-
JisbakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
JISBAKA
(Jisbàka).
Iray amin’izy enina mirahalahy naterak’i Ketora tamin’i Abrahama. I Jisbaka no voatonona fahadimy amin’izy ireo. Tsy nomen’i Abrahama anjara lova izy ireo fa nomeny fanomezana kosa, ary nasainy nandeha.—Ge 25:1, 2, 5, 6; 1Ta 1:32.
-
-
Jisbi-benobaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
JISBI-BENOBA
(Jisbì-benòba).
Iray amin’ireo Refaima (Kananita goavam-be) efa-dahy nalaza nandritra ireo ady faramparany nataon’ny Israely, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Nitondra lefona varahina nilanja sekely 300 (3,4 kg) izy, ary efa saika nahafaty an’i Davida. Soa ihany fa namonjy haingana an’i Davida i Abisay, ka namono an’ilay goavam-be.—2Sa 21:15-17, 22.
-
-
JisiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
JISIA
(Jisìa) [Mampanadino i Jehovah].
1. Anisan’ireo lohany teo amin’ny fianakaviany, tao amin’ny fokon’i Isakara. Ny taranak’i Jisia no nahatonga an’ilay foko ho lasa lehibe.—1Ta 7:1, 3, 4.
2. Miaramila iray tonga tany Ziklaga mba hiaraka tamin’ny tafik’i Davida. Mety ho Korahita i Jisia.—1Ta 12:1, 6.
3. Lehilahy iray taranak’i Kehata, ary nanan-janakalahy levita maromaro izay nanompo araka ny fizarana nataon’i Davida Mpanjaka.—1Ta 23:12, 20; 24:24, 25.
4. Levita iray hafa velona tamin’ny andron’i Davida, ary taranak’i Mosesy.—1Ta 23:14-17; 24:21.
5. Anisan’ny Levita nankatò ny fampirisihan’i Ezra, ka nandroaka ny vadiny hafa firenena niaraka tamin’ny zanany.—Ezr 10:31, 44.
-
-
JismaiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
(Jismaià) [Handre (Hihaino) Anie i Jehovah; Nandre (Nihaino) i Jehovah].
1. Gibeonita mpiady kalazalahy, izay niandany tamin’ny tafik’i Davida tany Ziklaga, fony fahavelon’i Saoly. (1Ta 12:1, 4) Lazain’io lisitra voalohany io fa lehiben’ireo mpiady mahery “telopolo” i Jismaia. Tsy hita ao amin’ireo lisitra tatỳ aoriana kokoa anefa ny anarany, satria maty angamba izy teo anelanelan’izay.—2Sa 23:8, 18, 19; 1Ta 11:10, 11, 20, 21.
2. Andrianan’ny fokon’i Zebolona tamin’ny andron’i Davida. Zanakalahin’i Obadia izy.—1Ta 27:19, 22.
-