FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp toko 23 p. 181-191
  • Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo vokany avy eo
  • Fahatsiarovana ho meloka sy fahadisoam-panantenana
  • Ny vidin’ny fahalotoam-pitondran-tena
  • Ny ampitson’iny
  • Ireo soa entin’ny fahadiovana — Fiadanana sy fahatsapana fanajan-tena
  • Fanorenana fifandraisana akaiky maharitra
  • Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?
    Mifohaza!—2004
  • Lany andro ve ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Nahoana Aho no Tokony ho Virjiny Foana?
    Mifohaza!—2002
  • Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
yp toko 23 p. 181-191

Toko Faha-23

Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

‘MISY maha-ratsy izany ve raha mifankatia ianareo? Sa tokony hiandry hatramin’ny fanambadiana ianao?’ ‘Mbola virjiny foana aho. Sao dia mba misy tsy mety àry amiko?’ Tondraka ny fanontaniana toy izany eo amin’ny tanora.

Na dia izany aza, dia “ny tanora miavaka aoka izany ilay mbola tsy nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy fony mbola zatovo”, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny tatitra nataon’ny Fikambanana Alan Guttmacher tamin’ny 1981. “Ny valo amin’ny lehilahy 10 ary ny fito amin’ny vehivavy 10 no milaza ho nanao firaisana fony izy zatovo.”

‘Koa maninona moa?’, hoy angamba ianao. Rehefa dinihina tokoa, dia zavatra ara-dalàna tsotra izao ny maniry hahatsapa fa tiana. Ary rehefa tanora ianao, dia mety hahery aoka izany ireo fahamaimaizana tsapanao ka hahatonga anao ho voahelingelina. Fanampin’izany, dia eo ny fitaoman’ireo mitovy taona aminao. Mety hilaza aminao izy ireo fa mahafinaritra be ny firaisana alohan’ny fanambadiana ary koa fa, raha tena tia olona iray ianao, dia zavatra ara-dalàna tsotra izao ny faniriana hiray aminy. Mety hilaza mihitsy aza ny sasany fa manaporofo ny maha-olon-dehibe anao ny fanaovana firaisana. Tsy maniry ny hoheverina ho toy ny hafahafa ianao, ka mety hahatsapa ho voatery hanandrana firaisan’ny lahy sy ny vavy.

Mifanipaka amin’ny fihevitry ny maro, fa tsy ny tanora rehetra akory no maika ny hamoy ny maha-virjiny azy. Raiso ho ohatra ny vehivavy tanora mpitovo iray antsoina hoe Esther. Rehefa tany amin’ny dokotera izy mba hozahana, dia nanontany azy araka ny fanaony mahazatra ilay dokotera hoe: “Inona no fomba tsy mampiteraka ampiasainao?” Rehefa namaly i Esther hoe: “Tsy mampiasa na inona na inona aho”, dia nihiaka toy izao ilay dokoterany: “Ahoana hoe! Te ho bevohoka angaha ianao? Ahoana no anantenanao tsy ho bevohoka raha tsy mampiasa na inona na inona ianao?” Namaly i Esther hoe: “Satria aho tsy manao firaisana!”

Nibanjina azy ilay dokoterany, tsy nino. “Tsy azo inoana tsotra izao izany”, hoy izy. “Ankizy 13 taona no miditra eto amiko, ary efa tsy virjiny intsony izy ireo. Tena olona miavaka mihitsy ianao.”

Inona no nahatonga an’i Esther ho “miavaka” toy izany? Nankato izao fananaran’ny Baiboly izao izy: “Ny tena (...) dia tsy ho an’ny fijangajangana [anisan’izany ny firaisana alohan’ny fanambadiana] (...) Mandosira ny fijangajangana.” (1 Korintiana 6:13, 18). Eny tokoa, nekeny ho toy ny fanotana lehibe amin’Andriamanitra ny firaisana alohan’ny fanambadiana! “Izao no sitrapon’Andriamanitra”, hoy ny ambaran’ny 1 Tesaloniana 4:3, dia “ny hifadianareo ny fijangajangana”. Nahoana anefa ny Baiboly no mandrara ny firaisana alohan’ny fanambadiana?

Ireo vokany avy eo

Na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza, dia nisy nanao firaisana talohan’ny fanambadiana. Nety ho nanasa toy izao ny zatovolahy iray ny vehivavy naloto fitondran-tena iray: “Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ny andro, aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika.” (Ohabolana 7:18). Ny Baiboly anefa dia nampitandrina fa ny fahafinaretana tsapa anio dia mety hiteraka fanaintainana rahampitso. “Ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo”, hoy ny nomarihin’i Solomona. “Nefa”, hoy ny teny nanampiny, “ny farany [“vokany avy eo”, NW ] mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.” — Ohabolana 5:3, 4.

Ny iray amin’ireo mety ho vokany avy eo dia ny fahazoana aretina azo avy amin’ny firaisana. Hevero ny fahoriana ho tsapa raha toa, taona maro atỳ aoriana, ka fantatrao fa ny fanaovana firaisana indray mandeha dia niteraka fahavoazana tsy azo ivalozana, angamba fahamombana na aretina lehibe iray! Mampitandrina momba izany toy izao ny Ohabolana 5:11: “Hitoloko hianao any am-parany, raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao”. Ny firaisana alohan’ny fanambadiana koa dia mitarika ho amin’ny fananana anaka ivelan’ny fanambadiana (jereo ny pejy faha-184-185) sy ny fanalana zaza ary ny fanambadiana aloha loatra — izay samy vokatra mampanaintaina avokoa. Eny tokoa, tena “manota mihatra amin’ny tenany” marina ny olona iray manao firaisana alohan’ny fanambadiana. — 1 Korintiana 6:18.

Nanaiky ny fisian’ireo loza ireo ny Dr. Richard Lee ka nanoratra toy izao ao amin’ny Yale Journal of Biology and Medicine: “Mirehareha eo anoloan’ireo tanorantsika isika momba ireo fandrosoana goavana vitantsika mba hisakanana ny fananana anaka sy hanasitranana ny aretina azo avy amin’ny firaisana, kanefa tsy miraharaha ny amin’ilay fomba azo itokiana sady marina indrindra, ilay tsy lafo vidy indrindra sy tsy manapoizina indrindra, mba hisakanana ny fahoriana ateraky ny fananana anaka sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana — dia ny toetran’ny maha-virjiny tranainy sy mendri-kaja ary mahasalama mihitsy aza.”

Fahatsiarovana ho meloka sy fahadisoam-panantenana

Tanora maro hafa koa no nahita fa mandiso fanantenana aoka izany ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Inona no vokany? Fahatsiarovan-tena ho meloka sy fihenan’ny fahatsapana fananjan-tena. Niaiky toy izao i Dennis, 23 taona: “Tena fahadisoam-panantenana lehibe ilay izy — tsy nisy fahatsiarovana zavatra tsara na fahatsapana ny hafanan’ny fitiavana, araka ny nanampoizako azy. Ilay fahatsapana feno ny naha-zava-dratsy an’ilay izy kosa no namely ahy tampoka. Nahatsiaro tena ho menatra mafy aho noho ny tsy fananako fifehezan-tena.” Nitsotra toy izao ny zatovovavy tanora iray: “Rehefa tafaverina tamin’ny zava-nisy aho dia nahatsapa rikoriko. (...) Vita ilay lanonana, dia nahatsiaro tena ho ta handoa sy tsy nisy vidiny firy ary naloto aho. Ary vao mainka tsy nanampy ahy ny nandre azy niteny hoe: ‘Inona koa àry no nanjo anao no tsy nisakana antsika talohan’ny naha-lasa antsika lavitra loatra?’ ”

Tsy mahalana ny fihetsika toy izany, araka ny fihevitry ny Dr. Jay Segal. Rehefa avy nandinika ny amin’ny firaisana teo amin’ny mpianatra any amin’ny fianarana ambony 2 436 izy, dia nanatsoaka izao hevitra izao: “Ireo [firaisan’ny lahy sy ny vavy] tsy nahafa-po sy nandiso fanantenana dia nihoatra efa ho avo roa heny noho ireo nahafa-po sy nampientana. Na ireo lehilahy na ireo vehivavy dia samy nahatsiaro ho diso fanantenana aoka izany.” Ekena aloha fa na dia ireo mpivady aza indraindray dia mety hanana ny zava-manahirana azy eo amin’ny firaisana. Kanefa eo anivon’ny fanambadiana, izay ahitana fitiavana marina sy fifanomezan-toky, mazàna dia azo aravona ny zava-manahirana toy izany.

