iray. “Tsy sahy milaza aminy mihitsy izay tsapako aho satria matahotra sao hokianiny.” Raha ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ianareo, dia mifidiana amim-pahendrena fotoana mety mba hamelana ny ray aman-dreninareo hahafantatra izay tsapanareo. “Anaka, atolory ahy ny fonao”, hoy ny fampirisihan’ny Ohabolana 23:26. Manandrama miara-midinika tsy tapaka amin’izy ireo ny amin’ireo ahiahinareo, alohan’ny hitomboan’ny zava-manahirana lehibe.
Manohiza mitady fahamarinana!
17, 18. Inona no hanampy ny tanora iray hanohy ny fitadiavany ny fahamarinana?
17 Teo am-pifaranan’ny taratasiny faharoa, dia nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”. (2 Timoty 3:14). Tsy maintsy manao toy izany koa ianareo. Aza mamela na iza na iza, na inona na inona hampiala anareo amin’ny fitadiavana ny fahamarinana. Izao tontolo izaon’i Satana — na dia eo aza ny fanintonany — dia tototry ny faharatsiana. Tsy ho ela izy io sy izay rehetra anisany dia hizaka fanafoanana tanteraka. (Salamo 92:7). Aoka ianareo ho tapa-kevitra ny tsy ho ringana miaraka amin’ny vahoakan’i Satana.
18 Amin’ny fitadidiana izany ao an-tsaina, dia tsy maintsy mandinika tsy an-kijanona ny zava-kendrenareo sy ny fanirianareo ary ny zavatra mahaliana anareo ianareo. Manontania tena hoe: ‘Moa ve aho mitana fari-pitondran-tena ambony eo amin’ny fitenenana sy ny fitondran-tena rehefa tsy afaka mahita ahy ireo ray aman-dreniko sy ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona? Karazana namana manao ahoana no fidiko? Moa ve ireo tanora mitovy amiko eo amin’izao tontolo izao mandidy izay ho fitafiako sy fihaingoako? Zava-kendrena inona no noferako ho an’ny tenako? Moa ve aho maniry mafy ny fanompoana manontolo andro — sa anton’asa ao amin’ny fandehan-javatr’i Satana eo am-pialana aina?’
19, 20. a) Nahoana ny tanora iray no tsy tokony hahatsiaro tena ho tototr’ireo zavatra takin’i Jehovah? b) Fandaharana inona avy no azon’ireo tanora hararaotina?
19 Angamba hitanareo fa ilaina ny manao fanitsiana sasany eo amin’ny fisainanareo. (2 Korintiana 13:11, NW ). Aoka ianareo tsy hahatsiaro tena ho tototra. Tsarovy fa i Jehovah dia tsy manantena avy aminareo mihoatra noho izay antonony. Nanontany toy izao i Mika mpaminany: “Inona no angatahin’i Jehovah aminao ho valin’izany afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hiara-mandeha amin’Andriamanitrao amin’ny fiheveran-tena araka ny tena izy?” (Mika 6:8, NW ) Tsy ho sarotra loatra izany raha manararaotra ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hanampiana anareo ianareo. Mifandraisa akaiky amin’ny ray aman-dreninareo. Miaraha tsy tapaka amin’ny kongregasiona kristiana. Manaova fiezahana mba hahafantarana manokana ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Miahy izay hahasoa anareo izy ireo ary mety ho loharanom-panohanana sy fampiononana. (Isaia 32:2). Ambonin’ny zava-drehetra, dia mambole fifandraisana akaiky sy mafana amin’i Jehovah Andriamanitra. Hanome anareo ny tanjaka sy ny fahavononana mba hitadiavana izay marina izy!
20 Misy anefa tanora sasany, manimba ny ezaka ataony mba hitomboana ara-panahy, amin’ny fihainoana mozika tsy mahasoa. Ny lahatsoratra manaraka dia hanisy fiheverana manokana io foto-kevitra io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny grika hoe ‘mandositra’ dia ampiasaina koa ao amin’ny Matio 2:13, rehefa nasaina ‘nandositra tany Egypta’ i Maria sy i Josefa mba hialana amin’ilay tetika ho famonoana nataon’i Heroda. — Ampitahao amin’ny Matio 10:23.
b Hahita fanipazan-kevitra mahasoa maromaro ianareo mba hifehezana ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy ao amin’ny toko faha-26 amin’ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana ny tanora indrindra no mora andairan’ny ‘asa feno hafetsen-dratsin’i’ Satana?
◻ Nahoana no mampidi-doza ny fiarahana akaiky amin’ireo tanora eo amin’izao tontolo izao?
◻ Ahoana no ahafahanareo mandositra ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
◻ Ahoana no ahafahanareo mitady fifandraisana akaiky amin’i Jehovah?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreninareo?
[Sary, pejy 16]
Ireo olon-droa miaraka alohan’ny fanambadiana dia hianatra hifankahalala amim-pahendrena any amin’ny toerana, toy ny fikorisana amin’ny ranomandry, izay tsy mampitokana azy ireo amin’ny olon-kafa