-
“Arovy ny Fonao!”Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Mey
-
-
“Arovy ny Fonao!”
Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah
FOTO-KEVITRA ZOMA
‘Mijery ny Fo i Jehovah’—1 SAMOELA 16:7.
FOTO-KEVITRA ASABOTSY
“Izay Mameno ny Fon’ny Olona no Lazain’ny Vavany”—MATIO 12:34.
FOTO-KEVITRA ALAHADY
‘Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo’—1 TANTARA 28:9.
Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny fo. Tsy fo ara-bakiteny anefa matetika no tiany horesahina, fa ny maha izy ny olona iray mihitsy. Anisan’izany ny faniriany sy ny eritreriny ary ny fihetseham-pony.
Nahoana àry isika no tokony hiaro ny fontsika? Nasain’Andriamanitra hanoratra an’izao i Solomona Mpanjaka: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Misy vokany eo amin’ny fiainantsika amin’izao sy amin’ny hoavy ny fontsika. Mijery ny fontsika mantsy Andriamanitra. (1 Samoela 16:7) Arakaraka ny fontsika na ny toetrantsika no itiavan’i Jehovah antsika na tsia.—1 Petera 3:4.
Ahoana àry no hiarovantsika ny fontsika? Hodinihina amin’ny an-tsipiriany any amin’ny fivoriambe ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izany. Manomboka amin’ity volana ity ilay fivoriambe, ary haharitra telo andro.a Asainay ianao ho tonga mandritra ny telo andro satria hanampy anao hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra hianaranao any.—Ohabolana 27:11.
-
-
Tianao ve ny Hotsidihina?Ny Tilikambo Fiambenana—2012 | 1 Mey
-
-
Tianao ve ny Hotsidihina?
Betsaka ny olana eto amin’ity tontolo ity. Afaka ny ho sambatra anefa ianao raha mianatra Baiboly, ka mahalala an’Andriamanitra sy ny Fanjakany ary ny fikasany momba ny olombelona. Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny, na hianatra Baiboly maimaim-poana, dia manorata any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 4, na koa ao amin’ny tranokala www.watchtower.org.
-