-
Nanadio ny Tempoly Indray IzyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 103
Nanadio ny Tempoly Indray Izy
MATIO 21:12, 13, 18, 19 MARKA 11:12-18 LIOKA 19:45-48 JAONA 12:20-27
NOZONIN’I JESOSY ILAY AVIAVY ARY NODIOVINY NY TEMPOLY
TSY MAINTSY MATY I JESOSY MBA HANANA FIAINANA NY OLONA MARO
Efa nijanona telo alina tao Betania i Jesosy sy ny mpianany, hatramin’ny nahatongavany avy tany Jeriko. Vao maraim-be izy ireo dia nankany Jerosalema, ny alatsinainy 10 Nisana. Noana i Jesosy. Nahita aviavy naniry izy ary nankeny. Nisy voany ve ilay izy?
Faramparan’ny Martsa tamin’izay, nefa volana Jona vao fotoanan’ny aviavy. Nitsimoka aloha kokoa anefa ilay hazo ka efa nisy raviny. Nihevitra àry i Jesosy fa efa mamoa koa ilay izy. Tsy nahita voany anefa izy. Namitaka fotsiny ireo ravina. Hoy àry i Jesosy: “Aoka tsy hisy hihinana voa avy aminao intsony mandrakizay.” (Marka 11:14) Nanomboka nalazo avy hatrany ilay hazo. Ny ampitso maraina vao fantatra ny dikan’izany.
Tsy ela dia tonga tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany. Nankao amin’ny tempoly izy. Efa nijerijery tao izy ny omalin’io. Tsy nijerijery fotsiny izy tamin’ity indray mandeha ity fa nanao zavatra, toy ny nataony tamin’ny Paska taona 30, izany hoe telo taona talohan’izay. (Jaona 2:14-16) “Nandroaka an’izay nivarotra sy nividy tao” izy ary “nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.” (Marka 11:15) Tsy nisy navelany hitondra entana hanivaka teo an-tokotanin’ny tempoly koa aza.
Nahoana i Jesosy no hentitra be tamin’ireo mpanakalo vola sy mpivarotra biby tao amin’ny tempoly? Hoy izy: “Moa ve tsy voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra’? Fa ianareo kosa nanao azy ho lava-bato fieren-jiolahy.” (Marka 11:17) Nantsoiny hoe jiolahy ireo olona ireo satria nataon’izy ireo lafo loatra ny vidin’ny biby nilaina tamin’ny sorona. Nihevitra azy ireo ho mpanao an-keriny na mpandroba i Jesosy.
Nandre izay nataon’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ireo lohandohany tamin’ny vahoaka. Nitady hevitra indray àry izy ireo mba hamonoana azy. Nisy olana anefa. Tsy nahita fomba hamonoana an’i Jesosy izy ireo satria nitangorona mba hihaino azy ny olona.
Tsy ny Jiosy ihany no tonga hankalaza ny Paska fa ireo olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy koa. Nisy Grika tonga mba hivavaka nandritra an’ilay fety. Nanatona an’i Filipo izy ireo, angamba satria anarana grika ilay hoe Filipo. Nangataka ny hihaona tamin’i Jesosy izy ireo. Tsy nahazo antoka i Filipo hoe nety izany ka nanontany an’i Andrea izy. Toa mbola tao amin’ny tempoly i Jesosy ka niresaka taminy izy roa lahy.
Fantatr’i Jesosy fa andro vitsivitsy sisa dia ho faty izy. Hitany àry fa tsy fotoana fampifaliana an’ireo te hahalala zavatra tamin’izay na fotoana fitadiavana laza. Nilaza an’ity fanoharana ity izy mba hamaliana an’ireo apostoly roa: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy latsaka amin’ny tany ny voa ka maty, dia mitoetra ho voa iray monja izy. Fa raha maty kosa izy, dia mamokatra betsaka.”—Jaona 12:23, 24.
Mety ho toa tsy misy dikany ny voa iray. Toy ny hoe “maty” izy io rehefa atao ao anaty tany satria tsy azo lazaina hoe voa intsony. Afaka maniry anefa izy io ary mitombo, ka lasa misy voany maro be. Toy izany koa i Jesosy. Lavorary izy ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny. Afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona maro mahafoy tena toa azy àry izy. Hoy izy: “Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 12:25.
Tsy ny tenany ihany no noeritreretin’i Jesosy teo, satria hoy izy: “Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay misy ahy no hisy ny mpanompoko koa. Izay manompo ahy dia homen’ny Ray voninahitra.” (Jaona 12:26) Valisoa lehibe tokoa izany! Hiara-manjaka amin’i Kristy ireo homen’ny Rainy voninahitra.
Hoy i Jesosy rehefa nieritreritra fa hijaly mafy sy hanaintaina be izy rehefa ho faty: “Mitebiteby mafy aho izany! Koa inona àry no holazaiko? Ray ô, vonjeo ho afaka amin’ity ora ity aho.” Tsy midika anefa izany hoe tsy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, satria hoy izy: “Nefa dia ho amin’ity ora ity no nahatongavako.” (Jaona 12:27) Nekeny daholo izay nokasain’Andriamanitra, anisan’izany ny fahafatesany ho sorona.
-
-
Naneho Finoana ve ny Jiosy Rehefa Nandre ny Feon’Andriamanitra?I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 104
Naneho Finoana ve ny Jiosy Rehefa Nandre ny Feon’Andriamanitra?
MARO NO NANDRE NY FEON’ANDRIAMANITRA
INONA NO FOTOTRA HITSARANA NY OLONA?
Niresaka momba ny hahafatesany i Jesosy tao amin’ny tempoly, ny alatsinainy 10 Nisana. Efa akaiky izany ary nanahy izy hoe inona no ho vokatr’izany eo amin’ny anaran’ny Rainy. Hoy àry izy: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Nisy feo mafy avy tany an-danitra namaly hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.”—Jaona 12:27, 28.
Very hevitra ireo nandre izany. Nisy nihevitra hoe kotroka no ren’izy ireo. Hoy kosa ny hafa: “Nisy anjely niteny taminy.” (Jaona 12:29) I Jehovah anefa no ren’izy ireo niteny. Tsy vao tamin’io no nisy olona nandre ny feon’Andriamanitra, nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany.
Natao batisa i Jesosy telo taona sy tapany talohan’izay ary ren’i Jaona Mpanao Batisa ny feon’Andriamanitra. Hoy ilay feo momba an’i Jesosy: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” Nandre ny feon’Andriamanitra koa i Jakoba sy Jaona ary Petera, taorian’ny Paska taona 32. Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo i Jesosy tamin’izay ary hoy Andriamanitra: “Io no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.” (Matio 3:17; 17:5) Maro kosa no nandre ny feon’i Jehovah niteny, tamin’ity fanintelony ity.
Hoy i Jesosy: “Tsy ho ahy no nahatongavan’izany feo izany, fa ho anareo.” (Jaona 12:30) Nanaporofo ilay feo fa tena Zanak’Andriamanitra sy Mesia nambara mialoha i Jesosy.
Tsy nivadika i Jesosy ka tsy tokony hivadika koa ny olona. Hita amin’ny fiainan’i Jesosy koa fa tena mendrika ny horinganina i Satana Devoly, ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Hoy i Jesosy: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” Tsy ho faharesena ilay fahafatesan’i Jesosy efa akaiky fa ho fandresena. Nahoana? Hoy izy: ‘Izaho anefa, rehefa hasandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny karazan’olona rehetra ho amiko.’ (Jaona 12:31, 32) Afaka mitaona ny olona ho aminy i Jesosy noho ny fahafatesany teo amin’ny tsato-kazo, ka lasa misy olona afaka miaina mandrakizay.
Hoy ny vahoaka rehefa nilaza i Jesosy fa “hasandratra” izy: “Renay tamin’ny Lalàna fa haharitra mandrakizay i Kristy, koa nahoana ianao no milaza fa tsy maintsy asandratra ny Zanak’olona? Fa iza izany Zanak’olona izany?” (Jaona 12:34) Efa nahita porofo maro ny vahoaka ary nandre ny feon’Andriamanitra mihitsy. Tsy nanaiky anefa ny ankamaroany hoe Zanak’olona tokoa i Jesosy sady Mesia nampanantenaina.
Efa nilaza i Jesosy tany aloha fa ‘fahazavana’ izy. (Jaona 8:12; 9:5) Hoy izy tamin’ny vahoaka: “Kely sisa no itoeran’ny mazava eo aminareo. Mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, mba tsy ho resin’ny haizina ianareo. ... Minoa ny mazava dieny mbola eo aminareo izy, mba ho tonga zanaky ny mazava ianareo.” (Jaona 12:35, 36) Niala teo izy avy eo, satria mbola tsy tokony ho faty ny 10 Nisana. Tamin’ny Paska 14 Nisana izy vao ‘nasandratra’ na nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo.—Galatianina 3:13.
Rehefa dinihina ny fanompoan’i Jesosy, dia hita fa fahatanterahan’ny faminaniana ilay hoe tsy hino azy ny Jiosy. Naminany i Isaia fa ho jamba ny mason’ilay vahoaka ary ho donto ny fony ka tsy hiverina izy ireo ary tsy ho sitrana. (Isaia 6:10; Jaona 12:40) Mafy loha ny ankamaroan’ny Jiosy ka nanda ny porofo hoe i Jesosy ilay Mpanafaka nampanantenaina, na ilay lalana mankany amin’ny fiainana.
Nino an’i Jesosy tokoa i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia ary ny olona ambony hafa. Hanao zavatra mba hanehoana finoana ve anefa izy ireo? Sa hiahotra satria matahotra ny ho voaroaka ao amin’ny synagoga na tia “ny voninahitra avy tamin’ny olona”?—Jaona 12:42, 43.
Nohazavain’i Jesosy izay tafiditra amin’ny hoe mino azy. Hoy izy: “Izay mino ahy, dia tsy izaho ihany no inoany, fa ilay naniraka ahy. Ary izay mahita ahy, dia mahita an’ilay naniraka ahy.” Iankinan’ny aina ny fahamarinana notorin’i Jesosy sy nasain’Andriamanitra nampianariny. Afaka nilaza àry izy hoe: “Izay mandà ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy. Ny teny nolazaiko no hitsara azy amin’ny andro farany.”—Jaona 12:44, 45, 48.
Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko. Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay.” (Jaona 12:49, 50) Fantatr’i Jesosy fa tsy ho ela izy dia handatsaka ny rany ho sorona ho an’ireo maneho finoana azy.—Romanina 5:8, 9.
-