Ny vidin’ny fahalotoam-pitondran-tena

Misy tanora tsy mahatsiaro tena ho meloka velively amin’ny fanaovana firaisana, hany ka manao izay rehetra azony atao mba hanaranam-po amin’ny fahafinaretana izy ireny, mitady hanana firaisana amin’ny olona maro samy hafa. Nanamarika i Robert Sorensen, mpanao fikarohana iray, tamin’ny fandinihany ny amin’ny firaisana eo amin’ny zatovo, fa mizaka ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tenany ireny tanora ireny. Manoratra toy izao i Sorensen: “Tamin’ny fanadinadinana nataonay, dia [tanora maloto fitondran-tena] maro no milaza (...) fa mino izy ireny fa miaina fotsiny tsy misy zava-kendrena sy fahafaham-po firy.” Ny 46 isan-jaton’izy ireny dia nanaiky ilay fanambarana hoe: “Raha araka izao fomba fiainako izao, ny ankamaroan’ireo fahafahako sy fahaizako dia ho rava tsikelikely.” Fanampin’izany, i Sorensen dia nahita fa tsy nanana “fatokian-tena sy fahatsiarovan-tena ho mendrika” ireo tanora manaraka fahalotoam-pitondran-tena ireo.

Izany dia tena araka ny lazain’ny Ohabolana 5:9 toy izao: Ireo izay manaram-po amin’ny fahalotoam-pitondran-tena dia ‘manome ho an’ny sasany ny voninahiny’.

Ny ampitson’iny

Raha vao avy nanao firaisana andrarana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, matetika dia hafa noho ny talohan’iny ny fahitany ilay namany. Mety ho hitan’ny ankizilahy iray fa tsy dia mafy toy ny teo aloha ny fihetseham-po tsapany amin’ilay ankizivavy; mety tsy hahita azy ho manintona intsony akory aza izy. Etsy an-danin’izany, ny ankizivavy iray dia mety hahatsiaro tena ho nambakaina. Tadidio ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ilay zatovolahy atao hoe Amnona sy ny naha-matim-pitia azy tamin’i Tamara virjiny. Kanefa, rehefa avy nanana firaisana taminy i Amnona, dia “halan’i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha”. — 2 Samoela 13:15.

Ny ankizivavy iray antsoina hoe Maria dia nahita fanandraman-javatra toy izany. Rehefa avy nanana firaisana izy, dia niaiky toy izao: “Nankahala ny tenako aho (noho ny fahalemeko), ary nankahala ilay ankizilahy niarahako koa. Raha ny tena izy aza, ilay firaisana noheverinay fa hampifanatona anay kokoa dia namarana ny fiarahanay. Tsy naniry ny hahita azy intsony akory aho.” Eny tokoa, amin’ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia mihoatra tsipika iray izay tsy azony iverenana intsony mihitsy!

Manamarika toy izao i Paul H. Landis, mpanao fikarohana hajaina iray momba ny fiainam-pianakaviana: “Ny vokatra eo no ho eo [ny an’ny firaisana alohan’ny fanambadiana] dia mety hanamafy ilay fifandraisana, kanefa ireo vokatra maharitra dia mety ho hafa tanteraka noho izany.” Raha ny marina, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay manao firaisana dia azo inoana kokoa fa hisaraka noho ireo izay mifady izany! Inona no antony? Ny firaisana andrarana dia miteraka fahasarotam-piaro sy tsy fitokiana. Niaiky toy izao ny tanora iray: “Rehefa avy nanao firaisana ny sasany, dia mieritreritra hoe: ‘Raha nanao izany tamiko izy dia angamba efa nanao izany tamin’ny olon-kafa.’ Raha ny tena izy, dia izany no tsapako. (...) Nanjary faran’izay saro-piaro sy feno ahiahy aho.”

Tena lavitra dia lavitra ny fitiavana marina, izay “tsy mialona, (...) tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy”, izany. (1 Korintiana 13:4, 5). Ny fitiavana izay manorina fifandraisana maharitra dia tsy miorina amin’ny fahamaimaizana jamba.

Ireo soa entin’ny fahadiovana — Fiadanana sy fahatsapana fanajan-tena

Tsy hoe manampy ny tanora iray hisoroka vokatra mahatahotra fotsiny anefa ny fitoerana ho madio. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny zatovovavy iray izay nitoetra ho madio na dia teo aza ny fitiavany mafy ilay ankizilahy niarahany. Ho vokatr’izany, dia afaka niteny tamim-pireharehana izy hoe: “Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko.” Tsy ‘varavarana nisavilivily’ izay ‘nisokatra’ mora foana isaky ny nisy fanerena ara-pitondran-tena, izy. Teo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena, dia niseho ho toy ny manda tsy nisy afaka nananika teo amin’ny trano fiarovana iray nisy tilikambo tsy azo tafihina, izy! Mendrika ny nantsoina hoe ‘ilay madio’ izy ary afaka nilaza toy izao momba ilay ho vadiny: “Raha eo imasony dia toy ny efa mahita [fiadanana, NW ] aho.” Ny fiadanan-tsainy manokana dia nitarika ho amin’ny fisian’ny fahafaham-po teo amin’izy roa. — Tonon-kiran’i Solomona 6:9, 10, NW; 8:9, 10.

I Esther, ilay tovovavy madio voatonona teo aloha, dia nanana fiadanana anaty sy fahatsiarovan-tena ho mendrika toy izany. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho faly momba ny tenako aho. Na dia rehefa naneso ahy aza ireo mpiara-miasa amiko, dia nihevitra ny maha-virjiny ahy ho toy ny diamondra aho, izany hoe sarobidy satria mahalana aoka izany vao hita.” Ambonin’izany, ireo tanora toa an’i Esther dia tsy enjehin’ny feon’ny fieritreretana meloka. “Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny fananana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra”, hoy ny nambaran’i Stefan, Kristiana iray 19 taona.

‘Ahoana anefa no ahafahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mifankahalala tsara raha tsy manana firaisana izy ireo?’, hoy ny tanora sasany.

Fanorenana fifandraisana akaiky maharitra

Tsy afaka manorina fifandraisana maharitra raha izay firaisana fotsiny; toy izany koa ireo fanehoam-pitiavana, toy ny fifanorohana. Mampitandrina toy izao ny zatovovavy iray antsoina hoe Ann: “Nianarako avy tamin’ny zavatra hitako manokana fa indraindray ianareo dia afaka ny hifanatona ara-batana akaiky loatra sady aloha loatra.” Rehefa mandany ny fotoana iarahany hifanehoany fitiavana tsy an-kijanona ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia mitsahatra ny fifampiresahana misy heviny. Amin’izany izy ireo dia mety hanakimpy ny masony amin’ny tsy fitoviana lehibe izay mety hipoitra indray aorian’ny fampakaram-bady. Rehefa nanomboka niaraka tamin’ny lehilahy hafa iray — ilay novadiny tatỳ aoriana — i Ann, dia nitandrina mba tsy hanana fifandraisana ara-batana lasa lavitra loatra. Manazava toy izao i Ann: “Nandany ny fotoananay nandaminana zava-nanahirana sy niresahana momba ireo zava-kendrenay eo amin’ny fiainana izahay. Nanjary fantatro ilay karazan’olona hovadiko. Taorian’ny fampakaram-bady, dia tsy nisy afa-tsy zava-baovao nahafinaritra.”

Sarotra tamin’i Ann sy ilay ankizilahy niarahany ve ny naneho izany fifehezan-tena izany? “Tena sarotra mihitsy!”, hoy i Ann nitsotra. “Olona mora maneho fitiavana mantsy aho. Kanefa niresaka momba ireo loza mety hipoitra izahay sady nifanampy. Samy naniry mafy ny hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra sy ny tsy hanimba ilay fanambadianay ho avy, izahay roa.”

Tsy hanampy ny lehilahy iray sy ilay ho vadiny ve anefa ny fanaovany firaisana aloha? Tsia, mifanohitra amin’izany aza fa matetika izany no manimba ny lafiny momba ny firaisana ao anatin’ny fanambadiana! Eo amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana, dia ny fahafinaretan’ny tena, ny lafiny ara-batana amin’ny firaisana, no antitranterina. Mihena ny fifanajana eo amin’izay misy fahamaimaizana tsy voafehy. Raha vantany vao miforona ny fironana feno fitiavan-tena toy izany, dia sarotra resena ary afaka miteraka fikorontanana be eo amin’ilay fifandraisana amin’ny farany.

Eo anivon’ny fanambadiana anefa, ny firaisana eo amin’ny lahy sy ny vavy sambatra dia mitaky fifehezan-tena. Ny antitranterina amin’izy io dia tsy maintsy ho ny fanomezana, ny ‘fanaovana izay mety hatao amin’ilay vady’, fa tsy ny fahazoana. (1 Korintiana 7:3, 4). Ny fitoeranao ho madio dia manampy anao hamboly izany fifehezan-tena izany. Izany dia mampianatra anao hametraka ny fiahiana tsy misy fitiavan-tena ny amin’izay mahasoa ny vadinao ho alohan’ny fanirianao manokana. Tadidio koa fa tsy miankina fotsiny amin’ny anton-javatra ara-batana ranofotsiny ny fahafaham-po ao amin’ny fanambadiana. Milaza i Seymour Fisher, sosiology, fa ny fihetsiky ny vehivavy iray eo amin’ny firaisana dia miankina koa amin’ny “fahatsiarovany ho miray akaiky amin’ny vadiny sy fianteherana amin’ny vadiny”. Izany koa dia miankina amin’ny fahaizan’ilay lehilahy “mahatakatra izay tsapan’ny vadiny sy (...) amin’ny haben’ny fatokian’ilay vehivavy ny vadiny”.

Mahaliana fa, tamin’ny fandinihana natao tamin’ny vehivavy manambady 177, ny telo ampahefatr’ireo izay efa nanao firaisana talohan’ny fanambadiana dia nilaza no nanana zava-nanahirana teo amin’ny firaisana nandritra ireo herinandro roa voalohany tamin’ny fanambadiany. Ankoatra izany, ireo rehetra nilaza ho nanana zava-nanahirana naharitra teo amin’ny firaisana dia “efa zatra nanao firaisana talohan’ny fanambadiana”. Nisy fikarohana koa nampiseho fa ny fironana hanitsakitsa-bady aorian’ny fampakaram-bady eo amin’ireo izay nanao firaisana talohan’ny fanambadiana dia azo inoana fa ho avo roa heny noho ny an’ireo tsy nanao izany! Tena marina ny tenin’ny Baiboly manao hoe: “Fijangajangana (...) no mahalasa ny saina.” — Hosea 4:11.

Noho izany, dia ‘izay afafinao no hojinjanao’. (Galatiana 6:7, 8). Mamafaza fahamaimaizana dia hijinja fisalasalana amin’ahiahy tondraka ianao. Kanefa raha mamafy fifehezan-tena ianao, dia hijinja fahatokiana sy tsy fananana ahiahy sesehena. I Esther, notononina teo aloha, hatramin’izay dia sambatra am-panambadiana efa an-taonany maromaro izao. Hoy ny vadiny: “Fifaliana tsy hay lazaina izany hoe mody any an-trano ho any amin’ny vadiko sy mahafantatra fa samy tsy an’olon-kafa izahay fa anay ihany. Tsy misy na inona na inona afaka manolo izany fahatsapana fatokiana izany.”

Ireo izay miandry hatramin’ny fanambadiana dia manana fiadanan-tsaina koa, noho ny fahafantarana fa manao izay sitrak’Andriamanitra izy ireo. Na dia izany aza, dia tsy mora mihitsy ny fitoerana ho madio amin’izao andro izao. Inona no afaka manampy anao amin’izany?

Fanontaniana Hiaraha-midinika

◻ Miely patrana ve ny firaisana alohan’ny fanambadiana eo amin’ireo tanora fantatrao? Moa ve izany miteraka zava-manahirana na fanerena ho anao?

◻ Inona avy no sasany amin’ireo vokatra ratsin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Moa ve ianao mahafantatra tanora voan’izany?

◻ Moa ve ny fomba tsy mampiteraka no fanafodin’ny zava-manahirana momba ny fananana anaka eo amin’ny zatovo?

◻ Nahoana ny sasany no mahatsiaro tena ho meloka sy diso fanantenana rehefa avy nanao firaisana andrarana?

◻ Moa ve ianao mihevitra fa ny fanaovana firaisana dia hanampy ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray tsy mpivady hifanatona akaiky kokoa? Nahoana ianao no mamaly toy izany?

◻ Ahoana no ahafahan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray hifankahalala rehefa miaraka?

◻ Inona no heverinao fa soa entin’ny fitoerana ho virjiny hatramin’ny fanambadiana?

[Teny notsongaina, pejy 182]

“Ny tanora miavaka aoka izany ilay mbola tsy nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy fony mbola zatovo.” — Fikambanana Alan Guttmacher

[Teny notsongaina, pejy 187]

“Tena fahadisoam-panantenana lehibe ilay izy — tsy nisy fahatsiarovana zavatra tsara na fahatsapana ny hafanan’ny fitiavana, araka ny nanampoizako azy”

[Teny notsongaina, pejy 190]

Rehefa manao firaisana alohan’ny fanambadiana ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia mihoatra tsipika iray izay tsy azony iverenana intsony mihitsy!

[Efajoro/Sary, pejy 184, 185]

‘Tsy Hahavoa Ahy Izany!’ — Ny Fananana Anaka eo Amin’ny Zatovo

“Zatovo maherin’ny iray ao anatin’ny 10 no tonga bevohoka isan-taona, ary mihamitombo izany ampahan’isa izany. Raha tsy miova ny fomba fiaina arahiny, dia zatovovavy efatra ao anatin’ny 10 no ho bevohoka fara faharatsiny indray mandeha raha mbola zatovo.” Izany no tatitra nataon’ny Teenage Pregnancy: The Problem That Hasn’t Gone Away. Ary karazana ankizivavy iza avy no tonga bevohoka? Hoy ny gazety Adolescence: “Ireo ankizivavy mbola mankany an-tsekoly izay tonga bevohoka dia avy amin’ny fari-piainana ara-tsosialy sy ara-toe-karena rehetra (...) Ny firazanana rehetra, ny finoana rehetra ary ny faritra rehetra amin’ilay tany, na any ambanivohitra izany na any an-tanàn-dehibe.”

Vitsy ny ankizivavy tena maniry ny ho bevohoka. Tao amin’ilay fandinihana nataony tamin’ny ankizivavy bevohoka maherin’ny 400, i Frank Furstenberg, Jr., dia nanamarika fa “ny ankamaroany dia namerimberina tao amin’ireo fanadinadinana hoe: ‘Tsy noheveriko mihitsy fa hahavoa ahy izany.’ ”

Kanefa, rehefa mahita ny namany sasany manao firaisana nefa tsy bevohoka ny ankizivavy sasany, dia mihevitra fa afaka manao izany koa ny tenany. Manambara toy izao koa i Furstenberg: “Maromaro tamin’izy ireo no nilaza fa tsy nieritreritra fa ho bevohoka ‘avy hatrany’ ny tenany. Ny hafa nihevitra fa, raha tsy manao firaisana afa-tsy ‘indraindray’ izy ireo, dia tsy ho bevohoka. Arakaraka ny fahalavan’ny fotoana tsy maha-bevohoka azy no itomboan’ny fahasahisahiany hihantsy loza.”

