-
Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i EzraAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 66
Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah i Ezra
Efa 70 taona teo ho eo izay ny ankamaroan’ny Israelita no niverina nody tany Jerosalema. Ny Israelita sasany kosa mbola nipetraka tao amin’ny Fanjakana Persianina, anisan’izany ilay mpisorona atao hoe Ezra. Nampianatra ny Lalàn’i Jehovah izy. Henony hoe tsy nankatò ny Lalàna ny olona tany Jerosalema, dia te ho any izy mba hanampy an-dry zareo. Hoy àry i Artaksersesy mpanjakan’i Persa taminy: ‘Nataon’Andriamanitra mahay mampianatra ny Lalàny ianao. Mandehana àry dia ento izay te hiaraka aminao.’ Dia nantsoin’i Ezra daholo izay te hody tany Jerosalema. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo mba harovany eny an-dalana, dia lasa avy eo.
Tonga tany Jerosalema ry zareo, rehefa afaka efa-bolana. Hoy ny olona ambony tany tamin’i Ezra: ‘Tsy nankatò an’i Jehovah ny Israelita fa nanambady vehivavy mpanompo sampy.’ Dia inona no nataon’i Ezra? Nandohalika teo anatrehan’ny vahoaka izy, dia nivavaka hoe: ‘Tsara fanahy be aminay ianao, Jehovah, nefa izahay manota aminao foana.’ Dia nifona ny olona, nefa mbola nanao zavatra tsy mety ihany. Nifidy anti-panahy sy mpitsara hanampy an-dry zareo àry i Ezra. Rehefa afaka telo volana, dia noroahina izay rehetra tsy nivavaka tamin’i Jehovah.
Naorina indray ny mandan’i Jerosalema, tao anatin’ny 12 taona. Dia nasain’i Ezra nankeo amin’ny tany malalaka ny vahoaka. Nitsangana ry zareo rehefa nosokafan’i Ezra ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra. Nidera an’i Jehovah i Ezra, ary nanangan-tanana ny vahoaka mba hampisehoana hoe nanaiky an’izay nolazainy. Novakin’i Ezra avy eo ny Lalàna sady nohazavainy, ary nihaino tsara ny vahoaka. Niaiky ry zareo hoe nivadika tamin’i Jehovah indray, dia nitomany. Mbola namaky ny Lalàna tamin’ny olona i Ezra ny ampitson’iny. Lasa fantatra àry hoe kely sisa ry zareo dia tokony hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Tonga dia niomana hanao an’ilay fety ry zareo.
Fito andro ilay fety. Faly be ny vahoaka nandritra an’ilay izy, sady nisaotra an’i Jehovah fa be dia be ny vokatra. Mbola tsy nisy fety hoatran’iny mihitsy tany Israely, hatramin’ny andron’i Josoa. Dia nivory ry zareo rehefa vita ilay fety ka nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, andevo izahay no novonjenao, dia nomenao sakafo tany an-tany efitra, dia avy eo nomenao an’ity tany tsara be ity. Tsy nankatò anao foana anefa izahay. Nasainao niteny anay ny mpaminany, fa tsy nohenoinay. Nandefitra foana anefa ianao. Nitana ny teninao tamin’i Abrahama ianao. Mivoady izahay izao hoe hankatò anao amin’izay.’ Nosoratana ilay voady, dia nanisy tombo-kase an’ilay izy ny olona ambony sy ny Levita ary ny mpisorona.
“Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!”—Lioka 11:28
-
-
Ny Mandan’i JerosalemaAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 67
Ny Mandan’i Jerosalema
Hojerentsika izay nitranga tamin’ny andron’i Nehemia, mpiasan’i Artaksersesy Mpanjaka. Israelita izy ary nipetraka tao Sosana, tany Persa. Tonga avy tany Joda ny rahalahin’i Nehemia, dia nilaza vaovao ratsy hoe: ‘Tsy voaro ny olona nody any Jerosalema, satria mbola tsy vita ny manda sy ny vavahady noravan’ny Babylonianina.’ Nalahelo be i Nehemia ka te ho any Jerosalema hanampy an-dry zareo. Nivavaka àry izy mba havelan’ny mpanjaka handeha.
Hitan’ny mpanjaka, tatỳ aoriana, hoe nalahelohelo i Nehemia. Dia hoy izy: ‘Mbola tsy nahita anao hoatr’izao mihitsy aho. Fa misy inona?’ Hoy i Nehemia: ‘Malahelo aho fa mbola rava i Jerosalema tanànanay.’ Dia hoy ny mpanjaka: ‘Inona àry no tianao hataoko?’ Tonga dia nivavaka mangina i Nehemia. Hoy izy avy eo: ‘Mba avelao aho ho any Jerosalema mba hanamboatra ny manda.’ Navelan’ny mpanjaka handeha i Nehemia, sady nataony izay tsy hahitany olana teny an-dalana. Notendren’ny mpanjaka ho governoran’i Joda koa izy, sady nomeny hazo hanaovana ny vavahadin’i Jerosalema.
Rehefa tonga tany Jerosalema i Nehemia, dia nojereny tsara ny manda. Nantsoiny avy eo ny mpisorona sy ny olona ambony, dia hoy izy: ‘Tena voa mafy isika! Mila averintsika amin’ny laoniny ireo.’ Nanaiky an’izany ny olona dia nanomboka nanamboatra an’ilay izy.
Nisy fahavalon’ny Israelita anefa nanesoeso hoe: ‘Io manda ataonareo io ve tsy donin’ny alika fotsiny dia mianjera!’ Tsy noraharahian’ny Israelita anefa izany fa notohizany ihany ny asa, dia lasa avo be sy ngezabe ilay manda.
Dia nanao tetika ny fahavalo hoe: ‘Andao isika hanodidina an’i Jerosalema dia hotafihintsika tampoka ry zareo.’ Henon’ny Jiosy ilay tetika ka natahotra ry zareo. Hoy anefa i Nehemia: ‘Aza matahotra fa i Jehovah ange manampy antsika e!’ Nasian’i Nehemia mpiambina koa teny rehetra teny mba hiaro ny mpiasa, ka tsy afaka nanafika ny fahavalo.
Tao anatin’ny 52 andro fotsiny dia vita ny manda sy ny vavahady. Notokanana ilay izy, dia nasain’i Nehemia ho any Jerosalema daholo ny Levita tamin’izay. Nozarainy ho antoko-mpihira roa ry zareo. Niakatra teo ambony manda ry zareo, teo amin’ny tohatra akaikin’ny Vavahadin’ny Loharano. Nisaraka ry zareo avy eo, dia ny antoko-mpihira iray nandeha niankavanana ary ny iray nandeha niankavia nanodidina an’ilay tanàna. Nihaona teo amin’ny tempoly ry zareo tamin’ny farany. I Ezra no niaraka tamin’ilay antoko anankiray, fa i Nehemia kosa no niaraka tamin’ny anankiray. Samy nanao hira ho an’i Jehovah ireo antoko roa ireo, sady nitsoka trompetra sy nitendry kipantsona sy harpa. Nanao sorona ho an’i Jehovah ny olona rehetra na lahy na vavy na ankizy. Faly be ry zareo ka henon’ny olona hatrany lavitra be ny feony.
“Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.”—Isaia 54:17
-