-
Fanjakana Haharitra MandrakizayAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 60
Fanjakana Haharitra Mandrakizay
Nanofy i Nebokadnezara Mpanjaka, indray alina. Hafahafa be ilay nofy, ka lasa tsy nahita tory izy. Nantsoiny àry ny mpanao sikidy, dia hoy izy: ‘Hazavao amiko ny nofiko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Lazao anay àry ilay nofinao, ry mpanjaka ô!’ Hoy anefa i Nebokadnezara: ‘Aleo ianareo no milaza amiko hoe inona ilay nofiko, fa raha tsy izany dia hovonoiko ianareo.’ Hoy indray ry zareo: ‘Lazao anay aloha ilay nofy, dia lazainay ny dikany.’ Hoy anefa izy: ‘Mitady hamitaka an’ahy fotsiny ianareo! Teneno an’ahy hoe inona ilay nofiko.’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsisy olona mahavita an’izany zavatra angatahinao izany.’
Tezitra be i Nebokadnezara ka nanome baiko hoe vonoina daholo ny mpanao sikidy sy ny olon-kendry rehetra, anisan’izany i Daniela, Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Nangataka fotoana kely tamin’ny mpanjaka anefa i Daniela, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy sy ny namany mba hanampy an-dry zareo. Inona àry no nataon’i Jehovah?
Nasehon’i Jehovah tamin’i Daniela tao amin’ny fahitana ny nofin’i Nebokadnezara sy ny dikany. Ny ampitson’iny, dia hoy i Daniela tamin’ny mpiasan’ny mpanjaka: ‘Aza vonoina ny olon-kendry fa hoteneniko amin’ny mpanjaka ny dikan’ny nofiny.’ Rehefa nentina tany amin’i Nebokadnezara i Daniela, dia hoy izy: ‘Nasehon’Andriamanitra taminao ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Nanofy ianao hoe nisy sarivongana ngezabe. Volamena ny lohany, volafotsy ny tratrany sy ny sandriny, varahina ny kibony sy ny feny, vy ny ranjony, ary vy mifangaro tanimanga ny tongony. Dia nisy vato nendahana avy tamin’ny tendrombohitra nandona mafy an’ilay sarivongana teo amin’ny tongony, dia potipotika ilay izy ary avy eo lasan’ny rivotra. Ilay vato kosa lasa tendrombohitra ngezabe, ka feno azy ny tany manontolo.’
Hoy i Daniela avy eo: ‘Izao no dikan’izany nofinao izany: Ny fanjakanao ilay loha volamena, ary fanjakana handimby anao ilay volafotsy. Ilay varahina kosa dia fanjakana anankiray hafa hanjaka eran-tany aorian’izay. Hisy fanjakana matanjaka be hoatran’ny vy avy eo. Dia amin’ny farany hisy fanjakana iray voazarazara, satria hisy ampahany hatanjaka hoatran’ny vy, ary hisy ampahany halemy hoatran’ny tanimanga. Ilay vato lasa tendrombohitra dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Hopotipotehiny daholo ireo fanjakana ireo, fa izy kosa haharitra mandrakizay.’
Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Daniela i Nebokadnezara. Hoy izy: ‘Ny Andriamanitrao no nampahafantatra an’ilay nofy taminao. Tsisy Andriamanitra hoatran’azy mihitsy.’ Tsy novonoin’i Nebokadnezara àry i Daniela, fa nataony lehiben’ny olon-kendry rehetra sady notendreny ho filohan’ny faritanin’i Babylona. Tena namaly ny vavak’i Daniela i Jehovah e?
“Nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.”—Apokalypsy 16:16
-
-
Tsy Nety Niankohoka Izy IreoAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 61
Tsy Nety Niankohoka Izy Ireo
Taoriana kelin’ilay Nebokadnezara Mpanjaka nanofy sarivongana, dia nampanao sarivongana volamena ngezabe izy. Natsangany teo amin’ny lemak’i Dora ilay izy, ary nasainy nankeo daholo ny olona ambony rehetra, anisan’izany i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia hoy ny mpanjaka: ‘Tsy maintsy miankohoka amin’io sarivongana io daholo ianareo, raha vao henonareo ny feon’ny trompetra sy harpa ary sodina. Fa izay tsy mety miankohoka, dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra be.’ Hiankohoka ve ireo Hebreo telo lahy ireo, sa i Jehovah ihany no hivavahany?
Nasain’ny mpanjaka nalefa ny mozika. Dia niankohoka ny olona rehetra, afa-tsy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Nisy nahita anefa ry zareo, dia nalazan’ireo olona ireo tany amin’ny mpanjaka hoe: ‘Tsy mety mivavaka amin’ilay sarivongana nataonao ange ireo Hebreo telo lahy e!’ Nampanantsoin’i Nebokadnezara ry zareo, dia hoy izy: ‘Te hiala nenina aminareo aho. Asaiko haverina indray ilay mozika, dia mbola afaka mivavaka amin’ilay sarivongana ianareo. Fa raha tsy mety ianareo, dia hatsipiko ao anaty lafaoro. Tsisy andriamanitra hahavonjy anareo izany!’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy mila miala nenina izany ianao, ry mpanjaka ô. Afaka mamonjy anay mantsy ny Andriamanitray. Fa na tsy hamonjy anay koa aza anefa izy, dia izahay tsy hivavaka amin’ilay sarivongana.’
Tezitra be i Nebokadnezara, dia hoy izy: ‘Ataovy faran’izay mahamay be ny lafaoro!’ Niteny tamin’ny miaramilany izy avy eo hoe: ‘Fatory izy telo lahy ireo dia atsipazo ao!’ Nahamay be mihitsy ilay lafaoro, ka tonga dia maty ireo miaramila rehefa tonga teo akaikin’ilay izy. Izy telo lahy kosa lasa tao anatin’ilay lafaoro. Rehefa nijery ny tao anatin’ilay izy i Nebokadnezara avy eo, dia lehilahy efatra no hitany nandehandeha tao. Natahotra be izy, dia nanontany an’ireo olona ambony hoe: ‘Fa angaha moa tsy telo lahy no natsipintsika tao? Efa-dahy anefa no hitako, ary hoatran’ny anjely ny anankiray.’
Nankeo akaikin’ilay lafaoro i Nebokadnezara, dia niantsoantso hoe: ‘Ry mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha atỳ!’ Gaga be daholo ny olona nahita an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego hoe tsy naninon-tsy naninona. Tsy nisy may na ny hodiny na ny volony na ny akanjony, sady tsy nisy fofon’afo akory ry zareo.
Dia hoy i Nebokadnezara: ‘Tena mahery ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa nirahiny hamonjy an-dry zareo ny anjeliny. Tsisy andriamanitra hoatran’azy.’
Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah hoatran’izy telo lahy koa ve ianao, na inona na inona mitranga?
“I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.”—Matio 4:10
-