-
Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny FinoanaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 105
Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana
MATIO 21:19-27 MARKA 11:19-33 LIOKA 20:1-8
NAMPIASAINA MBA HAMPIANARANA MOMBA NY FINOANA ILAY AVIAVY NALAZO
NISY NANOHITRA NY FAHEFAN’I JESOSY
Niala tao Jerosalema i Jesosy ny alatsinainy tolakandro ka niverina tany Betania, teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva. Azo inoana fa tao amin-dry Lazarosy sy Maria ary Marta namany izy, nandritra ny alina.
Nankany Jerosalema indray i Jesosy sy ny mpianany ny ampitso, izany hoe ny 11 Nisana maraina. Tamin’io i Jesosy no farany nankao amin’ny tempoly. Io koa no andro farany nitoriany tamin’ny vahoaka, talohan’ny nankalazany ny Paska sy nanaovany ny Fahatsiarovana voalohany ary ny nitsarana sy namonoana azy.
Nahita an’ilay hazo nozonin’i Jesosy ny omalin’io i Petera, rehefa nandalo teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo. Hoy izy: “Raby ô, jereo fa nalazo ilay aviavy nozoninao.”—Marka 11:21.
Nahoana no nozonin’i Jesosy mba halazo ilay aviavy? Hoy izy nanazava ny antony: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha mba manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia ho vitanareo izay nataoko tamin’ilay aviavy. Ary tsy izany ihany fa raha hilaza amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, dia hitranga tokoa izany. Ary ho azonareo izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, rehefa manam-pinoana ianareo.” (Matio 21:21, 22) Naveriny indray àry ilay hevitra hoe mahafindra tendrombohitra ny finoana.—Matio 17:20.
Nozonin’i Jesosy àry ilay hazo, mba hampianarana ny mpianany hoe ilaina ny mino an’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha ny amin’izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo sahady izany, dia ho azonareo izany.” (Marka 11:24) Lesona lehibe ho an’izay rehetra manara-dia an’i Jesosy io. Ny apostoly no tena nila an’izany satria niatrika fitsapana izy ireo tsy ela taorian’izay. Mbola misy zavatra hafa ifandraisan’ilay aviavy nalazo sy ny finoana anefa.
Namitaka ny endrik’ilay aviavy, ary toy izany koa ny firenen’Israely. Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra izy ireo, ary hoatran’ny hoe nankatò ny Lalàny raha nojerena ivelany. Hita anefa fa sady tsy nanam-pinoana ilay firenena no tsy namokatra voa tsara, tamin’ny ankapobeny. Ny Zanak’Andriamanitra aza nolaviny! Nozonin’i Jesosy mba halazo àry ilay aviavy tsy namokatra, mba hampisehoana an’izay hiafaran’io firenena tsy nanam-pinoana sy tsy namokatra io.
Tonga tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany taoriana kelin’izay. Nankao amin’ny tempoly sy nampianatra tao i Jesosy araka ny fanaony. Nety ho mbola tao an-tsain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ny nataon’i Jesosy tamin’ireo mpanakalo vola, iray andro talohan’io. Nanohitra azy àry izy ireo ka nanontany hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao ny fahefana hanao an’izao?”—Marka 11:28.
Hoy i Jesosy: “Hanontany zavatra iray aminareo aho. Koa raha valianareo aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao. Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa? Mba valio aho.” Ireo nanontany indray no nanontaniana. Nikaon-doha mba hamaly an’i Jesosy ny mpisorona sy anti-panahy. Hoy izy ireo: “Raha hoy isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza izy hoe: ‘Nahoana àry ianareo no tsy nino azy?’ Ho sahintsika anefa ve ny hilaza hoe: ‘Avy amin’ny olona’?” Natahotra ny vahoaka mantsy izy ireo “satria nihevitra an’i Jaona ho tena mpaminany ny vahoaka rehetra.”—Marka 11:29-32.
Tsy hitan’ireo mpanohitra izay valiny tokony holazaina, ka hoy izy ireo: “Tsy fantatray.” Hoy àry i Jesosy: “Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”—Marka 11:33.
-
-
Fanoharana Roa Momba ny TanimboalobokaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 106
Fanoharana Roa Momba ny Tanimboaloboka
MATIO 21:28-46 MARKA 12:1-12 LIOKA 20:9-19
FANOHARANA MOMBA NY ZANAKA ROA LAHY
FANOHARANA MOMBA NY MPAMBOLY VOALOBOKA
Vao nanontany an’i Jesosy ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona hoe iza no nanome azy fahefana hanao zavatra. Tsy nahateny izy ireo noho ny valin-tenin’i Jesosy. Nilaza fanoharana nampiharihary ny toetran’izy ireo i Jesosy avy eo.
Hoy izy: “Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny hoe: ‘Andeha, anaka, miasa any an-tanimboaloboka anio.’ Ary namaly io hoe: ‘Eny, tompoko, handeha aho’, nefa tsy nandeha izy. Dia nankeo amin’ny faharoa ralehilahy ka niteny toy izany koa. Fa hoy ny navalin’io: ‘Tsy handeha aho.’ Nanenina anefa izy nony avy eo, ka nandeha ihany. Iza amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?” (Matio 21:28-31) Mazava hoe ilay faharoa, satria nandeha ihany izy.
Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanohitra azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena.” Toa an’ilay zanaka faharoa ny mpamory hetra sy mpivaro-tena. Tsy nanompo an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nibebaka ka lasa nanompo azy. Toa an’ilay zanaka voalohany kosa ny mpitondra fivavahana, satria nilaza ho nanompo an’Andriamanitra nefa tsy tena nanao an’izany. Hoy àry i Jesosy: “Tonga teo aminareo i Jaona [Mpanao Batisa] nampianatra ny lalan’ny fahamarinana, kanefa tsy nino azy ianareo, fa ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena kosa nino azy. Ary na nahita izany aza ianareo, dia tsy nanenina avy eo, mba hahafahanareo hino azy.”—Matio 21:31, 32.
Nilaza fanoharana hafa i Jesosy mba hampisehoana fa ratsy fanahy koa ireo mpitondra fivavahana. Hoy izy: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka, ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo. Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io, ary lasa nankany an-tany hafa izy. Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ireo mpamboly izy mba handray ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’ireo. Nalain’ireo anefa ilay mpanompo ka nokapohiny, dia nalefany nody maina. Naniraka mpanompo hafa indray ralehilahy ho any amin’ireo mpamboly, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka. Ary naniraka olon-kafa indray ralehilahy, nefa novonoin’ireo ho faty iny. Mbola naniraka hafa koa izy, fa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.”—Marka 12:1-5.
Azon’ireo mpihaino ve ilay fanoharana? Tadidin’izy ireo angamba ilay tenin’i Isaia hoe: “Ny taranak’Israely no tanimboalobok’i Jehovah Tompon’ny tafika, ary ny mponin’i Joda no tanimboly tena tiany. Nanantena foana izy fa hisy fitsarana ara-drariny, kanjo fandikan-dalàna no hitany!” (Isaia 5:7) Mitovy amin’io ilay fanoharan’i Jesosy. I Jehovah no tompon’ilay tanimboaloboka, ny firenen’Israely no tanimboaloboka, ary ny Lalàn’Andriamanitra no fefy niaro azy ireo. Naniraka mpaminany i Jehovah mba hampianatra ny vahoakany sy hanampy azy ireo hamoa voa tsara.
Nampijalin’ireo “mpamboly” sy novonoiny ho faty anefa ireo ‘mpanompo’ nirahina tany aminy. Hoy i Jesosy: “Iray sisa no teo [amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka], dia ny zanany malalany, ka io no nirahiny farany tany amin’ireo, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako ireo.’ Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova. Andao hovonointsika izy dia ho antsika ny lova!’ Koa nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty.”—Marka 12:6-8.
Hoy i Jesosy avy eo: “Koa inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka?” (Marka 12:9) Namaly ireo mpitondra fivavahana hoe: “Ho loza tokoa ny handringanany azy, satria ratsy fanahy ireo. Ary ny tanimboaloboka dia hampanofainy amin’ny mpamboly hafa, izay hanome azy ny vokatra amin’ny fotoam-piotazana.”—Matio 21:41.
Nanameloka ny tenany àry ireo mpitondra fivavahana, na dia tsy fanahy iniany aza. Anisan’ny “mpamboly” niasa teo amin’ny ‘tanimboalobok’i’ Jehovah, na ny firenen’Israely, izy ireo. Rariny i Jehovah raha nanantena azy ireo hamoa voa tsara, anisan’izany ny finoana ny Zanany na ny Mesia. Nijery azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: “Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra, ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’?” (Marka 12:10, 11) Hoy àry i Jesosy: “Izany no antony ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.”—Matio 21:43.
Takatry ny mpanora-dalàna sy ny lehiben’ny mpisorona fa izy ireo “no tao an-tsain’i Jesosy tamin’io fanoharana io.” (Lioka 20:19) Vao mainka àry izy ireo te hamono azy, satria izy ilay manan-jo ho “mpandova.” Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo ka tsy sahy namono an’i Jesosy tamin’io fotoana io. Nihevitra azy ho mpaminany mantsy ny vahoaka.
-
-
Nanasa Olona Hanatrika Fanasambe Amin’ny Fampakaram-bady Ilay MpanjakaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 107
Nanasa Olona Hanatrika Fanasambe Amin’ny Fampakaram-bady Ilay Mpanjaka
FANOHARANA MOMBA NY FANASAMBE AMIN’NY FAMPAKARAM-BADY
Rehefa hifarana ny fanompoan’i Jesosy, dia nilaza fanoharana foana izy mba hampiharihariana ny faharatsian’ireo mpanora-dalàna sy lehiben’ny mpisorona. Te hamono azy àry izy ireo. (Lioka 20:19) Mbola te hampiseho ny faharatsian’izy ireo izy, ka nilaza izao fanoharana izao:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray nanao fanasambe tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy. Ary nirahiny ny mpanompony hiantso an’ireo nasaina ho amin’ilay fanasambe, kanefa tsy nety ireo nasaina.” (Matio 22:2, 3) Nilaza hoe “fanjakan’ny lanitra” i Jesosy teo am-piandohan’ilay fanoharany. Tsy maintsy ho i Jehovah Andriamanitra àry ilay “mpanjaka.” Tonga dia mazava koa hoe ilay Zanak’i Jehovah nilaza an’ilay fanoharana no zanaky ny mpanjaka. Ireo nasaina kosa dia ireo hiara-manjaka amin’ilay Zanaka ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Iza ireo nasaina voalohany? Iza no voalohany nitorian’i Jesosy sy ny apostoly momba an’ilay Fanjakana? Ny Jiosy. (Matio 10:6, 7; 15:24) Nanaiky hanao ny fifaneken’ny Lalàna ny Jiosy tamin’ny 1513 T.K. ka ny fireneny no voalohany afaka ny ho anisan’ilay “fanjaka-mpisorona.” (Eksodosy 19:5-8) Oviana izy ireo no nantsoina ho amin’ilay ‘fampakaram-bady’? Hita fa nanomboka tamin’ny taona 29 izany, rehefa nanomboka nitory momba ny Fanjakan’ny lanitra i Jesosy.
Ahoana no nataon’ny ankamaroan’ny Israelita rehefa nasaina? Nilaza i Jesosy fa “tsy nety” nandeha izy ireo. Tsy neken’ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka hoe i Jesosy no Mesia sy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra.
Mbola afaka niova hevitra anefa ny Jiosy, satria hoy i Jesosy: “Naniraka mpanompo hafa indray [ilay mpanjaka], ka nilaza hoe: ‘Lazao amin’ireo nasaina hoe: “Efa voaomako ny sakafo antoandro, ary efa voavono ny ombiko sy ny biby nohataveziko, ka vonona ny zava-drehetra. Koa tongava atỳ amin’ny fanasambe.”’ Tsy niraharaha anefa ireo nasaina fa ny iray lasa nankany amin’ny sahany, ny iray nandeha nivarotra, ary ny sisa nisambotra an’ireo mpanompo, ka nanompa sy nampijaly azy ary namono azy ho faty.” (Matio 22:4-6) Nitranga izany tamin’ny vao niorina ny fiangonana kristianina. Mbola afaka ny ho anisan’ilay Fanjakana ny Jiosy tamin’io fotoana io. Nanda an’ilay fanasana anefa ny ankamaroany, ary nampijaly ny ‘mpanompon’ilay mpanjaka.’—Asan’ny Apostoly 4:13-18; 7:54, 58.
Inona no vokatr’izany teo amin’ilay firenena? Hoy i Jesosy: “Tezitra ny mpanjaka ka nandefa ny tafiny, ary nandringana an’ireo mpamono olona ireo sy nandoro ny tanànany.” (Matio 22:7) Nitranga izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema ‘tanànan’ny Jiosy.’
Tsy nisy azo nasaina intsony àry ve? Mbola nisy satria hoy i Jesosy: “Ary hoy [ilay mpanjaka] tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona tanteraka ny fanasambe, kanefa tsy mendrika ireo nasaina. Koa mandehana eny amin’ny lalana mankeny ivelan’ny tanàna, ary asao ho amin’ny fanasambe izay rehetra hitanareo.’ Dia lasa nankeny an-dalana ireo mpanompo ireo ka nanangona izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy. Ary feno olona nandry ilika hisakafo ilay efitra fanaovana fampakaram-bady.”—Matio 22:8-10.
Nitranga izany rehefa nampian’ny apostoly Petera ho lasa Kristianina ireo tsy Jiosy sy ireo tsy nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Nahazo ny fanahy masina i Kornelio manamboninahitra romanina sy ny fianakaviany tamin’ny taona 36. Lasa afaka ny ho ao amin’ilay Fanjakan’ny lanitra noresahin’i Jesosy koa àry izy ireo.—Asan’ny Apostoly 10:1, 34-48.
Nasehon’i Jesosy fa tsy ireo rehetra tonga tao amin’ilay fanasambe no nankasitrahan’ilay “mpanjaka.” Hoy izy: “Rehefa niditra ny mpanjaka mba hijery ireo nasaina, dia nahita lehilahy iray tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady izy. Koa hoy izy taminy: ‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra tato, nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Tsy nahateny ralehilahy. Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tanany sy ny tongony ka atsipazo ho any amin’ny haizina any ivelany izy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’ Fa maro no asaina, nefa vitsy no fidina.”—Matio 22:11-14.
Nety ho tsy azon’ireo mpitondra fivavahana nihaino an’i Jesosy ny tiany holazaina sy izay nety ho vokatry ny teniny. Tezitra anefa izy ireo ary vao mainka tapa-kevitra ny hamono an’ilay nahatonga azy ireo ho afa-baraka.
-
-
Vitan’i Jesosy ny Niala Tamin’ny Fandrik’ireo Nanohitra AzyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 108
Vitan’i Jesosy ny Niala Tamin’ny Fandrik’ireo Nanohitra Azy
MATIO 22:15-40 MARKA 12:13-34 LIOKA 20:20-40
ALOAVY AMIN’I KAISARA IZAY AN’I KAISARA
FANAMBADIANA SY FITSANGANANA AMIN’NY MATY
NY DIDY LEHIBE INDRINDRA
Tezitra ny mpanohitra an’i Jesosy, satria nilaza fanoharana mampiharihary ny faharatsian’izy ireo izy. Nanao tetika àry ny Fariseo ka nanakarama ny mpianatr’izy ireo mba hamandrika azy. Nataony izay hitenenan’i Jesosy zavatra azo iampangana azy any amin’ny governora romanina.—Lioka 6:7.
Hoy izy ireo: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mizaha tavan’olona ianao, fa marina ny fampianaranao ny lalan’Andriamanitra. Koa azo atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin’i Kaisara?” (Lioka 20:21, 22) Tsy voafandrik’ilay fandokafana i Jesosy. Fantany fa mpihatsaravelatsihy sy fetsy izy ireo. Ho azon’izy ireo ampangaina ho mikomy amin’ny Romanina i Jesosy raha nilaza hoe ‘tsy tokony handoa hetra.’ Raha niteny indray izy hoe ‘tokony handoa hetra’, dia nety ho diso fandray ny teniny ny olona ka hanohitra azy satria izy ireo tsy te hofehezin’ny Romanina.
Hoy àry i Jesosy: “Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy? Asehoy ahy ny vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy.” Nitondra denaria iray ireo, ka hoy izy: “Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?” Hoy ireo: “An’i Kaisara.” Nilaza toromarika mety tsara i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Matio 22:18-21.
Nahay namaly i Jesosy ka gaga izy ireo sady tsy nahita holazaina ary lasa. Mbola nisy niezaka namandrika azy anefa avy eo. Ny Sadoseo indray no nanatona azy rehefa tsy nahafandrika azy ny Fariseo.
Tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty ny Sadoseo. Nanontany momba an’izany sy momba ny fitondrana loloha àry izy ireo, ka nanao hoe: “Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe: ‘Raha misy lehilahy maty tsy niteraka, dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’ Koa nisy fito mirahalahy teto aminay. Nanambady ilay voalohany, ary maty. Tsy niteraka anefa izy ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny. Toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito. Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. Koa rehefa hitsangana ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ravehivavy? Fa efa samy nanambady azy daholo izy rehetra.”—Matio 22:24-28.
Nanaiky ny asa soratr’i Mosesy ny Sadoseo, ka naka teny avy tao i Jesosy. Hoy izy: “Diso hevitra ianareo satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra. Fa rehefa hitsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra. Raha ny amin’ny maty izay hatsangana, tsy novakinareo ve ny ao amin’ny bokin’i Mosesy, tao amin’ny fitantarana momba ilay voaroy, dia ny nilazan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona. Koa diso hevitra mihitsy ianareo.” (Marka 12:24-27; Eksodosy 3:1-6) Nampitolagaga ny vahoaka ny valin-teniny.
Vitan’i Jesosy ny nampangina ny Fariseo sy Sadoseo, ka niray hina mba hitsapa azy indray izy ireo. Hoy ny mpanora-dalàna iray: “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”—Matio 22:36.
Namaly i Jesosy hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Tsy misy didy lehibe noho ireo.”—Marka 12:29-31.
Hoy àry ilay mpanora-dalàna: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy afa-tsy Izy.’ Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny fahaiza-misaina manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.” Tsy diso ny teniny, ka hoy i Jesosy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”—Marka 12:32-34.
Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy nandritra ny telo andro, izany hoe ny 9 sy 10 ary 11 Nisana. Faly nihaino azy ny olona sasany, toa an’ilay mpanora-dalàna. Tsy toy izany kosa ny mpitondra fivavahana. ‘Tsy sahy nanontany azy intsony’ izy ireo.
-
-
Nomelohin’i Jesosy Ireo Mpanohitra AzyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 109
Nomelohin’i Jesosy Ireo Mpanohitra Azy
MATIO 22:41–23:24 MARKA 12:35-40 LIOKA 20:41-47
ZANAK’IZA MOA I KRISTY?
NAHARIHARIN’I JESOSY FA MIHATSARAVELATSIHY IREO MPANOHITRA AZY
Tsy vitan’ireo mpanohitra ny nanala baraka an’i Jesosy sy ny namandrika azy mba ho azo atolotra ny Romanina. (Lioka 20:20) Mbola tao amin’ny tempoly i Jesosy ny 11 Nisana. Izy indray no nanontany azy ireo sy nampiharihary hoe iza marina izy. Hoy izy: “Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy? Zanak’iza moa izy?” (Matio 22:42) Hoy ireo: “Zanak’i Davida.” Efa fantatry ny rehetra mantsy fa ho avy amin’ny taranak’i Davida i Kristy, na ny Mesia.—Matio 9:27; 12:23; Jaona 7:42.
Hoy i Jesosy: “Nahoana àry i Davida no niantso azy hoe ‘Tompo’, araka ny nambaran’ny fanahy masina taminy, ka nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao”’? Koa raha niantso azy hoe ‘Tompo’ àry i Davida, ahoana no maha zanany azy?”—Matio 22:43-45.
Nanantena ny Fariseo fa mety hanafaka azy ireo amin’ny fifehezan’ny Romanina ny iray amin’ny taranak’i Davida. Nampiasa ny Salamo 110:1, 2 anefa i Jesosy mba hanaporofoana fa tsy mpitondra olombelona fotsiny ny Mesia. Niantso azy hoe Tompo i Davida ao. Hipetraka eo ankavanan’Andriamanitra izy ary hampihatra ny fahefany. Tsy nahateny ny mpanohitra noho ny valin-tenin’i Jesosy.
Niresaka tamin’ny mpianany sy ny olona maro teo i Jesosy avy eo. Nampirisihiny izy ireo mba hitandrina tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo, izay ‘nipetraka teo amin’ny toeran’i Mosesy’ mba hampianatra ny Lalàn’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, kanefa aza manao izay ataony, satria miteny izy nefa tsy manao.”—Matio 23:2, 3.
Noporofoin’i Jesosy avy eo fa mpihatsaravelatsihy ny Fariseo. Hoy izy: “Halehibeaziny ny azy ilay boaty ataony ody fiarovan-tena, izay misy andininy ao amin’ny Soratra Masina.” Nasian’ny Jiosy sasany boaty kely nisy andininy fohy avy tao amin’ny Lalàna ny handriny na ny sandriny. Nohalehibeazin’ny Fariseo anefa ny boatiny mba ho hita fa nazoto nitandrina ny Lalàna izy. Nasaina nanisy mikiramborambo tamin’ny morontongotr’akanjo koa ny Israelita, fa ny an’ny Fariseo nataony lava be. (Nomery 15:38-40) Te “ho hitan’ny olona” mantsy izy ireo.—Matio 23:5.
Nety ho te halaza koa ny mpianatr’i Jesosy ka hoy izy taminy: ‘Aza mety hantsoina hoe Raby ianareo, satria iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Aza mety hantsoina koa hoe “mpitarika” ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.’ Inona àry no tokony hataon’ireo mpianatra, ary ahoana no tokony hiheverany ny tenany? Hoy i Jesosy: “Izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo. Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Matio 23:8-12.
Nilaza loza misesisesy hanjo ny mpanohitra azy i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra, ka ianareo tsy miditra, ary izay miditra tsy avelanareo hiditra.”—Matio 23:13.
Nanameloka ny Fariseo i Jesosy. Tsy niraharaha an’izay noheverin’i Jehovah ho zava-dehibe mantsy izy ireo, fa nitsara araka ny heviny fotsiny. Hoy, ohatra, izy ireo: “Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly kosa, dia tsy maintsy mitana ny teny nataony izy.” Toy ny jamba izy ireo. Ny volamenan’ny tempoly mantsy no zava-dehibe kokoa taminy noho ny tempoly, izay toerana anompoana an’i Jehovah. Tsy noraharahain’izy ireo koa ‘izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.’—Matio 23:16, 23; Lioka 11:42.
Nilaza i Jesosy fa “mpitarika jamba” izy ireo. ‘Tantavanin’izy ireo ny moka amin’ny zava-pisotrony, nefa ateliny ny rameva.’ (Matio 23:24) Notantavaniny ny moka tamin’ny divay, satria nilaza ny Lalàna fa maloto ny moka. Toy ny nitelina rameva anefa izy ireo satria tsy niraharaha an’izay mavesa-danja kokoa tao amin’ny Lalàna. Maloto koa ny rameva, araka ny Lalàna, saingy lehibe lavitra noho ny moka.—Levitikosy 11:4, 21-24.
-
-
Ny Andro Farany Nankanesan’i Jesosy tao Amin’ny TempolyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 110
Ny Andro Farany Nankanesan’i Jesosy tao Amin’ny Tempoly
MATIO 23:25–24:2 MARKA 12:41–13:2 LIOKA 21:1-6
MBOLA NANAMELOKA AN’IREO MPITONDRA FIVAVAHANA I JESOSY
HO RAVA NY TEMPOLY
MPITONDRATENA MAHANTRA NANOME VOLA MADINIKA ROA
Mbola nahariharin’i Jesosy fa mpihatsaravelatsihy ny mpanora-dalàna sy Fariseo, tamin’ny andro farany nankanesany tao amin’ny tempoly. Notsoriny fa mpihatsaravelatsihy izy ireo, ka nilaza izao sarin-teny izao izy: “Diovinareo ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia, nefa ny ao anatiny feno zavatra norobaina sy feno fanaranam-po. Ry Fariseo jamba, diovy aloha ny atin’ny kaopy sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany.” (Matio 23:25, 26) Nitandrina be ny Fariseo mba hanaraka ny lalàna momba ny fahadiovana sady nataony tsara be ny fisehoany ivelany. Tsy nandinika ny toetrany anefa izy ireo sady tsy nanadio ny fony.
Nazoto nanorina sy nandravaka fasana ho an’ny mpaminany koa izy ireo. “Zanak’ireo namono ny mpaminany” anefa izy ireo, hoy i Jesosy. (Matio 23:31) Marina izany satria nitady hamono an’i Jesosy izy ireo. (Jaona 5:18; 7:1, 25) Mpihatsaravelatsihy tokoa izy ireo.
Nolazain’i Jesosy avy eo izay miandry an’ireo mpitondra fivavahana ireo raha tsy mibebaka izy ireo. Hoy izy: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?” (Matio 23:33) Fandoroana fako ny Lohasahan’i Hinoma (Gehena), izay tsy lavitra teo. Ilazana ny fandringanana mandrakizay miandry ny mpanora-dalàna sy Fariseo ratsy fanahy izy io.
Ho “mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso” hisolo tena an’i Jesosy ny mpianany. Ahoana no hitondran’ny olona azy ireo? Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana: ‘Ny [mpianatro] sasany hovonoinareo ho faty sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna. Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoinareo.’ Nampitandrina i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” (Matio 23:34-36) Tanteraka izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema ka Jiosy ana hetsiny no maty.
Nalahelo i Jesosy nieritreritra an’izany zavatra mahatsiravina izany ka hoy izy: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Hilaozana ny tranonareo ka havela ho anareo.” (Matio 23:37, 38) Azo antoka fa nieritreritra ny mpihaino hoe inona io ‘trano’ io. Nety ho ilay tempolin’i Jerosalema izay tsara tarehy sy toa narovan’Andriamanitra ve izy io?
Hoy i Jesosy avy eo: “Lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo manomboka izao, mandra-pilazanareo hoe: ‘Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!’ ” (Matio 23:39) Naka teny tao amin’ny Salamo 118:26 izy teo. Izao ilay faminaniana ao: “Hotahina anie Ilay ho tonga amin’ny anaran’i Jehovah! Avy ao an-tranon’i Jehovah no irarianay fitahiana ho anareo.” Mazava ho azy fa tsy nisy olona tonga tamin’ny anaran’i Jehovah intsony tao amin’ny tempoly rehefa rava izy io.
Nankao amin’ilay toerana nisy ny vata fandatsaham-bola tao amin’ny tempoly i Jesosy avy eo. Nisy lavaka kely fandatsahana fanomezana ny tampon’ireo vata. Nahita Jiosy maro nandatsaka vola i Jesosy ary anisan’izany ny mpanankarena izay “nandatsaka vola madinika be dia be.” Nandinika mpitondratena nahantra iray nandatsaka ‘vola madinika roa faran’izay kely vidy’ izy avy eo. (Marka 12:41, 42) Azo antoka fa fantany hoe tena nahafaly an’Andriamanitra ny fanomezan’ilay vehivavy.
Nantsoin’i Jesosy ny mpianany ary hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola.” Fa nahoana? Hoy i Jesosy: ‘Izy rehetra nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.’ (Marka 12:43, 44) Tena tsy nitovy tamin’ny an’ny mpitondra fivavahana ny toe-tsain’ilay vehivavy sy ny zavatra nataony.
Hoy ny mpianatra iray rehefa nandao ny tempoly i Jesosy tamin’io 11 Nisana io: “Mpampianatra ô, jereonao ange ireto vato sy trano ireto e!” (Marka 13:1) Tena lehibe ny vato sasany tamin’ny rindrin’ny tempoly, ka hoatran’ny hoe matanjaka sy haharitra ilay tempoly. Mahagaga àry ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hitanao ve ireo trano be ireo? Tsy havela hisy vato hifanaingina mihitsy eto ka tsy harodana.”—Marka 13:2.
Namakivaky ny Lohasahan’i Kidrona i Jesosy sy ny apostoly avy eo, ary niakatra teo amin’ny toerana iray teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Tafaraka tamin’i Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona teo i Jesosy, taorian’izay. Nahatazana an’ilay tempoly tsara tarehy izy ireo teo.
-
-
Nangataka Famantarana ny ApostolyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 111
Nangataka Famantarana ny Apostoly
MATIO 24:3-51 MARKA 13:3-37 LIOKA 21:7-38
NANGATAKA FAMANTARANA NY MPIANATRA EFATRA
TANTERAKA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY SY TATỲ AORIANA ILAY FAMANTARANA
TOKONY HO MAILO FOANA ISIKA
Talata tolakandro tamin’izay ary efa hifarana ny 11 Nisana. Efa hifarana koa ny fotoana nanaovan’i Jesosy asa mafy teto an-tany. Nampianatra tao amin’ny tempoly foana izy nandritra ny andro. Nitoetra tany ivelan’i Jerosalema kosa izy rehefa alina. Tena liana tamin’ny fampianarany ny olona ka ‘tonga vao maraina teo aminy tao amin’ny tempoly mba hihaino azy.’ (Lioka 21:37, 38) Taorian’izay, dia nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny apostoliny efatra, izany hoe i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona.
Nanatona azy mitokana izy efa-dahy. Nanahy momba ny tempoly izy ireo satria vao avy nilaza i Jesosy fa ho rava izy io ka tsy havela hisy vato hifanaingina eo aminy. Mbola nisy zavatra noeritreretin’izy ireo koa anefa. Efa nampirisika azy ireo i Jesosy taloha hoe: ‘Aoka ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’ (Lioka 12:40) Efa niresaka momba ilay “andro hampiharihariana ny Zanak’olona” koa izy. (Lioka 17:30) Nisy ifandraisany tamin’ny zavatra vao nolazainy momba ny tempoly ve ireo teniny ireo? Tena te hahafanta-javatra ireo apostoly. Hoy izy ireo: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—Matio 24:3.
Nety ho ny faharavan’ilay tempoly tazana tsy lavitra teo no tao an-tsain’izy ireo. Nanontany momba ny fanatrehan’ny Zanak’olona koa izy ireo. Tadidin’izy ireo angamba ilay fanoharan’i Jesosy momba ny “andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.” (Lioka 19:11, 12) Tian’izy ireo ho fantatra koa hoe inona no tafiditra amin’ilay hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”
Tamin’ny an-tsipiriany ny valin-tenin’i Jesosy. Nolazainy ny famantarana hoe rahoviana no ho rava ilay tontolo jiosy nisy tamin’izany, anisan’izany ny tempoly. Io famantarana io koa no hanampy ny Kristianina atỳ aoriana mba hahalala hoe rahoviana ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ sy hoe efa akaiky ve ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.
Hitan’ny apostoly hoe tanteraka ilay faminanian’i Jesosy rehefa nandeha ny fotoana. Tanteraka tamin’ny andron’izy ireo ny zavatra maro noresahiny. Efa vonona àry ireo Kristianina mailo tsara, rehefa nanakaiky ny fandravana ny tontolo jiosy sy ny tempoly tamin’ny taona 70, izany hoe 37 taona tatỳ aoriana. Tsy tanteraka tamin’ny taona 70 sy talohan’izay daholo anefa ny faminanian’i Jesosy. Ahoana àry no hahalalana fa efa manjaka izy ary manomboka ny fanatrehany? Nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoly ny valin’izany.
Nilaza i Jesosy fa hisy ‘ady sy filazana ady, hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.’ (Matio 24:6, 7) Nilaza koa izy fa “hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:11) Nampitandrina ny mpianany izy hoe: “Hisambotra sy hanenjika anareo ny olona.” (Lioka 21:12) Hisy mpaminany sandoka ary maro no ho voafitaka. Hitombo ny fandikan-dalàna ka hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro. Nilaza koa izy fa ‘hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.’—Matio 24:14.
Tanteraka nandritra ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema sy taloha kelin’izay ny ampahan’ilay faminanian’i Jesosy. Mbola nisy fahatanterahany lehibe kokoa ve anefa? Tsy hitanao ve ny porofo fa amin’ny androntsika no tanteraka ny ampahany lehibe indrindra amin’izy io?
Nilaza i Jesosy fa hisy “zava-maharikoriko mahatonga faharavana”, ary anisan’ny famantarana ny fanatrehany izany. (Matio 24:15) Nipoitra io zava-maharikoriko io tamin’ny taona 66. Tsy iza izy io fa ny miaramila romanina, izay nitondra faneva toy ny sampy. Nitoby nanodidina an’i Jerosalema izy ireo ary nanomboka nandrava ny mandany. (Lioka 21:20) Nitsangana tao amin’ny toerana tsy tokony hisy azy àry ilay “zava-maharikoriko”, izany hoe tao amin’ilay noheverin’ny Jiosy ho “toerana masina.”
Hoy koa i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70. Fahoriana lehibe tokoa tamin’izay satria olona ana hetsiny no maty, ary rava ilay ‘tanàna masin’ny’ Jiosy sy ny tempoly tao. (Matio 4:5; 24:21) Mbola tsy rava hoatr’izany ilay tanàna ary mbola tsy nahita hoatr’izany ny Jiosy. Nifarana tamin’io koa ny fivavahana narahin’izy ireo nandritra ny taonjato maro. Tena hahatsiravina àry ny zavatra hitranga any aoriana, rehefa ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa ilay faminanian’i Jesosy.
AZA MANARY TOKY NA HO SAROTRA AZA NY HOAVY
Mbola tsy tapitra ny zavatra tian’i Jesosy holazaina momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity. Nampitandrina ny apostoly izy mba tsy hanaraka “Kristy sandoka sy mpaminany sandoka.” Nilaza izy fa na ny “olom-boafidy” aza dia handraman’izy ireny hofitahina, “raha azony atao.” (Matio 24:24) Tsy ho voafitaka anefa ny olom-boafidy. Ho hita maso ireo Kristy sandoka, fa tsy ho hita maso kosa ny fanatrehan’i Jesosy.
Niresaka momba ny fahoriana lehibe kokoa hitranga amin’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy, ka hoy izy: “Ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” (Matio 24:29) Tsy fantatr’ireo apostoly nandre an’ireo teny mampihoron-koditra ireo hoe inona marina no hitranga. Azo antoka anefa fa hahatsiravina ilay izy.
Inona no ho vokatr’ireo zavatra mampihorohoro ireo amin’ny olona? Hoy i Jesosy: “Hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana. Fa hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” (Lioka 21:26) Ny fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantara no noresahin’i Jesosy teo.
Mampahery anefa fa nilaza tamin’ny apostoly i Jesosy hoe tsy ny rehetra no ho kivy rehefa ‘ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe ny Zanak’olona.’ (Matio 24:30) Efa nilaza izy fa hanao zavatra Andriamanitra “noho ny olom-boafidy.” (Matio 24:22) Inona àry no tokony ho tsapan’ireo mpianatra tsy mivadika ireo, rehefa nandre an’ireo zavatra mampahatahotra nolazain’i Jesosy? Nampahery azy ireo i Jesosy hoe: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mijoroa ka mitrakà fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”—Lioka 21:28.
Ahoana kosa no hahalalan’ireo mpianatr’i Jesosy hiaina amin’io fotoana io fa efa akaiky ny farany? Nilaza fanoharana momba ny aviavy i Jesosy. Hoy izy: “Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.”—Matio 24:32-34.
Tokony ho takatr’ireo mpianatra àry fa efa akaiky ny farany, rehefa miseho ireo lafiny maro amin’ilay famantarana. Te hampitandrina an’ireo mpianany hiaina amin’io fotoana miavaka io i Jesosy, ka niteny hoe:
“Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany. Fa toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Matio 24:36-39) Nampahatsiahy an’ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Jesosy teo. Nisy fiantraikany eran-tany izy io.
Azo antoka fa takatr’ireo apostoly nihaino an’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva fa tokony ho mailo foana izy ireo. Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”—Lioka 21:34-36.
Nasehon’i Jesosy indray fa tsy izay hitranga ao anatin’ny am-polony taona no tiany holazaina, na izay hitranga ao Jerosalema fotsiny, na hoe zavatra hahakasika ny Jiosy irery. Zavatra “ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo” kosa no tiany horesahina.
Nampirisika ny mpianany izy mba ho mailo foana sy hiambina ary ho vonona. Nanamafy an’izany izy ka nilaza ity fanoharana ity: ‘Fantaro izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina. Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’—Matio 24:43, 44.
Afaka ny hanana fanantenana anefa ny mpianatr’i Jesosy. Nanome toky azy ireo mantsy izy fa hisy “mpanompo” ho mailo sy hazoto hiasa, rehefa ho tanteraka ilay faminaniany. Niresaka zavatra mora azon’ny apostoly izy avy eo. Hoy izy: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.” Ahoana anefa raha lasa ratsy fanahy ilay “mpanompo” ka mampijaly ny mpanompo hafa? “Hanasazy azy faran’izay mafy” ny tompony.—Matio 24:45-51; ampitahao amin’ny Lioka 12:45, 46.
Tsy midika ireo tenin’i Jesosy ireo hoe hisy mpanara-dia azy ho lasa ratsy fanahy. Inona àry ny lesona tiany hampitaina tamin’ny mpianany? Tiany ho mailo sy hazoto hiasa foana izy ireo, araka ny hita ao amin’ny fanoharany iray hafa.
-
-
Mampianatra Antsika ho Mailo Ilay Fanoharana Momba ny VirjinyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 112
Mampianatra Antsika ho Mailo Ilay Fanoharana Momba ny Virjiny
NILAZA FANOHARANA MOMBA NY VIRJINY FOLO I JESOSY
Namaly ny fanontanian’ny apostoliny momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy. Mbola tao an-tsainy izany ka nilaza fanoharana iray hafa izy mba hampitandremana azy ireo. Hahita ny fahatanterahan’izy io ireo hiaina mandritra ny fanatrehany.
Toy izao no nanombohan’i Jesosy an’ilay fanoharana: “Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny jirony ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ny dimy adala, ary ny dimy malina.”—Matio 25:1, 2.
Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe adala ny antsasaky ny mpianatra handova an’ilay Fanjakana any an-danitra, ary ny antsasany ho malina. Te hilaza kosa izy fa afaka mifidy ny ho mailo na ho varimbariana ny mpianany tsirairay. Natoky anefa izy fa afaka ny tsy hivadika izy ireo ka hotahin’ny Rainy.
Samy nivoaka hitsena an’ilay mpampakatra ny virjiny folo ary te hanotrona azy. Handrehitra ny jirony mba hanazava ny lalana izy ireo rehefa tonga ilay mpampakatra. Te hanome voninahitra ny mpampakatra mantsy ireo virjiny rehefa hoentiny ao amin’ny trano efa nomanina ho azy ilay ampakarina. Inona anefa no nitranga?
Hoy i Jesosy: “Nitondra ny jirony ireo adala, nefa tsy nitondra menaka. Fa ireo malina kosa nitondra menaka tao anaty fitoerany sady nitondra ny jirony. Raha mbola naharitra ela ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka nandeha natory.” (Matio 25:3-5) Tsy tonga tamin’ny fotoana nantenain’izy ireo ilay mpampakatra. Toa elaela izy vao tonga ka resin-tory izy ireo. Nety ho tsaroan’ireo apostoly ilay tenin’i Jesosy momba ny andriandahy iray izay nandeha ka ‘niverina tatỳ aoriana, rehefa avy nandray fahefana hanjaka.’—Lioka 19:11-15.
Inona no nitranga rehefa tonga ilay mpampakatra tao amin’ilay fanoharana? Hoy i Jesosy: “Tamin’ny misasakalina, dia nisy niantsoantso hoe: ‘Iny ny mpampakatra! Mivoaha hitsena azy.’ ” (Matio 25:6) Mailo sy efa vonona ve anefa ireo virjiny?
Hoy ihany i Jesosy: “Ary nitsangana ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboamboatra ny jirony. Dia hoy ireo adala tamin’ireo malina: ‘Mba omeo amin’ny menakareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy anefa ny navalin’ireo malina: ‘Angamba ireto tsy ho ampy ho antsika, fa mandehana mividy any amin’ny mpivarotra ho anareo.’ ”—Matio 25:7-9.
Tsy mailo sy tsy vonona ho amin’ny fahatongavan’ilay mpampakatra àry ireo virjiny adala. Tsy ampy ny menaka nentiny ho an’ny jirony ka nila nitady izy ireo. Hoy i Jesosy: “Raha mbola lasa nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra. Niara-niditra taminy tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana. Taorian’izany dia tonga koa ireo virjiny hafa ka niteny hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay!’ Hoy ny navaliny: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy fantatro ianareo.’ ” (Matio 25:10-12) Voa mafy tokoa izy ireo satria tsy vonona sady tsy mailo.
Takatry ny apostoly fa i Jesosy ilay mpampakatra. Efa nampitaha ny tenany tamin’ny mpampakatra mantsy izy. (Lioka 5:34, 35) Ary ireo virjiny hendry? Hoy i Jesosy tamin’izy niresaka momba ny “ondry vitsy” izay homena ny Fanjakana: “Misikìna ary aoka hirehitra ny jironareo.” (Lioka 12:32, 35) Takatr’ireo apostoly àry fa ny mpianatra tsy mivadika toa azy ireo no nantsoin’i Jesosy hoe virjiny. Inona àry no tian’i Jesosy hampitaina tamin’io fanoharana io?
Notsorin’i Jesosy izany rehefa namarana an’ilay fanoharana izy. Hoy izy: “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”—Matio 25:13.
Te hilaza amin’ny mpanara-dia azy tsy mivadika àry i Jesosy fa mila ‘miambina hatrany’ izy ireo mandritra ny fanatrehany. Tena ho tonga izy ka tokony ho vonona sy ho mailo izy ireo, toa an’ireo virjiny malina. Ho zava-dehibe amin’izy ireo foana amin’izay ilay fanantenany ka ho azon’izy ireo ny valisoany.
-
-
Mampianatra Antsika Hazoto Ilay Fanoharana Momba ny TalentaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 113
Mampianatra Antsika Hazoto Ilay Fanoharana Momba ny Talenta
NILAZA FANOHARANA MOMBA NY TALENTA I JESOSY
Nilaza fanoharana hafa i Jesosy, raha mbola niaraka tamin’ireo apostoly efatra teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Efa nilaza fanoharana momba ny farantsa izy andro vitsivitsy talohan’izay, tao Jeriko. Nasehony tamin’izay fa mbola ho ela vao ho tonga ilay Fanjakana. Nisy itovizany tamin’ilay fanoharana momba ny farantsa ilay fanoharana nolazainy teto. Valin’ilay fanontaniana momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity koa izy io. Nasongadiny fa tsy maintsy mazoto mampiasa an’izay nankinina taminy ny mpianany.
Hoy i Jesosy: “Ny fanjakan’ny lanitra koa dia toy ny lehilahy iray efa handeha ho any an-tany hafa, ka nampiantso ny mpanompony mba hanankinany ny fananany.” (Matio 25:14) Efa nampitovy ny tenany tamin’ny lehilahy nankany an-tany hafa mba “handray fahefana hanjaka” izy. (Lioka 19:12) Mora tamin’ny apostoly àry ny nahalala hoe i Jesosy ilay “lehilahy” resahina eo.
Nankinin’ilay lehilahy tamin’ny mpanompony aloha ny harenany vao nandeha izy. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nimasoan’i Jesosy nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany. Nampiofana ny mpianany hanao an’io asa io koa izy. Handeha izy izao ka matoky fa hanohy an’ilay asa izy ireo.—Matio 10:7; Lioka 10:1, 8, 9; ampitahao amin’ny Jaona 4:38; 14:12.
Ahoana no nizaran’ilay lehilahy ny fananany? Hoy i Jesosy: “Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy.” (Matio 25:15) Nataon’ireo mpanompo inona ireo talenta? Nazoto nampiasa izany ve izy ireo mba hahazo tombony ilay tompony? Hoy ihany i Jesosy:
“Avy hatrany dia nandeha nampiasa ireo talenta dimy ilay nahazo izany, ka nahazo tombony dimy. Torak’izany koa fa nahazo tombony roa ilay nahazo talenta roa. Fa lasa nihady tany kosa ilay nahazo talenta iray monja, ka nanafina an’ilay farantsa volafotsin’ny tompony.” (Matio 25:16-18) Inona no nitranga rehefa niverina ilay tompo?
Hoy i Jesosy: “Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka an’ireo momba ny kaontim-bolany.” (Matio 25:19) Nanao izay rehetra azony natao “araka ny fahaizany avy” ireo mpanompo roa voalohany. Nazoto sy niasa mafy izy ireo ka nahazo tombony tamin’izay nankinina taminy. Samy nahazo tombony avo roa heny ilay nahazo talenta dimy sy ilay nahazo talenta roa. (Nila niasa 19 taona teo ho eo ny olona iray tamin’izany fotoana izany vao nahazo karama nitovy tamin’ny talenta iray.) Nitovy ny teny fiderana nolazain’ilay tompo tamin’izy ireo hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro. Miaraha mifaly amin’ny tomponao.”—Matio 25:21.
Tsy toy izany kosa anefa ilay mpanompo nomena talenta iray. Hoy izy: “Tompoko, fantatro fa olona sarotiny ianao, fa mijinja eny amin’izay tsy namafazanao ianao ary manangona eny amin’izay tsy nikororohanao. Koa natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany. Iny ny anao.” (Matio 25:24, 25) Tsy mba napetrany tany amin’ny banky akory ilay vola, sitrany ahay nahazo zana-bola ilay tompony. Nataony izay tsy hitomboan’ny fananan’ny tompony.
Rariny àry raha niantso azy hoe “mpanompo ratsy fanahy sady kamo” ilay tompony. Nalaina taminy ilay talenta ka nomena an’ilay mpanompo vonona hiasa mafy. Nametraka izao fitsipika izao ilay tompo avy eo: “Izay rehetra manana dia homena bebe kokoa ka hanana be dia be, fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza, dia halaina aminy.”—Matio 25:26, 29.
Nanan-javatra maro hosaintsainina ny mpianatra rehefa avy nandre an’io fanoharana io. Tsapan’izy ireo fa tena sarobidy ilay tombontsoa hanao mpianatra, izay nankinin’i Jesosy taminy. Tian’i Jesosy koa raha mazoto manao io asa io izy ireo. Tsy manantena anefa izy hoe tsy maintsy hitovy ny vitan’izy rehetra rehefa mitory. Hita amin’ilay fanoharana fa tokony hanao araka izay vitany ny tsirairay, “araka ny fahaizany avy.” Tsy midika anefa izany hoe faly i Jesosy raha kamo ny mpanara-dia azy, ka tsy manao izay fara heriny mba hampitomboana ny fananan’ny Tompony.
Azo antoka fa faly ireo apostoly rehefa nomena toky hoe: “Izay rehetra manana dia homena bebe kokoa.”
-
-
Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy MpanjakaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 114
Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka
ILAY FANOHARAN’I JESOSY MOMBA NY ONDRY SY NY OSY
Avy nilaza an’ilay fanoharana momba ny virjiny folo sy momba ny talenta i Jesosy, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Namaly ny fanontanian’ny apostoly momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity izy tamin’izay. Ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy no namaranany ny teniny.
Noresahin’i Jesosy aloha izay hitranga. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy.” (Matio 25:31) Nasehon’i Jesosy tsara fa izy no mpandray anjara fototra ao amin’ilay fanoharana. Matetika mantsy izy no niantso ny tenany hoe “Zanak’olona.”—Matio 8:20; 9:6; 20:18, 28.
Rahoviana io fanoharana io no ho tanteraka? Ho tanteraka izy io rehefa ‘tonga amin’ny voninahiny’ i Jesosy miaraka amin’ny anjely, ary hipetraka eo amin’ny “seza fiandrianany be voninahitra.” Efa nilaza izy fa ‘ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe ao amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona’ miaraka amin’ny anjeliny. Rahoviana? ‘Aorian’ilay fahoriana avy hatrany.’ (Matio 24:29-31; Marka 13:26, 27; Lioka 21:27) Ho tanteraka àry ilay fanoharana rehefa ho tonga amin’ny voninahiny i Jesosy. Inona no hataony amin’izay?
Hoy i Jesosy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona ... dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.”—Matio 25:31-33.
Nataon’i Jesosy teo ankavanany ny ondry satria ankasitrahany. Hoy izy: “Ary hilaza amin’izay eo ankavanany ny mpanjaka hoe: ‘Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.’ ” (Matio 25:34) Nahoana ireo ondry no ankasitrahan’ilay Mpanjaka?
Hoy ilay Mpanjaka: “Noana aho dia nomenareo hanina. Nangetaheta aho dia nomenareo hosotroina. Nivahiny aho dia nampiantranoinareo. Nitanjaka aho dia nampitafianareo. Narary aho dia nokarakarainareo. Tany am-ponja aho dia novangianareo.” Nanontany an’ilay mpanjaka ireo ondry na “olo-marina” hoe oviana izy ireo no nanao izany. Hoy ilay Mpanjaka: “Araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ny kely indrindra amin’ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.” (Matio 25:35, 36, 40, 46) Tsy tany an-danitra izy ireo no nanao an’ireo zavatra tsara ireo satria tsy misy marary na noana any. Tsy maintsy ho soa natao tamin’ny rahalahin’i Kristy mbola teto an-tany àry izany.
Ary ireo osy teo ankavia? Hoy i Jesosy: “Hoy kosa [ilay Mpanjaka] amin’izay eo ankaviany: ‘Mialà amiko ianareo voaozona, ka mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny. Fa noana aho nefa tsy nomenareo hanina, nangetaheta nefa tsy nomenareo hosotroina. Nivahiny aho nefa tsy nampiantranoinareo, nitanjaka nefa tsy nampitafianareo, narary sy tany am-ponja nefa tsy nokarakarainareo.’ ” (Matio 25:41-43) Mendrika ny hohelohina izy ireo, satria tsy nikarakara tsara ny rahalahin’i Kristy mbola teto an-tany nefa tokony ho nanao izany.
Fantatr’ireo apostoly fa haharitra mandrakizay ny vokatr’io fitsarana amin’ny hoavy io. Hoy mantsy i Jesosy: “Dia hamaly an’ireo [ilay Mpanjaka] hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.’ Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Matio 25:45, 46.
Misy zavatra betsaka hosaintsainin’ny mpanara-dia azy ao amin’ilay valin-tenin’i Jesosy tamin’ireo apostoliny. Hanampy azy ireo mba handinika ny toe-tsainy sy ny zavatra ataony izany.
-