FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Jona, milentika ao anaty ranomasina ary misy trondro ngezabe manatona azy

      LESONA 54

      Nandefitra Be Tamin’i Jona i Jehovah

      Ratsy toetra be ny olona tao Ninive, tanàna anankiray tany Asyria. Nirahin’i Jehovah ho any àry i Jona mpaminany, mba hiteny amin-dry zareo hoe mila miova ry zareo. Nandositra anefa i Jona. Lalan-kafa mifanipaka amin’ny tokony handehanany indray no nalehany. Nandeha sambo nankany Tarsisy izy.

      Lasa nifofofofo be anefa ny rivotra sady nisy oram-baratra, rehefa teny an-dranomasina ilay sambo. Natahotra be daholo ny tantsambo, dia samy nivavaka tamin’ny andriamaniny sady niteny hoe: ‘Fa misy inona àry?’ Dia niteny tamin-dry zareo i Jona tamin’ny farany hoe: ‘Izaho no mahatonga an’izao. Nandositra mantsy aho fa tsy nankatò an’i Jehovah. Atsipazo any an-dranomasina aho, dia tsy ho ratsy intsony ny andro.’ Tsy te hanipy an’i Jona tany anefa ny tantsambo, fa nisisika ihany i Jona. Natsipin-dry zareo ihany àry izy tamin’ny farany, dia nijanona ilay andro ratsy.

      Nieritreritra i Jona hoe ho faty. Rehefa nihanilentika tany anaty ranomasina àry izy, dia nivavaka tamin’i Jehovah. Nandefa trondro ngezabe i Jehovah avy eo, dia natelin’ilay izy i Jona fa tsy maty. Dia nivavaka izy tao an-kibon’ilay trondro hoe: ‘Ao fa hankatò anao foana amin’izay aho.’ Nijanona telo andro tao i Jona, ary narovan’i Jehovah. Nasain’i Jehovah naloan’ilay trondro teny amin’ny tany maina izy avy eo.

      Tsy nila nankany Ninive intsony ve izany i Jona satria novonjen’i Jehovah? Tsy izany ka! Nasain’i Jehovah nankany indray izy. Nankatò amin’izay izy, dia nandeha. Hoy izy tamin’ireo olona ratsy fanahy tany: ‘Ho rava i Ninive rehefa afaka 40 andro.’ Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga avy eo. Inona izany? Nihaino an’i Jona ny olona dia niova. Hoy ny mpanjakan’i Ninive tamin’ny vahoakany: ‘Mila mivavaka amin’Andriamanitra isika, dia miova. Sao dia mba tsy haringany isika amin’izay.’ Rehefa hitan’i Jehovah hoe niova ry zareo, dia tsy noravany indray i Ninive.

      Jona mankao Ninive

      Tezitra be mihitsy i Jona fa tsy noravana akory ilay tanàna. Eritrereto ange e! I Jehovah mba nandefitra sy namindra fo tamin’i Jona ihany, nefa i Jona tsy mba nanao an’izany tamin’ny olona tao Ninive. Lasa izy nankeny ivelan’ny tanàna, dia nipetraka teo ambany alokalok’izay voatavomonta izay sady nilongilongy be. Maty anefa ilay zavamaniry avy eo, dia tezitra be i Jona. Niteny azy àry i Jehovah hoe: ‘Io zavamaniry io indray ve izany no alahelovanao kokoa noho ny olona ao Ninive? Fa ’zaho anefa namindra fo tamin-dry zareo dia tsy maty ry zareo.’ Inona no tian’i Jehovah holazaina? Hoe sarobidy kokoa noho ny zavamaniry ny olona tao Ninive.

      ‘Manam-paharetana aminareo i Jehovah, satria tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’​—2 Petera 3:9

      Fanontaniana: Inona no nampianarin’i Jehovah an’i Jona? Inona no azontsika ianarana amin’izay nahazo an’i Jona?

      Jona 1:1–4:11

  • Niaro An’i Hezekia ny Anjelin’i Jehovah
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Anjely anankiray, mandringana ny miaramila asyrianina

      LESONA 55

      Niaro An’i Hezekia ny Anjelin’i Jehovah

      Resin’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. I Sankeriba no mpanjakan’i Asyria tamin’izany. Tiany halaina koa ny fanjakan’ny foko roan’i Joda, dia nanomboka naka ny tanànan’i Joda tsikelikely izy. I Jerosalema anefa no tena tiany ho azo. Tsy fantany hoe niaro an’i Jerosalema i Jehovah.

      I Hezekia no mpanjakan’ny Joda tamin’izay. Nomeny vola be i Sankeriba mba tsy hanafika an’i Jerosalema. Dia noraisin’i Sankeriba ilay vola, nefa mbola nalefany hanafika an’i Jerosalema ihany ny miaramilany. Natahotra be àry ny olona tao rehefa nihananatona ny Asyrianina. Hoy anefa i Hezekia: ‘Aza matahotra fa hataon’i Jehovah matanjaka kokoa noho ny Asyrianina isika.’

      Nisy Rabsake mpitondra hafatr’i Sankeriba nirahiny hanambanimbany an’ireo olona tao Jerosalema. Teo ivelan’ny tanàna izy no niantsoantso hoe: ‘Aza manaiky hofitahin’i Hezekia ianareo fa tsy afaka manampy anareo izany i Jehovah. Tsisy andriamanitra afaka miaro anareo aminay mihitsy!’

      Nanontany an’i Jehovah àry i Hezekia hoe inona no tokony hataony. Dia hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra amin’ny tenin’i Rabsake, fa tsy ho resin’i Sankeriba izany i Jerosalema.’ Nahazo taratasy avy any amin’i Sankeriba anefa i Hezekia avy eo hoe: ‘Tsy aleonao ve manaiky ho resy e? Tsy mahavita mamonjy anareo izany i Jehovah!’ Nivavaka àry i Hezekia hoe: ‘Mba vonjeo re izahay, Jehovah ô! Amin’izay fantatry ny rehetra hoe ianao irery no tena Andriamanitra.’ Dia hoy i Jehovah: ‘Tsy ho tafiditra ao Jerosalema ny mpanjakan’i Asyria. Hiaro ny tanànako aho.’

      Natoky be i Sankeriba hoe kely sisa dia ho resiny i Jerosalema. Nandefa anjely anankiray anefa i Jehovah ny alin’iny, dia novonoin’ilay anjely daholo ny miaramila asyrianina 185 000 nitoby tany ivelan’ilay tanàna! Tsy nanana miaramila matanjaka be intsony i Sankeriba Mpanjaka, dia voatery nody fa resy. Tena niaro an’i Hezekia sy ilay tanàna tokoa i Jehovah e? Ho natoky an’i Jehovah hoatr’izany koa ve ianao, raha tao Jerosalema ianao?

      “Ny anjelin’i Jehovah mitoby manodidina an’izay rehetra matahotra Azy, ka mamonjy azy ireo.”​—Salamo 34:7

      Fanontaniana: Ahoana no niarovan’i Jehovah an’i Jerosalema? Mino ve ianao hoe hiaro anao koa i Jehovah?

      2 Mpanjaka 17:1-6; 18:13-37; 19:1-37; 2 Tantara 32:1-23

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara