-
Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i PilatoI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 127
Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i Pilato
MATIO 27:1-11 MARKA 15:1 LIOKA 22:66–23:3 JAONA 18:28-35
NOTSARAINA VAO MARAINA TEO ANATREHAN’NY FITSARANA AVO JIOSY I JESOSY
NANANDRANA NANANTON-TENA I JODASY ISKARIOTA
NENTINA TANY AMIN’I PILATO MBA HOMELOHINA I JESOSY
Efa nadiva haraina ny andro tamin’i Petera nanda an’i Jesosy fanintelony. Vita ilay fitsarana sarintsariny, ary samy lasa ireo anisan’ny Fitsarana Avo. Nivory indray izy ireo ny zoma vao maraina, mba ho toy ny hoe ara-dalàna ilay fitsarana nataony ny alin’iny. Nentina teo amin’izy ireo i Jesosy.
Nanontany indray ilay fitsarana hoe: “Lazao aminay raha ianao no Kristy.” Hoy i Jesosy: “Na holazaiko aminareo aza, dia tsy hino mihitsy ianareo. Ary raha hanontaniako ianareo, dia tsy hamaly mihitsy.” Sahy nilaza anefa i Jesosy hoe izy ilay voaresaka ao amin’ny Daniela 7:13. Hoy izy: “Manomboka izao, dia hipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ny Zanak’olona.”—Lioka 22:67-69; Matio 26:63.
Nanontany indray izy ireo hoe: “Zanak’Andriamanitra ve izany ianao?” Hoy i Jesosy: “Voalazanareo fa izany aho.” Toa marina ilay fiampangana an’i Jesosy ho manevateva an’Andriamanitra, ka mendrika ny ho faty izy. Hoy àry izy ireo: “Inona indray no ilantsika porofo?” (Lioka 22:70, 71; Marka 14:64) Nofatorany i Jesosy ary nentiny tany amin’i Pontio Pilato, governora romanina.
Nety ho nahita an’i Jesosy nentina tany amin’i Pilato i Jodasy Iskariota. Fantany fa voaheloka i Jesosy ka nanenina sy namoy fo izy. Tsy tena nibebaka sy niverina tamin’Andriamanitra anefa izy. Naveriny ireo sekely volafotsy 30, ary hoy izy tamin’ny lehiben’ny mpisorona: “Nanota aho fa namadika olo-marina.” Tsy nihontsina akory izy ireo namaly hoe: “Ahoanay inona izany? Raharahanao izany!”—Matio 27:4.
Natsipin’i Jodasy tao amin’ny tempoly ireo farantsa volafotsy 30. Nanampy trotraka ny ratsy nataony izy avy eo ka nanandrana nananton-tena. Toa tapaka anefa ilay sampan-kazo namatorany ny tady, ka nilatsaka teny amin’ireo vato teny ambany izy ary potipotika ny vatany.—Asan’ny Apostoly 1:17, 18.
Nentina vao maraina tao an-dapan’i Pontio Pilato i Jesosy. Tsy nety niditra tao anefa ireo Jiosy nitondra azy. Nihevitra izy ireo fa haloto raha mifandray amin’ny tsy Jiosy, ka tsy ho afaka hihinana ny sakafo tamin’ny 15 Nisana. Io no andro voalohany amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Noheverina ho anisan’ny Paska io fety io.
Nankeny ivelany i Pilato ary nanontany hoe: “Inona no iampanganareo an’io lehilahy io?” Hoy izy ireo: “Tsy ho natolotray anao izy raha tsy mpanao ratsy.” Nihevitra angamba i Pilato hoe nanandrana nanery azy izy ireo, ka hoy izy: “Ento izy, ary tsarao araka ny lalànareo.” Hoy anefa ny Jiosy: “Tsy azonay atao ny mamono olona.” (Jaona 18:29-31) Hita fa te hamono an’i Jesosy ho faty izy ireo.
Nety ho nikorontana ny vahoaka raha novonoin’ny Jiosy tamin’ny Paska i Jesosy. Tsy ho diso teo anatrehan’ny vahoaka anefa ny Jiosy, raha vitany ny niampanga an’i Jesosy ho mpanohitra ny fitondrana romanina ka ny Romanina ihany no namono azy. Nanan-jo hanao izany mantsy ny Romanina.
Tsy nolazain’ny mpitondra fivavahana tamin’i Pilato hoe nomelohin’izy ireo ho nanevateva an’Andriamanitra i Jesosy. Namorona fiampangana hafa izy ireo, ka nilaza hoe: “Ity lehilahy ity hitanay [1] nampikomy ny firenenay, ary [2] nandrara tsy handoa hetra amin’i Kaisara, sady [3] nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.”—Lioka 23:2.
Solontenan’i Roma i Pilato ka rariny raha nampanahy azy ilay fiampangana an’i Jesosy hoe nilaza tena ho mpanjaka. Niditra tao an-dapa indray àry izy, niantso an’i Jesosy, ary nanontany hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” Te hilaza izy hoe: ‘Nandika ny lalàn’ny Fanjakana Romanina ve ianao, ka nilaza tena ho mpanjaka manohitra an’i Kaisara?’ Tian’i Jesosy ho fantatra angamba hoe inona avy no efa ren’i Pilato momba azy, ka hoy izy: “Hevitrao samirery ve izany, sa nisy nilaza taminao ny momba ahy?”—Jaona 18:33, 34.
Niseho ho tsy nahalala ny momba an’i Jesosy i Pilato nefa te hahalala ihany, ka namaly hoe: “Izaho ange tsy Jiosy e!” Hoy koa izy: “Ny firenenao sy ny lehiben’ny mpisorona no nanolotra anao tamiko. Fa inona no nataonao?”—Jaona 18:35.
Ny maha mpanjaka an’i Jesosy no tena niadian-kevitra, ary tsy nitady hiala tamin’io resaka io izy. Azo antoka fa gaga be i Pilato Governora rehefa nandre ny valin-teniny.
-
-
Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny IzyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 128
Hitan’i Pilato sy Heroda hoe Tsy Nanan-tsiny Izy
MATIO 27:12-14, 18, 19 MARKA 15:2-5 LIOKA 23:4-16 JAONA 18:36-38
NAMOTOPOTOTRA AN’I JESOSY I PILATO SY HERODA
Tsy nafenin’i Jesosy an’i Pilato fa tena mpanjaka izy. Tsy tokony hatahoran’ny Romanina anefa ny Fanjakany. Hoy izy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Manana Fanjakana tokoa i Jesosy, saingy tsy eto amin’ity tontolo ity.
Tsy tapitra teo anefa ny resaka. Hoy i Pilato: “Mpanjaka àry ve ianao?” Nilaza tamin’i Pilato i Jesosy fa marina ny teniny. Hoy izy: “Voalazanao fa mpanjaka aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.”—Jaona 18:37.
Nilaza tamin’i Tomasy i Jesosy tany aloha hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Na i Pilato aza anefa lasa nahalala fa tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hanambara “ny marina”, dia ny marina momba ny Fanjakany. Tapa-kevitra i Jesosy fa tsy hiala amin’io fahamarinana io, na dia hamoizany ny ainy aza izany. Nanontany i Pilato hoe: “Inona ny marina?” Tsy niandry valiny anefa izy. Hitany fa efa ampy hitsarany an’i Jesosy ny zavatra reny.—Jaona 14:6; 18:38.
Nankeo amin’ilay vahoaka teo ivelan’ny lapa i Pilato. Toa teo akaikiny i Jesosy rehefa nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny naman’izy ireo izy hoe: “Tsy hitako izay helok’ity lehilahy ity.” Tezitra ny vahoaka ka nanizingizina hoe: “Mampirisika vahoaka hikomy izy rehefa nampianatra eran’i Jodia, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”—Lioka 23:4, 5.
Azo antoka fa gaga i Pilato nahita an’ireo Jiosy nafana fo tafahoatra. Mbola nitabataba ihany ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy, ka hoy i Pilato tamin’i Jesosy: “Tsy renao ve ny hamaroan’ny fiampangany anao?” (Matio 27:13) Tsy namaly i Jesosy. Talanjona i Pilato satria tony tsara izy na dia tafahoatra aza ny fiampangana azy.
Nilaza ny Jiosy fa nanomboka nampianatra tany Galilia i Jesosy, ka fantatr’i Pilato fa Galilianina izy. Nahita hevitra mba tsy hitsarana an’i Jesosy àry i Pilato. Nalefany tany amin’i Heroda Antipasy (zanakalahin’i Heroda Lehibe) i Jesosy. Tao Jerosalema izy tamin’io fotoanan’ny Paska io. I Heroda no nampanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. Reny tatỳ aoriana hoe manao fahagagana i Jesosy, ka natahotra izy sao dia i Jaona natsangana tamin’ny maty i Jesosy.—Lioka 9:7-9.
Faly àry i Heroda fa hahita an’i Jesosy. Tsy hoe te hanampy an’i Jesosy anefa izy, na hoe te hahita raha mitombina ny fiampangana azy. Te hahalala zavatra fotsiny izy, ary “nanantena hahita azy hanao famantarana.” (Lioka 23:8) Tsy nanome fahafaham-po azy anefa i Jesosy. Tsy namaly mihitsy aza izy rehefa nanadihady azy i Heroda. Diso fanantenana i Heroda sy ny miaramilany, ka “nanaraby” an’i Jesosy. (Lioka 23:11) Nampitafiany lamba mangirana izy ary nataony ho fihomehezana. Naverin’i Heroda tany amin’i Pilato izy avy eo. Mpifahavalo i Heroda sy Pilato taloha, nefa lasa mpinamana be.
Nampiantso ny lehiben’ny mpisorona sy ny lohandohany teo amin’ny Jiosy ary ny vahoaka i Pilato, rehefa tonga tany aminy indray i Jesosy. Hoy izy: “Nofotopotorako teo anatrehanareo anefa izy, ary tsy hitako izay helony ny amin’izay iampanganareo azy. Na i Heroda koa aza tsy nahita izay helony, matoa naveriny tatỳ amintsika izy. Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty izy. Koa hofaiziko izy, ary hafahako.”—Lioka 23:14-16.
Tena te hanafaka an’i Jesosy i Pilato, satria fantany fa fialonana no nahatonga ny mpisorona hanolotra azy taminy. Nahita antony hafa hanafahana azy koa izy. Nampita izao hafatra izao taminy mantsy ny vadiny, raha mbola nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana izy: “Aza miditra amin’ny raharaha momba an’io olo-marina io ianao, fa nijaly be aho androany rehefa nanonofy azy.” (Matio 27:19) Toa nofy avy tamin’Andriamanitra ilay izy.
Tokony hanafaka an’io lehilahy tsy manan-tsiny io i Pilato. Ahoana anefa no hanaovany izany?
-
-
“Indro ny Lehilahy!”I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 129
“Indro ny Lehilahy!”
MATIO 27:15-17, 20-30 MARKA 15:6-19 LIOKA 23:18-25 JAONA 18:39–19:5
NANANDRANA NANAFAKA AN’I JESOSY I PILATO
I BARABASY NO NASAIN’NY JIOSY NAFAHANA
NATAO HO FIHOMEHEZANA SY NAMPIJALINA I JESOSY
Hoy i Pilato tamin’ireo nangataka ny hamonoana an’i Jesosy: “Tsy hitako izay helony ny amin’izay iampanganareo azy. Na i Heroda koa aza tsy nahita izay helony.” (Lioka 23:14, 15) Nitady hevitra hafa hanavotana an’i Jesosy i Pilato ka niteny hoe: “Araka ny fombanareo koa ange dia tokony hanafaka olona iray ho anareo aho rehefa Paska e! Koa tianareo hafahako ho anareo ve ilay mpanjakan’ny Jiosy?”—Jaona 18:39.
Fantatr’i Pilato fa nisy jiolahy mpandroba sy mpikomy ary mpamono olona atao hoe Barabasy tao am-ponja. Hoy àry izy: “Iza no tianareo hafahako ho anareo: I Barabasy sa i Jesosy ilay antsoina hoe Kristy?” I Barabasy no nofidin’ny vahoaka fa tsy i Jesosy, satria nampirisihin’ny lehiben’ny mpisorona hanao izany izy ireo. Hoy indray i Pilato: “Iza amin’izy roa lahy no tianareo hafahako ho anareo?” Niantsoantso ny vahoaka hoe: “Barabasy.”—Matio 27:17, 21.
Very hevitra i Pilato ka nanontany hoe: “Inona àry no hataoko amin’i Jesosy, ilay antsoina hoe Kristy?” Niara-niredona ny vahoaka hoe: “Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy!” (Matio 27:22) Mahamenatra ny nataon’izy ireo, satria olona tsy manan-tsiny no tiany hovonoina ho faty. Niangavy i Pilato hoe: “Fa nahoana? Inona no ratsy nataony? Tsy hitako mihitsy izay tokony hamonoana azy ho faty. Koa hofaiziko izy dia hafahako.”—Lioka 23:22.
Nitady fomba hanafahana an’i Jesosy foana i Pilato. Tezitra be anefa ny vahoaka ka niara-nikiakiaka hoe: “Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy!” (Matio 27:23) Lasa te hamono olona izy ireo satria nataon’ny mpitondra fivavahana izay hahatonga azy ireo hafana fo tafahoatra. Tsy mpanao heloka bevava na mpamono olona anefa no tiany hovonoina fa lehilahy tsy manan-tsiny, izay noarahabaina toy ny Mpanjaka tao Jerosalema dimy andro talohan’izay. Nangina sy nimpirimpirina ny mpianatr’i Jesosy raha teo.
Hitan’i Pilato fa tsy nisy vokany ny ezaka nataony. Vao mainka nisavorovoro ny vahoaka, ka naka rano izy ary nanasa tanana teo anatrehan’izy ireo sady niteny hoe: “Tsy tompon’andraikitra amin’ny fahafatesan’io lehilahy io aho, fa raharahanareo izany.” Tsy nihontsina ilay vahoaka fa niteny hoe: “Izahay sy ny zanakay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.”—Matio 27:24, 25.
Naleon’i Pilato Governora nampifaly ny vahoaka toy izay hanao ny rariny. Nafahany àry i Barabasy, araka ny notadiavin’izy ireo. Nasainy nesorina kosa ny akanjon’i Jesosy ary nokaravasina izy.
Nentin’ny miaramila tao an-dapan’ny governora i Jesosy. Niangona teo aminy izy ireo ary vao mainka nanao azy ho tsinontsinona. Nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo ary notereny hipetraka teo amin’ny lohany izany. Nasiany bararata koa teny an-tanan’i Jesosy havanana ary nampitafiany lamba mena midorehitra toy ny an’ny mpanjaka izy. Naneso azy izy ireo hoe: “Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!” (Matio 27:28, 29) Nororany izy ary nasiany tehamaina imbetsaka. Nalain’izy ireo ilay bararata teny an-tanany ary nikapohany ny lohany. Vao mainka nilentika tamin’ny hodi-dohany ireo tsilo tamin’ilay fehiloha, izay nataon’izy ireo toy ny satroboninahitra hanambaniana azy.
Tena nampiaiky an’i Pilato ny nahita fa tony sy natanja-tsaina foana i Jesosy. Tsy te ho tompon’andraikitra tamin’ny fanamelohana azy àry izy, ka niteny hoe: “Io àry izy fa entiko mivoaka eto aminareo mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay fahadisoany.” Nety ho nieritreritra ve i Pilato hoe hiova hevitra ny vahoaka rehefa mahita an’i Jesosy efa mangana sy mivoa-dra? Nitsangana teo anoloan’ilay vahoaka nanana fo vato i Jesosy. Hoy i Pilato: “Indro ny lehilahy!”—Jaona 19:4, 5.
Tena nampiaiky an’i Pilato ny nahita an’i Jesosy tony foana sy nangina, na dia efa maty vono sy feno ratra aza. Toa hita tamin’ny teniny mantsy fa nanaja sy nangoraka an’i Jesosy izy.
-
-
Natolotra ny Jiosy i Jesosy ary Nentina HovonoinaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 130
Natolotra ny Jiosy i Jesosy ary Nentina Hovonoina
MATIO 27:31, 32 MARKA 15:20, 21 LIOKA 23:24-31 JAONA 19:6-17
NIEZAKA NANAFAKA AN’I JESOSY I PILATO
NOHELOHINA I JESOSY ARY NENTINA HOVONOINA
Efa nampijalina sy nohambaniana i Jesosy. Niezaka nanafaka azy i Pilato, saingy tsy nety niova hevitra ny lehiben’ny mpisorona sy ny namany. Ny hamono azy ihany no masaka tao an-tsain’ireo. Tsy nitsahatra niantsoantso izy ireo hoe: “Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy! Fantsiho!” Hoy àry i Pilato: “Entonareo izy ka fantsiho amin’ny hazo fijaliana, fa izaho tsy mahita izay fahadisoany.”—Jaona 19:6.
Tsy naharesy lahatra an’i Pilato mba hamono an’i Jesosy noho ny antony politika ny Jiosy, ka nitady antony ara-pivavahana indray. Naveriny ilay fiampangana an’i Jesosy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, dia ilay hoe nanevateva an’Andriamanitra izy. Hoy izy ireo: “Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany, dia tokony ho faty izy, satria nanao ny tenany ho zanak’Andriamanitra.” (Jaona 19:7) Vaovao tamin’i Pilato io fiampangana io.
Niverina tao an-dapa i Pilato ary nitady hevitra hanafahana an’ilay lehilahy efa niaritra ny mafy. Nanonofy momba an’io lehilahy io koa ny vadin’i Pilato. (Matio 27:19) Nampangain’ny Jiosy indray izy io hoe milaza ny tenany ho “zanak’Andriamanitra.” Efa fantatr’i Pilato fa avy any Galilia i Jesosy, nefa hoy izy: “Avy aiza ianao?” (Lioka 23:5-7; Jaona 19:9) Nieritreritra angamba izy hoe nety ho efa nisy taloha i Jesosy ary irak’Andriamanitra.
I Jesosy mihitsy no nilaza tamin’i Pilato fa mpanjaka izy nefa tsy anisan’ity tontolo ity ny Fanjakany. Tsy te hilaza tsipiriany fanampiny izy ka nangina. Nandona ny hambom-pon’i Pilato izany ka tezitra izy ary niteny hoe: “Tsy miteny amiko ve ianao? Tsy fantatrao angaha fa manana fahefana hanafaka anao aho, ary manana fahefana hamantsika anao amin’ny hazo fijaliana?”—Jaona 19:10.
Namaly fotsiny i Jesosy hoe: “Tsy ho nanana fahefana amiko velively ianao raha tsy nomena anao avy tany ambony izany. Koa izay nanolotra ahy taminao no meloka kokoa.” (Jaona 19:11) Toa tsy nisy olona iray tena noeritreretin’i Jesosy teo. Te hilaza kosa izy fa manan-tsiny kokoa noho i Pilato i Kaiafa sy ny mpiray tsikombakomba taminy ary Jodasy Iskariota.
Nanaitra an’i Pilato ny fihetsik’i Jesosy sy ny teniny ary vao mainka izy natahotra sao irak’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Nanandrana nanafaka azy indray àry izy. Nilaza zavatra hafa tsy maintsy ho nampahatahotra an’i Pilato anefa ny Jiosy avy eo. Norahonan’izy ireo i Pilato hoe: “Tsy naman’i Kaisara ianao raha hafahanao io, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia manohitra an’i Kaisara.”—Jaona 19:12.
Nentin’ilay governora teo ivelany indray i Jesosy ary nipetraka teo amin’ny fitoeran’ny mpitsara izy sady niteny hoe: “Io ny mpanjakanareo!” Tsy niova hevitra mihitsy anefa ny Jiosy fa niantsoantso hoe: “Vonoy io! Vonoy io! Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy!” Nitalaho i Pilato hoe: “Hofantsihako amin’ny hazo fijaliana ve ny mpanjakanareo?” Efa ela no tsy tian’ny Jiosy ny fitondran’ny Romanina, nefa sahy niteny ny lehiben’ny mpisorona hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”—Jaona 19:14, 15.
Tsy nitsahatra nangataka ny hamonoana an’i Jesosy ny Jiosy. Natahotra àry i Pilato ka nilefitra ary nanolotra an’i Jesosy mba hovonoina. Nesorin’ny miaramila ilay lamba mena midorehitra teny amin’i Jesosy ary nampanaoviny azy indray ny akanjony. Nentin’izy ireo i Jesosy ary izy ihany no tsy maintsy nitondra ny hazo fijaliany.
Zoma 14 Nisana tamin’izay, ary efa nanakaiky ny mitataovovonana. Efa tsy natory i Jesosy nanomboka ny alakamisy vao maraina be ary nisesisesy ny fahoriana nanjo azy. Tsy nanana hery hibatana an’ilay tsato-kazo navesatra be intsony àry izy. Sendra nandalo i Simona avy any Kyrena, tanàna tatsy Afrika, ka noteren’ny miaramila hitondra an’ilay tsato-kazo tany amin’ny toerana hamonoana an’i Jesosy. Maro no nanaraka teny, ary nisy nitomany sy nikapo-tratra noho ny alahelo.
Hoy i Jesosy tamin’ireo vehivavy nalahelo azy: “Aza mitomany ahy intsony, ry zanakavavin’i Jerosalema, fa ny tenanareo sy ny zanakareo itomaniana. Ho avy mantsy ny andro hilazan’ny olona hoe: ‘Sambatra ny vehivavy momba, sy ny kibo tsy niteraka ary ny nono tsy ninonoan-jaza!’ Dia hanomboka hilaza amin’ny tendrombohitra izy ireo hoe: ‘Mianjerà aminay!’, ary amin’ny havoana hoe: ‘Saròny izahay!’ Koa raha izany no ataon’izy ireo amin’izao hazo mbola mando izao, mainka fa rehefa maina ny hazo?”—Lioka 23:28-31.
Ny firenena jiosy no tian’i Jesosy horesahina teo. Toy ny hazo efa ho faty nefa mbola misy mandomando kely izy io, satria mbola teo i Jesosy sy ny Jiosy sasany nino azy. Rehefa tsy ho eo intsony izy ireo, dia ho toy ny hazo maty efa maina ilay firenena, satria ho tafasaraka tanteraka amin’Andriamanitra. Hitomany be ny olona rehefa hampiasa ny tafika romanina Andriamanitra mba handringanana an’ilay firenena.
-
-
Nijaly teo Amin’ny Hazo Fijaliana Ilay Mpanjaka Tsy Manan-tsinyI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 131
Nijaly teo Amin’ny Hazo Fijaliana Ilay Mpanjaka Tsy Manan-tsiny
MATIO 27:33-44 MARKA 15:22-32 LIOKA 23:32-43 JAONA 19:17-24
NOFANTSIHANA TEO AMIN’NY HAZO FIJALIANA I JESOSY
NESOESOINA IZY NOHO ILAY SORATRA TEO AMBONIN’NY LOHANY
NAMPANANTENA FIAINANA MANDRAKIZAY AO AMIN’NY PARADISA ETO AN-TANY I JESOSY
Nentina novonoina tany amin’ny toerana iray tsy lavitra ny tanàna i Jesosy sy ny jiolahy roa. Nantsoina hoe Golgota na Ikarandoha ilay toerana, ary tazana avy lavitra.—Marka 15:40.
Nesorina ny akanjon’izy telo lahy ary nomena divay niharo miora sy zava-mangidy izy ireo. Toa vehivavy tao Jerosalema no nanamboatra an’io ranon-javatra mampitony fanaintainana io. Navelan’ny Romanina hisotro azy io ny olona hovonoina ho faty. Tsy nety nisotro anefa i Jesosy rehefa avy nanandrana an’ilay izy. Nahoana? Te hahatsiaro saina tsara izy mandritra an’io fotoam-pitsapana lehibe io, mba ho afaka ny tsy hivadika hatramin’ny farany.
Natsotra teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy. (Marka 15:25) Nofantsihan’ny miaramila ny tanany sy ny tongony ka rovitra ny nofony sy ny hozany ary nanaintaina be. Vao mainka nanaintaina izy rehefa natsangana ilay tsato-kazo, satria nisintona nidina ny vatany ka nitatra ny ratrany. Tsy nanome tsiny an’ireo miaramila anefa i Jesosy. Nivavaka kosa izy hoe: “Ray ô, mamelà azy ireo, fa tsy fantany izay ataony.”—Lioka 23:34.
Fanaon’ny Romanina ny mametaka takelaka milaza ny helok’ireo voaheloka ho faty. Izao no nasain’i Pilato nosoratana: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.” Nosoratana tamin’ny teny hebreo sy latinina ary grika izy io, ka afaka namaky azy io ny ankamaroan’ny olona. Hita amin’izany fa tena tsy tian’i Pilato ireo Jiosy nitaky ny hamonoana an’i Jesosy. Tsy faly ny lehiben’ny mpisorona ka niteny hoe: “Aza soratana hoe ‘Mpanjakan’ny Jiosy’, fa hoe: Izy no nilaza hoe: ‘Mpanjakan’ny Jiosy aho.’ ” Tsy nanaiky hanao izay tian’izy ireo intsony i Pilato ka namaly hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro.”—Jaona 19:19-22.
Tezitra be ny mpisorona ka naveriny indray ilay fiampangana diso tany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy. Tsy nahagaga raha nihivingivin-doha ny mpandalo sady nanevateva an’i Jesosy hoe: “Tsara ho anao izao ry ilay te handrodana ny tempoly sy hanorina azy ao anatin’ny telo andro! Vonjeo ny tenanao ka midìna avy eo amin’ny hazo fijaliana.” Nifampiresaka koa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hoe: “Aoka hidina avy eo amin’ny hazo fijaliana izao i Kristy Mpanjakan’ny Israely, mba ho hitantsika ka hinoantsika.” (Marka 15:29-32) Na ireo jiolahy teo ankavian’i Jesosy sy teo ankavanany aza nandatsa azy. I Jesosy anefa no tena tsy nanan-tsiny tamin’izy telo.
Nanao an’i Jesosy ho fihomehezana koa ireo miaramila romanina efatra. Nisotro divay marikivy angamba izy ireo ary natolony an’i Jesosy izany mba hanesoana azy. Mazava ho azy fa tsy afaka nandray sy nisotro an’ilay izy i Jesosy. Niresaka momba an’ilay soratra teo ambony lohan’i Jesosy izy ireo, ka nanaraby azy hoe: “Raha mpanjakan’ny Jiosy ianao, dia vonjeo ny tenanao.” (Lioka 23:36, 37) Mba eritrereto ange e! I Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, nefa nampijalina sy natao tsinontsinona izy. Tena tsy mendrika an’izany izy. Nahavita niaritra anefa izy ary tsy nisy nomeny tsiny na ireo Jiosy nijery azy teo, na ny miaramila romanina naneso azy, na ireo jiolahy roa teo anilany.
Nalain’ny miaramila efatra ny akanjo ivelan’i Jesosy ary nozarainy efatra. Nanao antsapaka izy ireo mba hahalalana hoe ho an’iza ny ampahany tsirairay. Tena tsara ny fitafian’i Jesosy anankiray, satria “tsy nisy zaitra, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany.” Hoy ireo miaramila: “Aleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka hahitana izay hahazo azy.” Tanteraka àry ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Nifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary nanaovany antsapaka ny akanjoko.”—Jaona 19:23, 24; Salamo 22:18.
Takatry ny iray tamin’ireo jiolahy taorian’izay hoe tena mpanjaka i Jesosy. Nibedy an’ilay namany izy hoe: “Mbola tsy matahotra an’Andriamanitra ihany ve ianao amin’izao ianao efa voaheloka izao? Rariny isika raha melohina, satria mendrika handray ny valin’asantsika, fa izy kosa, tsy mba nanao zavatra tsy nety.” Niangavy an’i Jesosy izy avy eo hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.”—Lioka 23:40-42.
Namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”, fa tsy ao amin’ilay Fanjakana. (Lioka 23:43) Tsy mitovy amin’izay nampanantenain’i Jesosy ny apostoliny izany. Nampanantena mantsy izy fa hiara-manjaka aminy ao amin’ilay Fanjakana izy ireo. (Matio 19:28; Lioka 22:29, 30) Jiosy io jiolahy io ary nety ho efa reny ny momba an’ilay Paradisa an-tany nomen’Andriamanitra ho fonenan’i Adama sy Eva sy ny taranany. Lasa nanana fanantenana àry ilay jiolahy talohan’ny hahafatesany.
-
-
“Zanak’Andriamanitra Tokoa Io”I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 132
“Zanak’Andriamanitra Tokoa Io”
MATIO 27:45-56 MARKA 15:33-41 LIOKA 23:44-49 JAONA 19:25-30
MATY TEO AMIN’NY TSATO-KAZO I JESOSY
NISY ZAVA-NITRANGA TSY NAHAZATRA TAMIN’IZY MATY
“Ora fahenina” tamin’izay, izany hoe mitataovovonana. Nisy haizina hafahafa ‘nanarona an’ilay faritra manontolo hatramin’ny ora fahasivy’, na tamin’ny telo ora tolakandro. (Marka 15:33) Tsy vokatry ny fanakona-masoandro ilay haizina. Rehefa tsinam-bolana mantsy no misy fanakona-masoandro, nefa fenomanana tamin’izay satria fotoanan’ny Paska. Naharitra ela koa ilay haizina fa tsy minitra vitsy toy ny fanakona-masoandro. Andriamanitra àry no nahatonga azy io.
Alao sary an-tsaina ny vokatr’io haizina io teo amin’ireo naneso an’i Jesosy. Nanatona an’ilay hazo fijaliana ny renin’i Jesosy, Salome, Maria Magdalena, ary Maria renin’i Jakoba kely apostoly.
Niaraka tamin’i Maria renin’i Jesosy ‘teo akaikin’ny hazo fijaliana’ ny apostoly Jaona. Nalahelo be i Maria ka toy ny “voatrobaky ny sabatra”, rehefa nahita an’ilay zanaka naterany sy notezainy nijalijaly teo amin’ny tsato-kazo. (Jaona 19:25; Lioka 2:35) Nanaintaina be i Jesosy nefa mbola nihevitra izay hahasoa ny reniny. Niezaka nanetsika ny lohany nanondro an’i Jaona izy sady niteny tamin’ny reniny hoe: “Io ny zanakao, ravehivavy!” Nanetsika ny lohany nanondro an’i Maria izy avy eo, ary niteny tamin’i Jaona hoe: “Io ny reninao!”—Jaona 19:26, 27.
Nankinin’i Jesosy tamin’ilay apostoly tena tiany ny fikarakarana ny reniny, izay angamba efa maty vady tamin’izay. Fantatr’i Jesosy fa mbola tsy nino azy ny rahalahiny iray tam-po aminy. Nataony àry izay hahazoan’ny reniny an’izay nilainy teo amin’ny fiainana sy teo amin’ny ara-panahy. Modely ho antsika tokoa izy!
Hoy i Jesosy rehefa nisinda ilay haizina: “Mangetaheta aho.” Nanatanteraka an’izay voalazan’ny Soratra Masina izany. (Jaona 19:28; Salamo 22:15) Tsapan’i Jesosy fa toy ny hoe tsy niaro azy intsony ny Rainy, ka namela azy iharam-pitsapana faran’izay mafy mba hahitana raha tena tsy hivadika izy. Niantso mafy i Kristy hoe: “Ely, Ely, lamà sabaktany?”, izany hoe “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” Tsy nahazo izay nolazainy ny olona sasany nijoro teo ka niteny hoe: “Jereo fa miantso an’i Elia izy.” Nihazakazaka ny iray taminy, nanatsoboka spaonjy tao anaty divay marikivy, nanao izany teo amin’ny bararata iray, ary nanome an’izany mba hosotroin’i Jesosy. Hoy kosa ny hafa: “Avelao izy! Aoka hojerentsika raha ho avy hampidina azy i Elia.”—Marka 15:34-36.
Hoy i Jesosy avy eo: “Vita!” (Jaona 19:30) Vitany tokoa izay rehetra nampanaovin’ny Rainy azy tetỳ an-tany. Farany dia hoy izy: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” (Lioka 23:46) Nankininy tamin’ny Rainy ny hery mamelona azy ka natoky izy fa haverin’i Jehovah aminy izany. Nanondrika ny lohany izy avy eo ary maty. Nitoky tamin’Andriamanitra hatramin’ny farany izy.
Nisy horohoron-tany mafy tamin’izay ka nitresaka ny vatolampy. Tena mafy ilay izy ka nisokatra hatramin’ny fasana teny ivelan’i Jerosalema, ary tafavoaka ny faty. Niditra tao amin’ilay “tanàna masina” ny olona nahita an’ireo faty ary nitantara an’izay hitany.—Matio 12:11; 27:51-53.
Nisy ridao lava be sy matevim-be nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany izy io rehefa maty i Jesosy. Hita tamin’izany zava-nitranga mampitolagaga izany fa tezitra tamin’ireo namono ny Zanany Andriamanitra. Nidika koa izany fa lasa azo natao ny niditra tao amin’ny Masina Indrindra, izany hoe ny lanitra.—Hebreo 9:2, 3; 10:19, 20.
Ara-dalàna raha natahotra be ny olona. Hoy ilay manamboninahitra niandraikitra ny famonoana an’i Jesosy: “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.” (Marka 15:39) Nety ho teo izy rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pilato i Jesosy ka nofotopotorana raha Zanak’Andriamanitra tokoa. Niaiky izy izao fa tsy manan-tsiny i Jesosy ary tena Zanak’Andriamanitra.
Taitra noho ilay zava-nitranga tsy nahazatra ny olona sasany ka nody ary “nikapo-tratra”, satria nalahelo be sady menatra. (Lioka 23:48) Niaraka tamin’ireo nitazana avy teny lavitra ny vehivavy maro mpianatr’i Jesosy, izay efa niara-dia taminy. Tena nampihetsi-po azy ireo izay rehetra nitranga.
-
-
Nokarakaraina ny Vatan’i Jesosy ary NalevinaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
TOKO 133
Nokarakaraina ny Vatan’i Jesosy ary Nalevina
MATIO 27:57–28:2 MARKA 15:42–16:4 LIOKA 23:50–24:3 JAONA 19:31–20:1
NESORINA TEO AMIN’NY TSATO-KAZO NY VATAN’I JESOSY
NOKARAKARAINA MBA HALEVINA NY VATANY
FASANA TSY NISY NA INONA NA INONA NO HITAN’IREO VEHIVAVY
Zoma harivan’ny 14 Nisana tamin’izay. Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro tamin’io ny Sabata 15 Nisana. Efa maty i Jesosy fa mbola velona kosa ireo jiolahy roa teo anilany. Nilaza ny Lalàna fa ‘tsy tokony hajanona eo amin’ny tsato-kazo mandritra ny alina ny faty’, fa tokony halevina “ny androtr’iny ihany.”—Deoteronomia 21:22, 23.
Natao hoe Andro Fiomanana io zoma tolakandro io, satria tamin’io ny olona no nanomana ny sakafo nilaina tamin’ny Sabata sy namita ny asa tsy afaka niandry taorian’izay. Sabata “lehibe” na Sabata roa sosona ilay Sabata 15 Nisana. (Jaona 19:31) Nahoana? Sabata foana ny andro voalohany amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, izay maharitra fito andro. (Levitikosy 23:5, 6) Nifanindry tamin’ny Sabata isan-kerinandro na ny andro fahafito anefa ilay izy tamin’io, ka lasa Sabata “lehibe.”
Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hatao izay hahafaty haingana an’i Jesosy sy ireo jiolahy roa. Nila notapahina àry ny ranjon’izy ireo. Amin’izay izy ireo tsy afaka mampiasa ny tongony mba hampiakarana ny vatany, dia tsy afaka mifoka rivotra. Notapahin’ny miaramila ny ranjon’ireo jiolahy. Toa efa maty anefa i Jesosy ka tsy notapahina ny ranjony. Tanteraka àry ny Salamo 34:20 hoe: “Arovany daholo ny taolan’izany olona izany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.”
Te hahazo antoka ny miaramila iray fa maty i Jesosy ka nolefoniny ny takibany, teo amin’ny nisy ny fony. “Tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.” (Jaona 19:34) Tanteraka koa àry ilay hoe: “Hijery an’Ilay nolefoniny izy ireo.”—Zakaria 12:10.
Nanatrika ny famonoana an’i Jesosy i Josefa avy any Arimatia, izay “lehilahy mpanankarena.” (Matio 27:57) Olo-manan-kaja anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy. Voalaza fa “tsara toetra sy marina” izy ary “niandry ny fanjakan’Andriamanitra.” “Mpianatr’i Jesosy” izy “saingy tsy niseho ho mpianany noho ny fahatahorany ny Jiosy.” (Lioka 23:50; Marka 15:43; Jaona 19:38) Tsy nanohana an’ilay didim-pitsarana momba an’i Jesosy àry izy. Sahy nangataka ny fatin’i Jesosy tamin’i Pilato i Josefa. Nanontany an’ilay manamboninahitra niandraikitra ny famonoana an’i Jesosy i Pilato. Nanome toky azy izy io fa tena maty i Jesosy, ka neken’i Pilato ny fangatahan’i Josefa.
Nividy lamba rongony madio sy tena tsara i Josefa ary nesoriny teo amin’ny tsato-kazo ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny an’ilay lamba. Nanampy azy i Nikodemosy, “ilay lehilahy tonga alina tao amin’i Jesosy tamin’ny voalohany.” (Jaona 19:39) Nitondra miora sy hazo manitra lafo vidy nilanja 100 livatra teo ho eo (33 kilao teo ho eo) izy. Nofonosiny lamba niaraka tamin’ireo zavamaniry ireo ilay faty, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa handevina.
Nanana fasana mbola tsy nandevenana nolavahana teo amin’ny vatolampy i Josefa, tsy lavitra teo. Nataony tao ny fatin’i Jesosy ary nakodia teo anoloan’ilay izy ny vato be iray. Natao haingana izany, dieny mbola tsy nanomboka ny Sabata. Nety ho nanampy tamin’ny fikarakarana ny fatin’i Jesosy koa i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba kely. Nody haingana izy ireo avy eo mba “hanomana zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra.” (Lioka 23:56) Tiany hahosotra amin’ny vatan’i Jesosy izany aorian’ny Sabata.
Nankany amin’i Pilato ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny ampitso, izany hoe ny Sabata, ka niteny hoe: “Tsaroanay izay nolazain’iny mpisandoka iny fony fahavelony hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’ Koa asaivo atao tsara ambina ny fasana hatramin’ny andro fahatelo, sao ho avy ny mpianany ka hangalatra azy ary hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’ Dia ho ratsy noho ny voalohany izany fisandohana farany izany.” Koa hoy i Pilato: “Manana mpiambina ianareo. Mandehana ataovy tsara ambina araka izay vitanareo ny fasana.”—Matio 27:63-65.
Nankany am-pasana vao maraina be i Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba ary ny vehivavy hafa, ny alahady. Nitondra zavamanitra izy ireo mba hatao amin’ny fatin’i Jesosy. Nifampiresaka izy ireo hoe: “Iza re no hasaintsika hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana e?” (Marka 16:3) Nisy horohoron-tany anefa. Efa nakodian’ny anjelin’i Jehovah koa ny vato, tsy teo intsony ny mpiambina, ary foana ny fasana.
-