Ny marina anefa dia hoe isaky ny manao firaisana ny olona iray, dia eo foana ny fetezana ho bevohoka. (Tamin’ny antokon’ankizivavy 544, dia ‘efa ho ny ampahadimy no tonga bevohoka tao anatin’ny enim-bolana taorian’ny nanombohany nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy’.) Maro amin’izy ireo no mifidy mihitsy ny tsy hampiasa fomba tsy mampiteraka, toy ny ankizivavy iray niteraka tsy nanambady antsoina hoe Robin. Natahotra i Robin — toy ny tanora maro — sao hanimba ny fahasalamany ny fampiasana pilina tsy mampiteraka. Miaiky toy izao koa izy: “Raha nanaiky hampiasa fomba tsy mampiteraka aho, dia ho voatery niaiky tamin’ny tenako fa nanao zavatra ratsy. Tsy afaka ny nanao izany aho. Nanakimpy ny masoko tamin’ilay zavatra nataoko fotsiny àry aho no sady nanantena fa tsy hisy na inona na inona hitranga.”

Fahita eo amin’ireo ankizivavy miteraka tsy manambady ny fanjohian-kevitra toy izany. Araka ilay fandinihana nataon’i Furstenberg, dia “efa ho ny antsasak’ireo zatovo no nanambara fa tena zava-dehibe ny hiandrasan’ny vehivavy iray hatramin’ny fanambadiana vao hanomboka hanao firaisana (...) Tsy azo lavina fa misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny teniny sy ny ataony (...) Nahazo fari-pitsipika iray izy ireo, kanefa dia nianatra ny hanaraka fari-pitsipika hafa”. Io fifanoheran-javatra ara-pihetseham-po io dia “nanasarotra indrindra ny fiatrehan’ireo vehivavy ireo araka ny zava-misy ireo vokatry ny fihetsiny eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy”.

Na dia ny fampiasana fomba tsy mampiteraka aza dia tsy manome antoka fa tsy hanana anaka ny ankizivavy iray tsy manambady. Mampahatsiahy antsika toy izao ny boky Kids Having Kids: “Samy manana ny tsininy ny fomba tsy mampiteraka rehetra. (...) Na dia mampiasa tsy tapaka fomba tsy hiterahana aza ireo zatovo tsy manambady (...) dia mbola hisy 500 000 ihany [any Etazonia] ho bevohoka isan-taona.” Avy eo dia voalaza ao fa nitaraina toy izao ny ankizivavy iray 16 taona niteraka tsy nanambady antsoina hoe Pat: “Nampiasa [pilina tsy mampiteraka] tamim-pahatokiana aho. Marina fa tena tsy nanadino izany na dia indray andro monja aza aho.”

“Aza mety hofitahina hianareo”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly. “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Ny fananana anaka dia iray monja amin’ireo vokatra ratsin’ny fijangajangana jinjain’ny olona. Soa ihany fa ireo miteraka tsy manambady, toy ny hafa rehetra latsaka ao anatin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondran-tena, dia afaka miverina sy manatona an’Andriamanitra amin’ny fananana ny fihetsika feno fibebahan’i Davida Mpanjaka izay nivavaka hoe: “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.” (Salamo 51:2). Andriamanitra dia hitahy ny ezaka ataon’ny olona mibebaka toy izany mba hitaizana ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”. — Efesiana 6:4, NW.

Ny tsara kokoa anefa dia ny mifady ny firaisana alohan’ny fanambadiana! Aza manaiky ho voafitak’ireo izay milaza aminao fa afaka mandositra ny vokany ianao.

[Sary, pejy 183]

Aorian’ny firaisana maloto, ny tanora iray matetika dia mahatsiaro ho nambakaina na nampietrena mihitsy aza

[Sary, pejy 186]

Miteraka aretina azo avy amin’ny firaisana matetika ny firaisana alohan’ny fanambadiana

[Sary, pejy 188]

Ireo fanehoam-pitiavana tafahoatra dia mety hametraka ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ho eo anoloan’ny loza ara-pitondran-tena ary hisakana ny fifampiresahana misy heviny

[Sary, pejy 189]

Tsy miankina amin’ny firaisana ara-batana fotsiny ny fahasambaran’ny mpivady

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara