-
Nampianatra Hanetry Tena Izy Tamin’ilay Paska FaranyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 116
Nampianatra Hanetry Tena Izy Tamin’ilay Paska Farany
MATIO 26:20 MARKA 14:17 LIOKA 22:14-18 JAONA 13:1-17
NIHINANA NY PASKA FARANY NIARAKA TAMIN’NY APOSTOLY I JESOSY
NANASA NY TONGOTRY NY APOSTOLY IZY MBA HAMPITANA LESONA
Nanomana ny Paska tany Jerosalema i Petera sy Jaona, araka ny toromarik’i Jesosy. Nankany i Jesosy sy ny apostoly folo avy eo. Efa nilentika tsikelikely ny masoandro rehefa nidina ny Tendrombohitra Oliva izy ireo. Io no andro antoandro farany nandalovan’i Jesosy teo, talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty.
Tsy ela izy ireo dia tonga ary nankao amin’ilay trano hihinanany ny Paska. Niakatra ny tohotra izy ireo ary nankao amin’ilay efitra malalaka tao ambony rihana. Efa vonona izay rehetra nilaina tamin’ny Paska. Tsy andrin’i Jesosy io fotoana io satria hoy izy: “Mba niriko mafy ny hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, alohan’ny hijaliako.”—Lioka 22:15.
Taona maro talohan’izay, dia lasa fanao rehefa mankalaza ny Paska ny mampitampita kaopy misy divay. Nandray kaopy àry i Jesosy, nisaotra an’Andriamanitra, ary niteny hoe: “Raiso ity ka isotroy, ary ampitampitao amin’ny tsirairay aminareo. Fa lazaiko aminareo fa manomboka izao, dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 22:17, 18) Tokony hazava àry fa tsy ho ela izy dia ho faty.
Nisy zava-nitranga tsy nahazatra nandritra an’ilay sakafo. Nitsangana i Jesosy, nesoriny ny akanjony ivelany, naka servieta izy, ary nasiany rano ilay koveta teo akaiky teo. Ny tompon-trano no nampanasa ny tongotry ny vahininy, raha ny nahazatra. Angamba ny mpanompony no nasainy nanao izany. (Lioka 7:44) Tsy nisy tompon-trano anefa teo, ka i Jesosy no nanao an’ilay asa. Afaka nanao izany daholo ny apostoly, saingy tsy nisy nanao. Nety ho mbola nihevi-tena ho ambony izy ireo. Menatra anefa izy ireo rehefa nosasan’i Jesosy ny tongony.
Hoy i Petera rehefa nanatona azy i Jesosy: “Sanatria! Tsy hanasa ny tongotro ianao.” Hoy i Jesosy: “Raha tsy hosasako ianao dia tsy misy iombonanao amiko.” Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, tsy ny tongotro ihany àry fa ny tanako sy ny lohako koa.” Gaga be angamba izy satria hoy i Jesosy: “Izay efa avy nandro dia tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ary efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.”—Jaona 13:8-10.
Nosasan’i Jesosy ny tongotr’izy 12 lahy, anisan’izany ny an’i Jodasy Iskariota. Nanaovany ny akanjony ivelany avy eo ary nandry ilika indray izy mba hisakafo. Hoy izy: “Fantatrareo ve izay nataoko taminareo teo? Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina ny anareo satria izany tokoa aho. Koa izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, nanasa ny tongotrareo, dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo. Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na izay irahina noho ilay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.”—Jaona 13:12-17.
Tena hain’i Jesosy ny nampianatra ny mpanara-dia azy hanetry tena. Tsy tokony hitady ny ho voalohany izy ireo, na hieritreritra hoe ambony noho ny hafa ka mila tompoina. Tokony hanahaka an’i Jesosy kosa izy ireo. Tsy voatery hanasa ny tongotry ny hafa izy, fa tokony hanetry tena sy tsy hiangatra ka ho vonona hanompo ny hafa.
-
-
Ny Sakafo Harivan’ny TompoI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 117
Ny Sakafo Harivan’ny Tompo
MATIO 26:21-29 MARKA 14:18-25 LIOKA 22:19-23 JAONA 13:18-30
NAMPAHAFANTARINA HOE MPAMADIKA I JODASY
NANOMBOKA NY FANKALAZANA NY FAHATSIAROVANA I JESOSY
Nampianatra ny mpianany hanetry tena i Jesosy, rehefa nanasa ny tongotr’izy ireo. Nihinana ny sakafon’ny Paska izy ireo avy eo, tamin’iny takariva iny. Toa taorian’izay i Jesosy no nanonona an’ity faminanian’i Davida ity: “Ilay olona tsara fihavanana tamiko, izay nitokisako, sy niara-nihinana ny mofoko tamiko, dia nanainga ny voditongony hamely ahy.” Hoy izy avy eo: “Hamadika ahy ny iray aminareo.”—Salamo 41:9; Jaona 13:18, 21.
Nifampijery ny apostoly ka samy nanontany hoe: “Izaho ve izany, Tompo ô?” I Jodasy Iskariota koa aza mba nanontany. Teo akaikin’i Jesosy i Jaona ka nasain’i Petera nanontany hoe iza izany. Nanakaiky an’i Jesosy àry i Jaona ka hoy izy: “Iza izany, Tompo ô?”—Matio 26:22; Jaona 13:25.
Namaly i Jesosy hoe: “Ilay homeko ny sombi-mofo atsoboko ao anaty vilia no izy.” Natsobony tao anaty vilia ny sombi-mofo avy eo ary nomeny an’i Jodasy, sady hoy izy: “Handeha ny Zanak’olona, araka ny voasoratra momba azy, nefa lozan’izay olona nampiasaina hamadihana ny Zanak’olona! Tsara kokoa ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory.” (Jaona 13:26; Matio 26:24) Niditra tao amin’i Jodasy i Satana avy eo. Efa ratsy toetra i Jodasy nefa vao mainka nanaiky hanao ny sitrapon’ny Devoly ka lasa “zanaky ny fandringanana.”—Jaona 6:64, 70; 12:4; 17:12.
Hoy i Jesosy tamin’i Jodasy: “Ataovy haingana izay ataonao.” Tany amin’i Jodasy ny boatim-bola ka nihevitra ny apostoly hafa fa tokony hanao fanomezana ho an’ny mahantra izy, na te hilaza i Jesosy hoe: “Vidio izay ilaintsika amin’ny fety.” (Jaona 13:27-30) Nandeha nitady fomba hamadihana an’i Jesosy anefa i Jodasy.
Nisy zava-baovao natombok’i Jesosy tamin’io takariva nihinanana ny Paska io. Nandray mofo izy, nanao vavaka fisaorana, ary nanapaka ny mofo. Nomeny ny apostoly izany ary hoy izy: “Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Nampitampitaina ilay mofo ary samy nihinana ny apostoly.
Noraisin’i Jesosy ny kaopy nisy divay avy eo ary nanao vavaka fisaorana izy. Nampitampitainy tamin’ny apostoly izany ary samy nisotro izy ireo. Hoy i Jesosy momba ilay kaopy: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.”—Lioka 22:20.
Nankalaza ny fahatsiarovana ny nahafatesany àry i Jesosy. Tokony hankalaza azy io ny mpanara-dia azy isaky ny 14 Nisana. Mampahatsiahy antsika izy io fa nanao zavatra i Jesosy sy ny Rainy, mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ireo manam-pinoana. Nanasongadina ny nanafahana ny Jiosy ny Paska, fa ny tena fanafahana an’ireo mino an’i Jesosy kosa no asongadina rehefa Fahatsiarovana.
Nilaza i Jesosy fa “halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” ny rany. Maro no ho voavela heloka, anisan’izany ny apostoly tsy mivadika sy ny mpianatra hafa tsy mivadika. Izy ireo no hiaraka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy.—Matio 26:28, 29.
-
-
Niady Izy Ireo hoe Iza no LehibeI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 118
Niady Izy Ireo hoe Iza no Lehibe
MATIO 26:31-35 MARKA 14:27-31 LIOKA 22:24-38 JAONA 13:31-38
NANANATRA NY MPIANANY MBA TSY HITADY TOERANA AMBONY I JESOSY
VOALAZA MIALOHA FA HANDA AN’I JESOSY I PETERA
NY FITIAVANA NO AMANTARANA NY MPANARA-DIA AN’I JESOSY
Nanasa ny tongotry ny apostoly i Jesosy, tamin’ilay takariva farany niarahan’izy ireo. Nampianatra azy ireo hanetry tena sy hanompo ny hafa izy tamin’izany. Nilain’izy ireo izany satria hita hoe nanana fahalemena izy ireo. Tena tia an’Andriamanitra izy ireo nefa mbola nieritreritra be hoe iza no lehibe indrindra amin’izy ireo. (Marka 9:33, 34; 10:35-37) Niharihary indray ilay fahalemen’izy ireo tamin’ilay takariva.
“Nifanditra mafy” ny apostoly “hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.” (Lioka 22:24) Azo antoka fa tena nalahelo i Jesosy nahita azy ireo nifamaly indray. Inona no nataony?
Tsy nibedy azy ireo noho ny fisainany sy ny toetrany i Jesosy fa nanam-paharetana, ka nampisaintsaina hoe: ‘Ny mpanjakan’ny firenena manjakazaka aminy, ary izay manana fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Fa tsy tokony ho tahaka izany ianareo. Fa iza moa no lehibe kokoa: Ilay mandry ilika hisakafo sa ilay manompo?’ Nampahatsiahy azy ireo an’izay efa nataony foana i Jesosy ka hoy izy: “Fa izaho dia mpanompo teo aminareo.”—Lioka 22:25-27.
Tsy lavorary ny apostoly nefa nifikitra tamin’i Jesosy na teo aza ny zava-tsarotra maro. Hoy àry i Jesosy: “Manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:29) Tsy nivadika tamin’i Jesosy izy ireo. Nanome toky azy ireo i Jesosy fa hiara-manjaka aminy izy ireo, noho ilay fifanekena ataony amin’izy ireo.
Nofo ihany anefa ireo apostoly sady tsy lavorary, na dia nanana an’izany fanantenana kanto izany aza. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mitaky ny hahazoany anareo i Satana mba hosivaniny toy ny vary.” (Lioka 22:31) Miparitaka ny vary rehefa sivanina. Nampitandrina koa izy hoe: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy. Fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry aho, dia hiparitaka ny andian’ondry.’ ”—Matio 26:31; Zakaria 13:7.
Natoky tena i Petera ka niteny hoe: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!” (Matio 26:33) Namaly i Jesosy hoe mbola tsy maneno indroa ny akoho dia handa azy i Petera. Hoy ihany i Jesosy: ‘Efa nitalaho ho anao aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.’ (Lioka 22:32) Nanizingizina anefa i Petera hoe: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” (Matio 26:35) Niteny toy izany koa ny apostoly hafa.
Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Kely sisa no iarahako aminareo. Hitady ahy ianareo, ary lazaiko aminareo koa ankehitriny izay nolazaiko tamin’ny Jiosy hoe: “Izay alehako tsy azonareo aleha.”’ Hoy ihany izy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:33-35.
Hoy i Petera rehefa niteny i Jesosy hoe kely sisa no iarahako aminareo: “Fa ho aiza ianao, Tompo ô?” Namaly i Jesosy hoe: “Izay alehako tsy azonao anarahana ahy ankehitriny, fa hanaraka ahy ihany ianao any aoriana.” Tsy azon’i Petera izany ka hoy izy: “Tompo ô, fa nahoana aho no tsy afaka manaraka anao ankehitriny? Na ny aiko aza hafoiko noho ianao.”—Jaona 13:36, 37.
Noresahin’i Jesosy avy eo fa tsy nila nitondra fitoeram-bola sy kitapom-batsy ny apostoly rehefa nirahiny hitory eran’i Galilia. (Matio 10:5, 9, 10) Hoy izy: “Nisy nahory anareo ve?” Hoy izy ireo: “Tsy nisy!” Ahoana kosa no tokony hataony amin’ny hoavy? Hoy i Jesosy: “Aoka izay manana fitoeram-bola hitondra izany, ary toy izany koa izay manana kitapom-batsy. Ary aoka izay tsy manan-tsabatra hivarotra ny akanjony ivelany ka hividy sabatra. Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao: ‘Ary natao ho isan’ny tsy tan-dalàna izy.’ Fa efa eo am-pahatanterahana izao izay voasoratra mahakasika ahy.”—Lioka 22:35-37.
Ilay izy hofantsihana eo amin’ny tsato-kazo miaraka amin’ny mpanao ratsy na olona tsy tan-dalàna no tiany horesahina. Henjehina mafy ny mpanara-dia azy aorian’izay. Nihevitra ny apostoly fa efa vonona ka nilaza hoe: “Ireto misy sabatra anankiroa, Tompo ô!” Hoy i Jesosy: “Ampy ireny.” (Lioka 22:38) Hampianatra azy ireo lesona lehibe mifandray amin’ireo sabatra ireo i Jesosy tsy ho ela.
-
-
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary FiainanaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 119
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
HANDEHA HANOMANA TOERANA I JESOSY
NAMPANANTENA IZY FA HANDEFA MPANAMPY HO AN’NY MPANARA-DIA AZY
LEHIBE NOHO I JESOSY NY RAY
Mbola tao amin’ilay efitra ambony rihana nankalazany ny Fahatsiarovana i Jesosy sy ny apostoliny. Nampahery azy ireo izy hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.”—Jaona 13:36; 14:1.
Nahoana ireo apostoly tsy mivadika no tsy tokony hitebiteby noho i Jesosy handeha? Hoy i Jesosy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. ... Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.” Tsy azon’ny apostoly anefa hoe ilay izy ho any an-danitra no tiany holazaina. Hoy àry i Tomasy: “Tompo ô, tsy fantatray ange izay alehanao e! Ahoana moa no ahafantaranay ny lalana?”—Jaona 14:2-5.
Namaly i Jesosy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Izay manaiky an’i Jesosy sy ny fampianarany ary manahaka azy ihany no hiditra ao an-tranon’ny Rainy any an-danitra. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.
Nihaino tsara i Filipo ary niteny hoe: “Tompo ô, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izany.” Toa te hahita fahitana momba an’Andriamanitra izy, toy ny hitan’i Mosesy sy Elia ary Isaia. Tsara kokoa noho ny fahitana anefa no hitan’ny apostoly. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay ela izay no efa niarahako taminareo, ka mbola tsy mahalala ahy ihany ve ianao, ry Filipo? Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy ka toy ny nahita ny Ray ny olona niara-niaina taminy sy nahita azy. Ambony noho ny Zanaka anefa ny Ray, satria hoy i Jesosy: “Tsy araka ny nahim-poko no ilazako ny teny lazaiko aminareo.” (Jaona 14:8-10) Hitan’ny apostoly tamin’izany fa nanaiky i Jesosy hoe avy amin’ny Rainy ny fampianarany.
Efa nahita an’i Jesosy nanao fahagagana ny apostoly ary naheno azy nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” (Jaona 14:12) Tsy te hilaza i Jesosy hoe hanao fahagagana miavaka noho ny nataony izy ireo. Hitory mandritra ny fotoana ela kokoa anefa izy ireo, ary any amin’ny faritra midadasika kokoa sy amin’ny olona betsaka lavitra.
Tsy namela azy ireo hiady irery i Jesosy na dia handeha aza. Nampanantena izy hoe: “Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany.” Hoy koa izy: “Hangataka amin’ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo, mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny fanahin’ny fahamarinana.” (Jaona 14:14, 16, 17) Nanome toky izy fa hahazo mpanampy hafa izy ireo, dia ny fanahy masina. Nitranga izany tamin’ny Pentekosta.
Hoy i Jesosy: “Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo no hahita ahy, satria velona aho dia ho velona ianareo.” (Jaona 14:19) Nitafy nofo izy rehefa natsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’izy ireo. Natsangany tamin’ny maty koa izy ireo tatỳ aoriana, ka lasa anjely miaraka aminy any an-danitra.
Tsotra nefa marina ity tenin’i Jesosy manaraka ity: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy ka hiseho miharihary aminy.” Nanontany ilay apostoly atao hoe Jodasy na Tadeo hoe: “Tompo ô, nahoana no hiseho miharihary aminay ianao, fa tsy amin’izao tontolo izao?” Namaly i Jesosy hoe: ‘Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ary ho tia azy ny Raiko. Izay tsy tia ahy dia tsy mba mitandrina ny teniko.’ (Jaona 14:21-24) Tsy toy ny mpanara-dia an’i Jesosy izao tontolo izao satria tsy manaiky hoe izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Ahoana no hitadidian’ny mpianatr’i Jesosy an’izay rehetra nampianariny rehefa lasa izy? Hoy i Jesosy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” Nampahery an’ireo apostoly izany, satria efa hitan’izy ireo fa mahavita zavatra miavaka ny fanahy masina. Hoy ihany i Jesosy: “Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako. ... Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.” (Jaona 14:26, 27) Nitari-dalana sy niaro an’ireo mpianatra ny Rain’i Jesosy ka tsy nisy tokony hatahoran’izy ireo.
Tsy ela taorian’izay dia hita fa niaro tokoa Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jaona 14:30) Nahavita niditra tao amin’i Jodasy sy nifehy azy ny Devoly. Tsy nisy fahalemena vokatry ny ota kosa tao amin’i Jesosy, ka tsy afaka nanararaotra izany i Satana mba hahatonga azy hivadika. Tsy afaka nisakana an’i Jesosy tsy hatsangana amin’ny maty koa izy. Nahoana? Hoy i Jesosy: “Araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” Natoky izy fa hanangana azy ny Rainy.—Jaona 14:31.
-
-
Sampany Mamokatra Izy Ireo Sady Naman’i JesosyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 120
Sampany Mamokatra Izy Ireo Sady Naman’i Jesosy
ILAY TENA VOALOBOKA SY IREO SAMPANY
INONA NO TOKONY HATAO MBA HO TIAN’I JESOSY FOANA?
Toa efa taorian’ny misasakalina tamin’izay. Niresaka tsy an-kifonofono tamin’ny apostoliny tsy mivadika i Jesosy ka nampahery azy ireo. Mandrisika hanao zavatra ny fanoharana nolazainy.
Hoy izy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.” (Jaona 15:1) Efa noharina tamin’ny voalobok’i Jehovah ny firenen’Israely, taonjato maro talohan’izay. (Jeremia 2:21; Hosea 10:1, 2) Tsy nankasitraka azy ireo intsony anefa i Jehovah. (Matio 23:37, 38) Niresaka hevi-baovao àry i Jesosy tao amin’ilay fanoharana. Izy no voaloboka nambolen’ny Rainy nanomboka tamin’ny taona 29, tamin’izy nohosorany ny fanahy masina. Tsy izy ihany no voaloboka satria hoy izy:
‘Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esorin’ny Raiko daholo. Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa. Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo. Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka, raha tsy tafaray amin’ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo, raha tsy tafaray foana amiko. Izaho no voaloboka ary ianareo no sampany.’—Jaona 15:2-5.
Nampanantena an’ireo mpianany tsy mivadika i Jesosy fa handefa mpanampy izy rehefa lasa. Izany dia ny fanahy masina. Nahazo fanahy masina ny apostoly sy ny olon-kafa, 51 andro taorian’izay, ka lasa sampan’ilay voaloboka. Tsy maintsy tafaray foana amin’i Jesosy ireo “sampany” rehetra ireo. Nahoana?
Nanazava i Jesosy hoe: “Izay tafaray foana amiko, ary izaho tafaray aminy, no mamoa be. Tsy afaka manao na inona na inona mihitsy mantsy ianareo, raha misaraka amiko.” Hamoa be ireo “sampany” ireo, izany hoe ireo mpanara-dia azy tsy mivadika, rehefa manahaka ny toetrany sy mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ary manampy olona maro kokoa ho lasa mpianatra. Ahoana raha misy tsy tafaray amin’i Jesosy intsony ary lasa tsy mamokatra? Hoy i Jesosy: ‘Raha misy miala amiko, dia hariana eny ivelany izy.’ Hoy koa izy: “Angataho izay tianareo fa ho tonga aminareo izany, raha tafaray foana amiko ianareo ka mitoetra ao am-ponareo ny teniko.”—Jaona 15:5-7.
Efa indroa i Jesosy no nilaza hoe ilaina ny mitandrina ny didiny. Mbola naveriny izany. (Jaona 14:15, 21) Ahoana no tena anaporofoan’ny mpianany fa mankatò ny didiny izy ireo? Hoy izy: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.” Tsy ampy anefa ny hoe tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Hoy mantsy i Jesosy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany. Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.”—Jaona 15:10-14.
Nanaporofo ny fitiavany i Jesosy, ora vitsivitsy taorian’izay. Nanome ny ainy izy mba hamonjena an’izay rehetra maneho finoana azy. Tokony handrisika ny mpanara-dia azy hifankatia sy hahafoy tena koa izany. Io fitiavana io no hamantarana azy ireo, araka ny efa nolazain’i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:35.
Tokony ho zava-dehibe amin’ny apostoly ny niantsoan’i Jesosy azy ireo hoe ‘namany.’ Nahoana izy ireo no nantsoin’i Jesosy hoe ‘namany’? Hoy izy: ‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.’ Tombontsoa sarobidy ny hoe naman’i Jesosy sy mahalala izay nolazain’ny Rainy azy. Nila ‘namokatra hatrany’ anefa izy ireo raha te ho namany foana. Nilaza i Jesosy fa raha manao izany izy ireo, dia ‘homen’ny Ray azy ireo izay rehetra angatahiny aminy amin’ny anaran’i Jesosy.’—Jaona 15:15, 16.
Nahavita niaritra fitsapana ireo ‘sampany’, izany hoe ny mpianatra, satria nifankatia. Nampitandrina i Jesosy fa ho halan’izao tontolo izao izy ireo. Nampahery azy ireo anefa izy hoe: ‘Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo. Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo dia halan’izao tontolo izao.’—Jaona 15:18, 19.
Nohazavain’i Jesosy bebe kokoa avy eo hoe nahoana ity tontolo ity no hankahala azy ireo. Hoy izy: ‘Noho ny anarako no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.’ Nilaza i Jesosy fa toy ny hoe nanameloka an’ireo nankahala azy ny fahagagana nataony. Hoy izy: “Tsy ho nanan-keloka izy, raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza. Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa.” Nanatanteraka faminaniana ny fankahalan’ireny olona ireny.—Jaona 15:21, 24, 25; Salamo 35:19; 69:4.
Nampanantena indray i Jesosy fa handefa ny mpanampy, na ny fanahy masina. Afaka mahazo an’io hery lehibe io ireo rehetra manara-dia azy. Hanampy azy ireo izy io mba hamokatra, izany hoe “hanome porofo” na hitory.—Jaona 15:27.
-
-
“Mahereza! Izaho Efa Naharesy An’izao Tontolo Izao”I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 121
“Mahereza! Izaho Efa Naharesy An’izao Tontolo izao”
KELY SISA DIA TSY HAHITA AN’I JESOSY INTSONY NY APOSTOLY
HIOVA HO FIFALIANA NY FAHORIAN’NY APOSTOLY
Efa vonona hiala tao amin’ilay efitra nankalazany ny Paska i Jesosy sy ny apostoly. Betsaka ny zavatra nampitandremany azy ireo, ary hoy izy: “Nilaza izany taminareo aho, mba tsy hialanareo amin’ny finoana.” Nahoana no nety tsara ny nilazany an’izany? Hoy izy: “Horoahin’ny olona hiala amin’ny synagoga ianareo. Eny, ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.”—Jaona 16:1, 2.
Nety ho nampikorontan-tsaina ny apostoly izany. Efa niteny i Jesosy fa ho halan’ity tontolo ity izy ireo, nefa tsy nilaza mivantana izy hoe hovonoina ho faty izy ireo. Nahoana? Hoy izy: ‘Tsy nolazaiko taminareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teo aminareo aho.’ (Jaona 16:4) Nampitandrina azy ireo kosa izy satria efa handeha. Nety ho nanampy azy ireo tsy hiala tamin’ny finoana izany, tatỳ aoriana.
Hoy ihany i Jesosy: “Ho any amin’ilay naniraka ahy aho, kanefa tsy misy manontany ahy ianareo hoe: ‘Ho aiza ianao?’ ” Efa nanontany azy an’izay halehany izy ireo tamin’io hariva io. (Jaona 13:36; 14:5; 16:5) Niresaka fanenjehana anefa i Jesosy ka taitra be izy ireo ary izay no nibahana tao an-tsainy. Tsy vitan’izy ireo intsony àry ny nanontany momba ilay voninahitra ho azon’i Jesosy na izay ho vokatr’izany eo amin’ny tena mpivavaka. Hoy i Jesosy: “Vonton’alahelo mantsy ny fonareo noho ny nilazako izany taminareo.”—Jaona 16:6.
Hoy i Jesosy avy eo: “Mahasoa anareo ny fandehanako, satria tsy ho tonga aminareo mihitsy ny mpanampy, raha tsy mandeha aho. Fa raha mandeha kosa aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo izy.” (Jaona 16:7) Tsy hahazo ny fanahy masina ny mpianany raha tsy maty sy mankany an-danitra i Jesosy. Ho afaka handefa an’io mpanampy io ho an’ny mpianany eran-tany izy amin’izay.
“Hanome porofo hampiaiky an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana” ny fanahy masina. (Jaona 16:8) Hiharihary hoe tsy mino an’ilay Zanak’Andriamanitra izao tontolo izao. Hiakatra any an-danitra i Jesosy ka ho voaporofo tanteraka fa marina izy ary meloka i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:11.
Hoy ihany i Jesosy: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” Ho takatry ny mpianany anefa ny “fahamarinana rehetra” rehefa homeny fanahy masina izy ireo. Ho hain’izy ireo koa ny hampihatra an’izany.—Jaona 16:12, 13.
Nilaza koa i Jesosy hoe: “Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy intsony ianareo, ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo.” Gaga ny mpianany ka nifanontany ny dikan’izany. Fantatr’i Jesosy fa te hanontany izy ireo ka hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho ory ianareo, nefa hovana ho fifaliana ny fahorianareo.” (Jaona 16:16, 20) Novonoina i Jesosy ny ampitso tolakandro, ka faly ny mpitondra fivavahana fa ory kosa ireo mpianatra. Natsangana tamin’ny maty anefa i Jesosy ka niova ho fifaliana ny fahorian’izy ireo. Vao mainka faly izy ireo rehefa nomeny fanahy masina.
Noharin’i Jesosy tamin’ny fijalian’ny vehivavy efa hiteraka ny nanjo ny apostoly. Hoy izy: “Manam-pahoriana ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany. Tsy tsaroany intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy, satria faly izy fa nisy olona nateraka eto an-tany.” Nampahery azy ireo i Jesosy hoe: “Ory koa ianareo ankehitriny, nefa mbola hahita anareo indray aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanala aminareo izany fifaliana izany.”—Jaona 16:21, 22.
Mbola tsy nangataka zavatra tamin’ny anaran’i Jesosy ny apostoly. Nilaza anefa i Jesosy fa ‘hangataka amin’ny anarany’ izy ireo. Tsy hoe satria tsy te hanome anefa ny Ray. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Tia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia ahy’, izay “solontenan’ny Ray.”—Jaona 16:26, 27.
Nampahery ny tenin’i Jesosy, ka izay angamba no nahatonga ny apostoly hafana fo hilaza hoe: “Izany no inoanay fa avy tamin’Andriamanitra ianao.” Nisy fitsapana tsy ela taorian’izay, ka izany no nahitana raha nino tokoa izy ireo. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana, eny, efa tonga tokoa ny fotoana hanaparitahana anareo ho any amin’izay misy anareo avy, ary hilaozanareo ho irery aho.” Nanome toky anefa izy hoe: “Nilaza izany taminareo aho mba hanananareo fiadanana amin’ny alalako. Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:30-33) Tsy nanary azy ireo i Jesosy. Natoky izy fa handresy an’izao tontolo izao koa izy ireo, raha manao ny sitrapon’i Jehovah foana na dia taomin’i Satana sy ny tontolony hivadika aza.
-
-
Vavaka Famaranana tao Amin’ilay Efitra Ambony RihanaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 122
Vavaka Famaranana tao Amin’ilay Efitra Ambony Rihana
NY SOA HO AZON’IZAY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA SY NY ZANANY
TAFARAY I JEHOVAH SY JESOSY ARY NY MPIANANY
Tena tia an’ireo apostoliny i Jesosy ka nampiomana azy ireo fa tsy ho ela izy dia handeha. Niandrandra ny lanitra izy ary nivavaka tamin’ny Rainy hoe: “Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao. Fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra izy mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao azy.”—Jaona 17:1, 2.
Fantatr’i Jesosy fa ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. Mampahery anefa fa nampanantena fiainana mandrakizay koa i Jesosy. ‘Nomena fahefana amin’ny nofo rehetra’ izy, ka afaka manampy ny olombelona mba handray soa amin’ny vidim-panavotana. Izay manaraka an’ity teniny ity ihany anefa no handray izany soa izany: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.
Ilaina àry ny mahafantatra tsara ny Ray sy ny Zanaka, ka mifandray akaiky amin’izy ireo. Ilaina ny miezaka mba hitovy fomba fihevitra amin’izy ireo, sy manahaka ny toetra tsara ananany rehefa mifandray amin’ny hafa. Tokony hekena koa fa zava-dehibe kokoa ny manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny mahazo fiainana mandrakizay. Hoy indray i Jesosy momba izany:
“Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko. Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jaona 17:4, 5) Nangataka ny hatsangana amin’ny maty i Jesosy mba hahazoany indray an’ilay voninahitra nananany tany an-danitra.
Tsy hadinon’i Jesosy koa izay nataony rehefa nitory. Nivavaka izy hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Anao izy ireo ka nomenao ahy, ary efa notandremany ny teninao.” (Jaona 17:6) Tsy hoe nanonona ny anaran’Andriamanitra fotsiny i Jesosy tamin’izy nitory. Nampahafantariny an’ireo apostoly ny dikan’ilay hoe Jehovah, izany hoe ny toetran’Andriamanitra sy ny fomba itondrany ny olombelona.
Lasa nahalala an’i Jehovah sy ny andraikitry ny Zanany ary ny fampianaran’izy io ny apostoly. Nanetry tena anefa i Jesosy ka nilaza hoe: “Ny teny nomenao ahy mantsy no nomeko azy ireo, ary noraisiny ka fantany tokoa fa avy taminao aho sady solontenanao. Nino izy fa ianao no naniraka ahy.”—Jaona 17:8.
Nasehon’i Jesosy avy eo fa tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity ny mpanara-dia azy. Hoy izy: “Mangataka aminao ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao aho fa ho an’ireo nomenao ahy, satria anao ireo ... Ray Masina ô, arovy izy ireo noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. ... Efa narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana.” (Jaona 17:9-12) I Jodasy Iskariota io “zanaky ny fandringanana” io, ary efa lasa nanao zavatra hamadihana an’i Jesosy izy tamin’izay.
Hoy ihany i Jesosy tao amin’ilay vavaka: ‘Halan’izao tontolo izao izy. Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 17:14-16) Teo amin’izao tontolo izao ny apostoly sy ny mpianatra hafa, izany hoe teo anivon’ny olona nofehezin’i Satana. Nila niezaka mba ho tafasaraka tamin’izy ireo sy tsy nanao ny ratsy fanaony anefa izy ireo. Ahoana izany?
Tsy maintsy niezaka foana izy ireo mba ho masina, na voatokana hanompo an’Andriamanitra, ka hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Hebreo sy izay nampianarin’i Jesosy. Nivavaka i Jesosy hoe: “Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Notarihin’ny fanahy masina ireo apostoly tatỳ aoriana, ka nanoratra boky. Lasa anisan’ilay “fahamarinana” manampy ny olona ho masina ireny boky ireny.
Nisy olon-kafa nanaiky ny “fahamarinana” koa anefa tatỳ aoriana. Tsy ho an’ny mpianany efa teo ihany àry no nangatahan’i Jesosy, fa ‘ho an’izay mino azy noho ny tenin’ireo mpianany ireo’ koa. Inona no nangatahin’i Jesosy ho azy rehetra? Hoy izy tamin’ny Rainy: “Mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo.” (Jaona 17:20, 21) Tsy olona iray ara-bakiteny i Jesosy sy ny Rainy. Iray izy ireo satria mifanara-tsaina foana. Nivavaka i Jesosy mba hiray saina toy izany koa ny mpanara-dia azy.
Nilaza tamin’i Petera sy ny hafa i Jesosy taloha kelin’izay fa handeha izy ka hanomana toerana ho azy ireo, izany hoe toerana any an-danitra. (Jaona 14:2, 3) Niresaka momba izany indray izy tamin’ilay vavaka. Hoy izy: “Ray ô, mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy, mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 17:24) Nohamafisiny teo àry fa ela be talohan’ny niterahan’i Adama sy Eva, dia efa tian’Andriamanitra ilay Zanany lahitokana, izay lasa nantsoina hoe Jesosy Kristy.
Hoy i Jesosy teo am-pamaranana: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.” (Jaona 17:26) Nasongadiny indray ny anaran’ny Rainy sy ny fitiavan’Andriamanitra ny apostoly sy ireo mbola hanaiky ny “fahamarinana.”
-
-
Vonton’alahelo Izy ka NivavakaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 123
Vonton’alahelo Izy ka Nivavaka
MATIO 26:30, 36-46 MARKA 14:26, 32-42 LIOKA 22:39-46 JAONA 18:1
NANKAO AMIN’NY ZARIDAINAN’I GETSEMANE I JESOSY
TOY NY RA NITETE NY HATSEMBOHANY
Avy nivavaka niaraka tamin’ireo apostoliny tsy mivadika i Jesosy. “Nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.” (Marka 14:26) Niantsinanana nankany amin’ny zaridaina iray falehan’i Jesosy izy ireo. Getsemane no anaran’izy io.
Nasain’i Jesosy nijanona ny apostoly valo, rehefa tonga teo amin’io toerana mahafinaritra nisy hazo oliva io izy ireo. Angamba teo amin’ny fidirana mankao amin’ilay zaridaina izany, satria hoy i Jesosy: “Mipetraha eto fa izaho hankerỳ hivavaka.” Niditra tao amin’ilay zaridaina i Jesosy avy eo ary nentiny i Petera sy Jakoba ary Jaona. Nanomboka nitebiteby mafy izy ka niteny tamin’izy telo hoe: “Vonton’alahelo aho, toy ny efa ho faty. Mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.”—Matio 26:36-38.
Nihataka kely i Jesosy ary “niankohoka tamin’ny tany ka nanomboka nivavaka.” Inona no nangatahiny tamin’io fotoana nampiady saina azy io? Hoy izy: “Ray ô, hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy ity, nefa aoka tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.” (Marka 14:35, 36) Tsy midika izany hoe tsy te ho Mpanavotra indray izy. Inona àry no tiany holazaina?
Hitan’i Jesosy avy tany an-danitra fa nijaly be ireo novonoin’ny Romanina. Izany koa no niandry azy ka tsy tiany ny nieritreritra an’izany. Efa lasa olombelona nanana fihetseham-po sy afaka nahatsapa fanaintainana mantsy izy. Tena nalahelo koa izy sao ho afa-baraka ny anaran’ny Rainy, satria hovonoina toy ny jiolahy izy. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo toy ny mpanevateva an’Andriamanitra izy, ora vitsivitsy taorian’izay.
Nivavaka elaela i Jesosy ary niverina. Hitany natory izy telo ka hoy izy tamin’i Petera: “Tsy afaka niara-niari-tory tamiko adiny iray akory ve ianareo? Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” Tsapany fa niady saina be koa izy ireo sady efa alina be tamin’izay, ka hoy izy: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Matio 26:40, 41.
Nandeha kely indray i Jesosy, ary nangataka tamin’Andriamanitra mba hanaisotra an’ilay “kaopy.” Niverina izy avy eo ary hitany fa natory indray izy telo, nefa tokony ho nivavaka mba tsy ho resin’ny fakam-panahy. ‘Tsy nahita havaly izy ireo’ rehefa niresahan’i Jesosy. (Marka 14:40) Lasa fanintelony i Jesosy ka nandohalika nivavaka.
Tena nanahy i Jesosy satria nety ho afa-baraka ny anaran’ny Rainy noho izy hovonoina toy ny jiolahy. Nihaino ny vavaky ny Zanany i Jehovah ka naniraka anjely iray hampahery azy. Mbola nitalaho tamin’ny Rainy anefa i Jesosy ka “vao mainka nivavaka mafimafy kokoa hatrany.” Nanana andraikitra lehibe izy ka niady saina mafy. Niankina tamin’izay nataony mantsy no hahafahany hiaina mandrakizay sy hahafahan’ireo mino azy hiaina mandrakizay. Lasa toy “ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.”—Lioka 22:44.
Hitan’i Jesosy natory indray ny apostoly rehefa niverina izy, ka hoy izy: “Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin’ny fotoana toy izao? Efa manakaiky anefa ny ora hamadihana ny Zanak’olona sy hanolorana azy eo an-tanan’ny mpanota. Mitsangàna, andao isika handeha, fa efa manatona ilay mpamadika ahy.”—Matio 26:45, 46.
-
-
Nisy Namadika i Kristy ary NosamborinaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 124
Nisy Namadika i Kristy ary Nosamborina
MATIO 26:47-56 MARKA 14:43-52 LIOKA 22:47-53 JAONA 18:2-12
NAMADIKA AN’I JESOSY TAO AMIN’ILAY ZARIDAINA I JODASY
NANAPAKA NY SOFIN’NY LEHILAHY IRAY I PETERA
NOSAMBORINA I JESOSY
Efa lasa ela ny misasakalina tamin’izay. Efa nifanaraka ny mpisorona fa sekely volafotsy 30 no homena an’i Jodasy mba hamadihany an’i Jesosy. Nentin’i Jodasy nitady an’i Jesosy àry ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ary ny andia-miaramila romanina sy ny mpitari-tafika iray.
Rehefa noroahin’i Jesosy avy tao amin’ilay sakafon’ny Paska i Jodasy, dia azo antoka fa nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona. (Jaona 13:27) Namory mpiambina sy andia-miaramila izy ireo. Nentin’i Jodasy tany amin’ilay efitra nankalazan’i Jesosy sy ny apostoly ny Paska angamba aloha izy ireo. Niampita ny Lohasahan’i Kidrona izy ireo avy eo ary nankao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Tapa-kevitra ny hitady an’i Jesosy izy ireo ka nitondra fiadiana sy jiro ary fanilo.
Nitarika an’ireo olona ireo niakatra ny Tendrombohitra Oliva i Jodasy. Nahazo antoka izy hoe taiza i Jesosy. Nijanona matetika tao amin’ilay zaridaina mantsy i Jesosy sy ny apostoly, rehefa nivezivezy teo Betania sy Jerosalema. Alina anefa tamin’io, ka nety ho takon’ny alok’ireo hazo oliva i Jesosy. Nety ho mbola tsy nahita azy koa ireo miaramila, ka ahoana no hamantaran’izy ireo azy? Nanome famantarana i Jodasy. Hoy izy: “Izay horohako no izy, ka sambory ary ento ka ambeno tsara.”—Marka 14:44.
Nahita an’i Jesosy sy ny apostoliny tao amin’ilay zaridaina i Jodasy sy ilay vahoaka. Tonga dia nankeo amin’i Jesosy i Jodasy ka niteny hoe: “Manahoana, Raby ô!”, sady nanoroka azy. Hoy i Jesosy: “Ry sakaiza, haninona eto ianao?” (Matio 26:49, 50) Izy ihany no namaly hoe: “Oroka ve no entinao hamadihana ny Zanak’olona, ry Jodasy?” (Lioka 22:48) Tapitra teo ny teniny tamin’ilay mpamadika.
Nankeo amin’ny hazavan’ireo jiro i Jesosy ka nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?” Nisy namaly hoe: “I Jesosy, avy any Nazareta.” Sahy nilaza i Jesosy hoe: “Izaho no izy.” (Jaona 18:4, 5) Taitra be ireo hisambotra azy ka lavo tamin’ny tany.
Tsy nanararaotra nandositra i Jesosy fa nanontany indray hoe iza no notadiavin’izy ireo. Namaly indray ireo hoe: “I Jesosy, avy any Nazareta.” Tony tsara i Jesosy niteny hoe: “Efa nolazaiko taminareo fa izaho no izy. Koa avelao handeha ireto raha izaho no tadiavinareo.” Efa mafy ny nanjo an’i Jesosy nefa mbola tsaroany ihany ilay teniny hoe tsy havelany hisy ho very ny mpanara-dia azy. (Jaona 6:39; 17:12) Niaro an’ireo apostoliny tsy mivadika tokoa izy ka tsy nisy very izy ireo afa-tsy i Jodasy, “ilay zanaky ny fandringanana.” (Jaona 18:7-9) Nangataka àry izy mba havela handeha izy ireo.
Rehefa nanatona an’i Jesosy ireo miaramila vao tena azon’ireo apostoly izay nitranga. Hoy izy ireo: “Hamely amin’ny sabatra ve izahay, Tompo ô?” (Lioka 22:49) Mbola tsy namaly akory i Jesosy dia efa nalain’i Petera ny iray tamin’ireo sabatra roa nentin’ny apostoly. Namely an’i Malko mpanompon’ny mpisoronabe izy avy eo ka nanapaka ny sofiny havanana.
Nokasihin’i Jesosy anefa ny sofin’i Malko ka sitrana. Nampita lesona lehibe i Jesosy avy eo, rehefa nandidy an’i Petera hoe: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” Vonona ny hosamborina i Jesosy satria hoy izy: “Ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho toy izao no hahatanterahan’izany?” (Matio 26:52, 54) Hoy koa izy: “Ny kaopy nomen’ny Raiko ahy ve tsy tokony hisotroako?” (Jaona 18:11) Nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, ary nekeny hatramin’ny ho faty.
Hoy i Jesosy avy eo tamin’ilay vahoaka: “Mivoaka mitondra sabatra sy kibay toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo? Nipetraka nampianatra tao amin’ny tempoly isan’andro aho, nefa tsy nosamborinareo. Mitranga anefa izao zavatra rehetra izao mba hahatanterahan’izay voasoratry ny mpaminany.”—Matio 26:55, 56.
Nisambotra an’i Jesosy ilay andia-miaramila sy ilay mpitari-tafika ary ny mpiambina teo amin’ny Jiosy ary namatotra azy. Nandositra ny apostoly rehefa nahita izany. Nisy “tovolahy iray” anefa nijanona teo mba hanaraka an’i Jesosy. I Marka mpianatr’i Jesosy angamba io. (Marka 14:51) Fantatry ny olona izy ary saika hosamborin’izy ireo ka voatery nandositra, ary tavela teo ny akanjony.
-
-
Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i KaiafaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 125
Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i Kaiafa
MATIO 26:57-68 MARKA 14:53-65 LIOKA 22:54, 63-65 JAONA 18:13, 14, 19-24
NENTINA TANY AMIN’I ANASY, MPISORONABE TALOHA, I JESOSY
NOTSARAINA TSY ARA-DRARINY TEO ANATREHAN’NY FITSARANA AVO JIOSY IZY
Nofatorana toy ny jiolahy i Jesosy ary nentina tany amin’i Anasy. I Anasy no mpisoronabe, tamin’i Jesosy nampitolagaga an’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly. (Lioka 2:42, 47) Efa mpisoronabe koa ny zanakalahin’i Anasy sasany, fa i Kaiafa vinantolahiny no mpisoronabe tamin’izay.
Afaka namory an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Kaiafa, tamin’i Anasy nanadinadina an’i Jesosy. Nisy 71 ny mpikambana tao amin’ilay fitsarana, anisan’izany ny mpisoronabe sy ny mpisoronabe taloha.
Nanontany an’i Jesosy “momba ny mpianany sy ny fampianarany” i Anasy. Hoy fotsiny i Jesosy: “Niresaka tamin’ny olona rehetra ampahibemaso aho. Nampianatra foana tao amin’ny synagoga sy ny tempoly aho, dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy rehetra. Ary tsy niafina mihitsy aho rehefa niteny. Fa nahoana no manontany ahy ianareo? Ireo nihaino ny teniko no anontanio.”—Jaona 18:19-21.
Namely tehamaina an’i Jesosy ny mpiambina iray nijoro teo, sady nibedy azy hoe: “Izany ve no fomba famalinao ny lehiben’ny mpisorona?” Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nisy ratsy nataony, ka hoy izy: “Raha diso izay nolazaiko, dia porofoy izay diso. Fa raha marina kosa, nahoana no mamely ahy ianao?” (Jaona 18:22, 23) Nasain’i Anasy nentina tany amin’i Kaiafa vinantolahiny i Jesosy avy eo.
Efa tafavory tao an-tranon’i Kaiafa ireo anisan’ny Fitsarana Avo, izany hoe ny mpisoronabe sy ny anti-panahin’ny vahoaka ary ny mpanora-dalàna. Tsy ara-dalàna ny mitsara olona amin’ny alin’ny Paska. Tsy nahasakana azy ireo tsy hanatanteraka ny teti-dratsiny anefa izany.
Tsy nanao ny rariny ny ankamaroan’izy ireo. Efa nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo fa tokony hovonoina ho faty i Jesosy rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. (Jaona 11:47-53) Niray tetika hisambotra an’i Jesosy sy hamono azy koa ny mpitondra fivavahana, andro vitsivitsy talohan’izay. (Matio 26:3, 4) Mbola tsy notsaraina àry i Jesosy dia toy ny efa voaheloka ho faty.
Efa tsy ara-dalàna ilay fivoriana, nefa mbola nitady vavolombelona mandainga hiampanga an’i Jesosy koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny olon-kafa anisan’ny Fitsarana Avo. Nahita vavolombelona maro izy ireo, saingy tsy nifanaraka ny fiampangan’ireo. Farany dia nisy anankiroa nilaza hoe: “Efa renay izy nilaza hoe: ‘Harodako ity tempoly nataon-tanana ity ka hanorina hafa tsy nataon-tanana aho rehefa afaka telo andro.’ ” (Marka 14:58) Mbola tsy nifanaraka ihany anefa ny tenin’ireo.
Nanontany an’i Jesosy i Kaiafa hoe: “Tsy mamaly akory ve ianao? Ahoana hoy ianao amin’izany iampangany anao izany?” (Marka 14:60) Nangina i Jesosy fa tsy namaly ny fiampangana diso nolazain’ireo olona tsy mifanara-kevitra ireo. Nanandrana tetika hafa indray àry i Kaiafa Mpisoronabe.
Fantatr’i Kaiafa fa tezitra ny Jiosy rehefa misy olona mitonona ho Zanak’Andriamanitra. Efa nitady hamono an’i Jesosy ny Jiosy tamin’i Jesosy nilaza fa Andriamanitra no Rainy. Nihevitra mantsy izy ireo fa “nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra” izy. (Jaona 5:17, 18; 10:31-39) Nampiasa hafetsena àry i Kaiafa ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Mampianiana anao amin’Andriamanitra velona aho hilaza aminay raha ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra!” (Matio 26:63) Efa niaiky i Jesosy taloha fa Zanak’Andriamanitra izy. (Jaona 3:18; 5:25; 11:4) Raha tsy nanao izany izy teo, dia nety ho toy ny hoe nanda tsy ho Kristy Zanak’Andriamanitra. Hoy àry izy: “Izaho no izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’olona hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery ary ho hitanareo ho avy izy, eny amin’ny rahon’ny lanitra.”—Marka 14:62.
Niseho ho taitra i Kaiafa ka nandrovitra ny akanjony ivelany ary niteny hoe: “Nanevateva an’Andriamanitra izy! Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona? Efa renareo ilay fanevatevana an’Andriamanitra teo. Ahoana ny hevitrareo?” Namoaka didy tsy ara-drariny ny Fitsarana Avo hoe: “Mendrika ny ho faty izy.”—Matio 26:65, 66.
Nataon’izy ireo ho fihomehezana i Jesosy ary nokapohiny. Nisy koa namely tehamaina sy nandrora ny tarehiny. Nosaronan’izy ireo ny tarehin’i Jesosy avy eo sady mbola nasiany tehamaina, ary naneso izy ireo hoe: “Maminania! Iza ilay namely anao teo?” (Lioka 22:64) Mba eritrereto ange izany e! Natao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra. Niharan’ny tsy rariny koa izy satria notsaraina nandritra ny alina.
-
-
Nanda An’i Jesosy i PeteraI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 126
Nanda An’i Jesosy i Petera
MATIO 26:69-75 MARKA 14:66-72 LIOKA 22:54-62 JAONA 18:15-18, 25-27
NANDA HO TSY NAHALALA AN’I JESOSY I PETERA
Natahotra ireo apostoly rehefa nosamborina i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nandao azy àry izy ireo ka nandositra. Niverina anefa ny roa, dia i Petera sy “ny mpianatra iray”, izay angamba ny apostoly Jaona. (Jaona 18:15; 19:35; 21:24) Nety ho nahatratra an’i Jesosy izy ireo tamin’izy nentina ho any amin’i Anasy. Nanaraka teny lavidavitra teny izy roa lahy, rehefa nalefan’i Anasy tany amin’i Kaiafa Mpisoronabe i Jesosy. Sady natahotra ny hamoy ny ainy angamba izy ireo no nanahy hoe inona no hanjo an’ilay Tompony.
Fantatry ny mpisoronabe i Jaona, ka tafiditra tao an-tokotanin’i Kaiafa. Nijanona tany ivelan’ny vavahady kosa i Petera. Niverina i Jaona avy eo ary niresaka tamin’ny mpanompovavy iray mpiandry vavahady ka navela hiditra i Petera.
Nangatsiaka tamin’io alina io ka nandrehitra afon-tsaribao ny olona teo an-tokotany. Nipetraka niaraka tamin’izy ireo i Petera ary niandry “mba hahita izay hiafaran’ny” fitsarana an’i Jesosy. (Matio 26:58) Notarafin’ny hazavan’ilay afo i Petera, ka nahita azy kokoa ilay mpiandry vavahady nampiditra azy. Hoy izy: “Tsy anisan’ny mpianatr’io lehilahy io koa ve ianao?” (Jaona 18:17) Nisy olon-kafa koa teo nahalala an’i Petera sy niampanga azy ho niaraka tamin’i Jesosy.—Matio 26:69, 71-73; Marka 14:70.
Tsy hitan’i Petera mihitsy izay hatao. Niezaka niafinafina izy ka nankeo amin’ny fidirana. Nolaviny hoe niaraka tamin’i Jesosy izy. Hoy izy: “Tsy fantatro izy ary tsy azoko izay lazainao.” (Marka 14:67, 68) Nanomboka “niozona sy nianiana” koa izy. (Matio 26:74) Midika izany fa nianiana izy hoe marina ny teniny ary raha tsy marina izany dia vonona ny hijaly izy.
Nitohy ihany ny fitsarana an’i Jesosy. Toa tao an-tranon’i Kaiafa teo ambonin’ilay tokotany no nanaovana an’ilay fitsarana. Nety ho nahita an’ireo vavolombelona nivezivezy mba hiampanga an’i Jesosy àry i Petera sy ny olon-kafa teo an-tokotany.
Niharihary tamin’ny fitenin’i Petera fa avy tany Galilia izy, ka hita fa tsy marina ilay fandavany. Nisy havan’i Malko koa teo. Ny sofin’izy io ilay notapahin’i Petera. Nisy niteny tamin’i Petera àry hoe: “Tsy efa hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy ve ianao?” Nanda indray i Petera. Fanintelony tamin’io izy no nanda ary nisy akoho naneno, araka ny efa nolazain’i Jesosy.—Jaona 13:38; 18:26, 27.
Toa teo an-davarangana i Jesosy tamin’izay, ka nahatazana an’izay nitranga teo an-tokotany. Nitodika ny Tompo ka nibanjina an’i Petera. Azo antoka fa nalahelo mafy i Petera. Tadidiny ilay tenin’i Jesosy tao amin’ilay efitra ambony rihana, ora vitsivitsy monja talohan’izay. Mba eritrereto ange ny fihetseham-pony rehefa tonga saina izy hoe inona no nataony e! Nivoaka tany ivelany izy ka nitomany tamin’alahelo be.—Lioka 22:61, 62.
Fa nahoana i Petera no nanda an’i Jesosy, nefa natoky erỳ izy fa natanjaka ara-panahy sy tsy hivadika? Namboamboarina ny tena marina, ary nolazaina fa jiolahy i Jesosy na dia tsy nanan-tsiny aza. Afaka niaro azy i Petera nefa tsy nanao izany. Nolaviny kosa ilay “manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:68.
Inona no ianarantsika avy amin’izay nanjo an’i Petera? Mety hivadika na dia ny olona manam-pinoana sy tia an’Andriamanitra aza, raha tsy miomana tsara mba hiatrika fitsapana na fakam-panahy tsy ampoizina. Anatra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ny nanjo an’i Petera.
-