FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fahitana Tena Harena any Hong-Kong
    Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Mey
    • Fanjakana eo amin’ny fanaovana fanambarana eny an-dalana. Miresaka amin’ny olona eny amin’ny toeram-piasany koa izy ireo amin’ny fitsidihana ireo mpiasa birao, mpivarotra, mpamboly sy mpiompy, ary ireo lehilahy miverina avy nanjono teny amin’ny Ranomasin’i Sina Atsimo.

      Tena azo lazaina fa “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy” any Hong-Kong. (Matio 9:38). Amin’izao fotoana izao, ny isan’ny Vavolombelona, raha oharina amin’ny mponina rehetra, dia 1 isaky ny 2 300. Mahatakatra ny maha-maika ny asa fijinjana ny mpitory efa ho 600 amin’ireo mpitory ilay Fanjakana 2 600 ka manao ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Ireo Vavolombelon’i Jehovah any Hong-Kong, toy ny hafa rehetra any amin’ny toerana hafa, dia mahatakatra fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”. (Ohabolana 10:22). Noho izany, dia miasa mafy dia mafy izy ireo mba hanampiana olona maro kokoa ihany hahita ny tena harena ao amin’io fitambaran’olona mahita fanambinana io.

  • Manaraka An’i Jehovah Amin’ny Fomba Feno ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 15 Mey
    • Manaraka An’i Jehovah Amin’ny Fomba Feno ve Ianao?

      “NY MARINA (...) dia matoky toy ny liona tanora.” (Ohabolana 28:1). Maneho finoana izy ireo, miantehitra amim-patokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mandroso amim-pahasahiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah na inona na inona loza atrehiny.

      Fony tao Sinay ny Isiraelita rehefa avy nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny fahababoana egyptiana tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., dia nisy lehilahy roa izay niseho indrindra ho natoky toy ny liona. Naneho fahatokiana teo anatrehan’i Jehovah tao anatin’ny toe-javatra sarotra koa izy ireo. Ny iray tamin’izany dia i Josoa efraimita,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara