FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 60
  • Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Nahoana no ‘Manafaka Antsika ny Marina’?
    Mifohaza!—2012
  • Mianara Hatahotra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nahoana moa isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fianarana Mahita Fifaliana Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 60

Inona no Hanampy Anao Tsy Hatahotra ny ho Faty?

Valiny ara-baiboly

Ara-dalàna raha mihevitra ny fahafatesana ho toy ny fahavalo isika, ka manao zavatra mba hiarovana ny aintsika. (1 Korintianina 15:26) Lasa matahotra fahafatesana loatra anefa ny olona sasany, noho ny fampianaran-diso na ny finoanoam-poana, ka manjary andevozin’izany ‘mandritra ny androm-piainany.’ (Hebreo 2:15) Hanafaka anao amin’izany tahotra izany ny fahalalana ny marina, ka ho afaka hankafy fiainana ianao.—Jaona 8:32.

Ny marina momba ny fahafatesana

  • Tsy mahatsiaro tena ny maty. (Salamo 146:4) Oharin’ny Baiboly amin’ny torimaso ny fahafatesana, ka tsy tokony hatahotra ianao hoe handre fanaintainana na hijaly rehefa maty.—Salamo 13:3; Jaona 11:11-14.

  • Tsy afaka manisy ratsy antsika ny maty. Na ireo olona nahery setra taloha aza “tsy mahefa na inona na inona” rehefa maty. (Ohabolana 21:16) Milaza ny Baiboly fa ‘efa foana ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany.’—Mpitoriteny 9:6.

  • Tsy hoe tsy misy fanantenana intsony akory rehefa maty ny olona. Hanangana ny maty mantsy Andriamanitra, ka ho velona indray izy ireo.—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

  • Mampanantena Andriamanitra fa “tsy hisy fahafatesana intsony” amin’ny hoavy. (Apokalypsy 21:4) Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay”, ary tsy hatahotra ny ho faty intsony.—Salamo 37:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara