FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jesosy Tamin’izy Ankizilahikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Jesosy tamin’izy roa ambin’ny folo taona, mipetraka eo afovoan’ny mpampianatra ao amin’ny tempoly

      LESONA 72

      Jesosy Tamin’izy Ankizilahikely

      Nipetraka tany Nazareta i Josefa sy Maria ary Jesosy sy ireo zandriny lahy sy zandriny vavy. Mpandrafitra i Josefa, ary izany no namelomany ny fianakaviany. Nampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy ny Lalàny koa izy. Nandeha nivavaka tany amin’ny synagoga foana izy mianakavy, ary nankany Jerosalema isan-taona mba hankalaza ny Paska.

      Nankany Jerosalema hoatran’ny efa fanaon-dry zareo ny fianakavian’i Jesosy, tamin’izy 12 taona. Feno olona tonga hankalaza ny Paska ilay tanàna tamin’izay. Rehefa vita ilay fety, dia nody ry Josefa sy Maria. Nieritreritra ry zareo hoe tafaraka tamin’ireo olona niara-dalana taminy i Jesosy. Tsy hita anefa izy rehefa notadiavina tany amin’ny havany.

      Niverina tany Jerosalema àry ry zareo, dia nitady azy nandritra ny telo andro. Nankany amin’ny tempoly ry zareo tamin’ny farany. Dia io fa tao i Jesosy! Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra izy, sady nihaino tsara no nanontany. Gaga be ireo mpampianatra ireo ka nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy. Variana ry zareo tamin’ny valin-teniny satria hitany hoe tena nahay ny Lalàn’i Jehovah izy.

      I Josefa sy Maria anefa efa nitebiteby nitady azy. Dia hoy i Maria: ‘Izahay izao efa nitady anao hatraiza hatraiza, anaka! Fa taiza ianao?’ Hoy i Jesosy: ‘Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ato an-tranon’ny Raiko aho?’

      Nandeha nody tany Nazareta niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Jesosy avy eo. Nampianarin’i Josefa nandrafitra izy tany. Mba hoatran’ny ahoana àry i Jesosy tamin’izy tanora? Rehefa nihalehibe izy, dia nihahendry sady vao mainka tian’Andriamanitra sy ny olona.

      Josefa sy Maria, miaraka amin’i Jesosy sy ny zandriny vavy ary ny zandriny lahy, mipetraka manodidina ny latabatra

      “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ao anatiko lalina ao ny lalànao.”​—Salamo 40:8

      Fanontaniana: Taiza i Jesosy no hitan’i Josefa sy Maria? Nahoana izy no tany?

      Matio 13:55, 56; Marka 6:3; Lioka 2:40-52; 4:16; Deoteronomia 16:15, 16

  • Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Jaona Mpanao Batisa, mampianatra olona eo amoron’ny Reniranon’i Jordana

      LESONA 73

      Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy

      Lasa mpaminany i Jaona, zanak’i Zakaria sy Elizabeta, rehefa lehibe. Nasain’i Jehovah nampianatra ny olona izy hoe efa ho avy ny Mesia. Tsy nampianatra tany amin’ny synagoga na tao an-tanàna anefa izy, fa nitory tany an-tany efitra. Tonga hihaino azy ny olona avy any Jerosalema sy eran’i Jodia. Nampianarin’i Jaona hoe tsy tokony hanao ratsy intsony ry zareo raha te hampifaly an’Andriamanitra. Be dia be no nibebaka rehefa avy nihaino azy, ka nataony batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana.

      Tsotra ny fiainan’i Jaona. Vita tamin’ny volon-drameva ny akanjony, ary valala sy tantelidia no sakafony. Te hahafantatra azy ny olona. Na ny Fariseo sy ny Sadoseo nanambony tena aza tonga tany aminy koa. Hoy i Jaona tamin-dry zareo: ‘Mila miova sy mibebaka ianareo. Tsy hoe miavaka ianareo raha miteny hoe: “Zanak’i Abrahama izahay.” Tsy midika mihitsy izany fa zanak’Andriamanitra ianareo.’

      Be dia be no tonga tany amin’i Jaona dia nanontany hoe: ‘Inona no tokony hataonay mba hampifaliana an’Andriamanitra?’ Dia hoy i Jaona: ‘Raha manana akanjo roa ianareo, dia mba omeo an’izay tsy manana ny iray.’ Hainao ve hoe maninona izy no niteny an’izany? Tiany ho fantatry ny mpianany fa tsy maintsy tia olona ry zareo vao ho faly amin-dry zareo Andriamanitra.

      Hoy i Jaona tamin’ny mpanangona hetra: ‘Manaova ny marina, dia aza manambaka olona.’ Hoy kosa izy tamin’ny miaramila: ‘Aza manao kolikoly, dia aza mandainga.’

      Tonga nanontany an’i Jaona koa ny mpisorona sy ny Levita, hoe: ‘Fa iza kay ianao? Te hahafantatra an’izany ny olona rehetra.’ Dia hoy i Jaona: ‘Izaho ilay miantsoantso any an-tany efitra mba hahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah, araka ny efa nolazain’i Isaia mialoha.’

      Tena tian’ny olona ny zavatra nampianarin’i Jaona. Be dia be no nieritreritra hoe mety ho izy no Mesia. Hoy anefa izy: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy. Tsy mendrika ny hamaha ny kapany akory aza aho. Izaho manao batisa amin’ny rano, fa izy kosa hanao batisa amin’ny fanahy masina.’

      “Tonga mba ho vavolombelona hanambara an’ilay hazavana izy, mba ho amin’ny alalany no hinoan’ny karazan’olona rehetra.”​—Jaona 1:7

      Fanontaniana: Nahoana i Jaona no nirahin’i Jehovah? Tian’ny olona ve ny zavatra notorin’i Jaona?

      Matio 3:1-11; Marka 1:1-8; Lioka 3:1-18; Jaona 1:19-28; Isaia 40:3

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara