-
Fanjakana Hoatran’ny Hazo NgezabeAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 62
Fanjakana Hoatran’ny Hazo Ngezabe
Nanofy zavatra mampahatahotra i Nebokadnezara, indray alina. Nasainy nilaza ny dikan’ilay nofy ny olon-kendry, nefa tsy nisy nahay. Farany, dia nampanantsoiny i Daniela.
Hoy i Nebokadnezara taminy: ‘Nanofy nahita hazo anankiray aho. Lasa avo be ilay izy dia tonga hatreny amin’ny lanitra, ary hitan’ny olona rehetra teto an-tany. Nisy raviny tsara tarehy sy voany be dia be ilay izy. Nialokaloka teo ambaniny ny biby, ary nanao trano teny amin’ny sampany ny vorona. Dia nisy anjely avy tany an-danitra niantsoantso hoe: “Kapao io hazo io sy ny sampany. Avelao eo ihany anefa ny fotony sy ny fakany, dia fatory vy sy varahina. Ho lasa fom-biby ny fony, fa tsy ho fon’olombelona intsony. Dia havela eo izy mandritra ny fe-potoana fito. Ho fantatry ny olona rehetra amin’izay hoe Andriamanitra no Mpitondra, ka azony omena fanjakana izay tiany homena an’izany.”’
Dia nampahafantarin’i Jehovah an’i Daniela ny dikan’ilay nofy. Natahotra be izy rehefa fantany ilay izy. Hoy izy: ‘Tiako izao raha mba amin’ny fahavalonao no ho tanteraka ilay nofy fa tsy aminao, ry mpanjaka ô! Ianao anefa ilay hazo nokapaina. Hesorina tsy ho mpanjaka ianao, sady hihinana bozaka hoatran’ny bibidia. Ho lasa mpanjaka indray anefa ianao, satria navela teo ihany ny fototr’ilay hazo sy ny fakany, araka ny tenin’ilay anjely.’
Herintaona taorian’izay, dia nandehandeha teny an-tampon’ny lapany i Nebokadnezara. Hoy izy: ‘Tsara tarehy be mihitsy ity tanànan’i Babylona nataoko ity. Tsisy mahavita hoatran’ahy mihitsy.’ Tamin’izay no nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe: ‘Nebokadnezara, esorina tsy ho mpanjaka ianao izao.’
Tonga dia lasa adala i Nebokadnezara, dia lasa hoatran’ny bibidia. Voatery niala tao amin’ny lapany izy, dia nipetraka tany an-tsaha niaraka tamin’ny bibidia. Lasa lava hoatran’ny volon’ny voromahery ny volony, dia hoatran’ny hohon’ny vorona ny hohony.
Sitrana i Nebokadnezara rehefa afaka fito taona, dia nataon’i Jehovah mpanjakan’i Babylona indray. Hoy izy: ‘Midera an’i Jehovah aho fa izy no Mpanjakan’ny lanitra. Fantatro izao fa izy no Mpitondra, ka izay manambony tena dia ataony lasa ambany, ary azony omena fanjakana izay tiany homena an’izany.’
“Ho lavo izay mirehareha, ary hianjera izay manambony tena.”—Ohabolana 16:18
-
-
Ilay Soratra teo Amin’ny RindrinaAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 63
Ilay Soratra teo Amin’ny Rindrina
I Belsazara indray no lasa mpanjakan’i Babylona tatỳ aoriana. Nanao sakafo be izy indray alina, ary nanasa olona ambony 1000. Nasainy navoakan’ny mpiasany ny kaopy volamena nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Dia nisotro tamin’ireny kaopy ireny izy sy ny vahininy, sady nidera ny andriamaniny. Nisy tanana nipoitra tampoka anefa teo amin’ny rindrina, dia nanoratra teny hafahafa.
Natahotra be i Belsazara, dia nantsoiny ny mpanao sikidy ka hoy izy: ‘Izay mahay manazava ny dikan’ireo teny ireo, dia hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Nanandrana daholo ry zareo fa tsy nisy nahay. Dia tonga teo ny renin’ny mpanjaka, ka niteny hoe: ‘Misy an’izay Daniela izay any. Izy no nahay nanazava zavatra hoatran’io tamin’i Nebokadnezara. Hainy izao ny dikan’ireo.’
Rehefa tonga i Daniela, dia hoy i Belsazara taminy: ‘Raha hainao ny mamaky sy milaza ny dikan’ireo teny ireo, dia homeko rojo volamena ianao, ary hataoko mpitondra fahatelo eto Babylona.’ Dia hoy i Daniela: ‘Tsy mila an’izany aho. Holazaiko aminao ihany anefa ny dikan’io soratra io. Nanambony tena i Nebokadnezara dadanao, dia nataon’i Jehovah lasa ambany. Efa fantatrao izany, nefa mbola tsy nanaja an’i Jehovah ihany ianao, satria ny kaopy volamena avy tao amin’ny tempoliny no nisotroanao divay. Dia izao ilay soratra nosoratany: Mene, Mene, Tekela, ary Parsina. Ary izao no dikany: Ho resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona, ary tsy ho mpanjaka intsony ianao.’
Hoatran’ny hoe tsisy haharesy izany mihitsy anefa i Babylona. Matevina be mantsy ny mandany, ary nisy renirano lalina be nanodidina azy. Nanafika an’ilay tanàna anefa ny Medianina sy ny Persianina tamin’iny alina iny ihany. Navilin’i Kyrosy mpanjaka persianina ilay renirano, dia afaka nankeny amin’ny vavahady ny miaramilany. Rehefa tonga teny ry zareo, dia io fa nisokatra nidanadana ny vavahady! Niditra àry ry zareo dia resiny ilay tanàna. Novonoina i Belsazara, ary i Kyrosy indray no lasa mpanjakan’i Babylona.
Hoy i Kyrosy, herintaona taorian’izay: ‘Niteny tamiko i Jehovah hoe tokony hamboarina indray ny tempoliny any Jerosalema. Afaka mandeha any daholo àry izay anisan’ny vahoakany ka te hanampy hanamboatra an’ilay izy.’ Marina tokoa ny tenin’i Jehovah! Be dia be mantsy ny Jiosy nody tany Jerosalema, 70 taona taorian’ny nandravana azy. Naverin’i Kyrosy tany koa ny kaopy volamena sy volafotsy ary ny fitaovana nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly. Hitanao ve hoe ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba hanampiana ny vahoakany?
“Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe, ka lasa fonenan’ny demonia!”—Apokalypsy 18:2
-