FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Vehivavy maromaro gaga be mahita hoe foana ny fasan’i Jesosy

      TOKO 134

      Foana ny Fasana fa Velona i Jesosy!

      MATIO 28:3-15 MARKA 16:5-8 LIOKA 24:4-12 JAONA 20:2-18

      • NATSANGANA TAMIN’NY MATY I JESOSY

      • IREO ZAVA-NITRANGA TEO AMIN’NY FASAN’I JESOSY

      • NISEHO TAMIN’NY VEHIVAVY MAROMARO IZY

      Azo antoka fa taitra be ireo vehivavy tonga teo am-pasana, satria toa tsy nisy na inona na inona tao. Nihazakazaka i Maria Magdalena nankany amin’i “Simona Petera sy ilay mpianatra anankiray tian’i Jesosy”, dia ny apostoly Jaona. (Jaona 20:2) Nahita anjely iray ireo vehivavy nijanona teo am-pasana. Nisy anjely iray “nanao akanjo fotsy lava” koa tao am-pasana.—Marka 16:5.

      Hoy ilay anjely iray: “Aza matahotra. Fantatro fa i Jesosy, ilay nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato izy fa efa natsangana, araka ny efa nolazainy. Avia, jereo fa teo no nandriany. Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy ary hialoha anareo any Galilia.’ ” (Matio 28:5-7) “Nangovitra sy nihetsi-po mafy” ireo vehivavy ireo ka nihazakazaka nilaza tamin’ireo mpianatra.—Marka 16:8.

      Efa nahita an’i Petera sy Jaona i Maria tamin’izay. Mbola sempotsempotra izy nilaza hoe: “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo, ary tsy fantatray izay nametrahany azy.” (Jaona 20:2) Tonga dia lasa nihazakazaka i Petera sy Jaona. Haingana kokoa i Jaona ka izy no tonga aloha tany am-pasana. Nitsikilo tao anatiny izy ary nahita an’ireo fehim-paty, nefa tsy niditra.

      Tonga dia niditra kosa i Petera rehefa tonga ary nahita an’ilay fehim-paty sy ilay lamba natao teo amin’ny lohan’i Jesosy. Izay i Jaona vao niditra ka nino ny tenin’i Maria. Tsy azon’izy roa lahy hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy, na dia efa noresahiny aza izany. (Matio 16:21) Very hevitra izy ireo ka lasa nody. I Maria kosa niverina teo am-pasana ary nijanona teo.

      Ireo vehivavy hafa indray nihazakazaka nilaza tamin’ny mpianatra hoe efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nifanena tamin’izy ireo i Jesosy ka nilaza hoe: “Manahoana ianareo!” Avy hatrany izy ireo dia “niankohoka teo anatrehany.” Hoy i Jesosy avy eo: “Aza matahotra! Mandehana milaza amin’ny rahalahiko mba ho any Galilia, fa any no hahitany ahy.”—Matio 28:9, 10; Lioka 24:8-10.

      Nisy horohoron-tany talohan’izay ary nisy anjely niseho. “Tora-kovitra” àry ny miaramila teo am-pasana, ka “tsy nahahetsika toy ny maty.” Nankany an-tanàna izy ireo rehefa nahazo aina, ary “nilaza tamin’ny lehiben’ny mpisorona ny zava-nitranga rehetra.” Nikaon-doha ny anti-panahin’ny Jiosy sy ny mpisorona. Nanapa-kevitra izy ireo fa homena vola ny miaramila, mba tsy hitantara an’izay nitranga fa hilaza hoe: “Tonga alina ny mpianany nangalatra azy raha mbola natory izahay.”—Matio 28:4, 11, 13.

      Nety ho novonoina ho faty ny miaramila romanina raha resin-tory teo am-perinasa. Nampanantena azy ireo àry ireo mpisorona hoe: “Horesenay lahatra ny governora raha reny izany [ilay lainga hoe natory izy ireo], ka tsy misy tokony hatahoranareo.” (Matio 28:14) Noraisin’ireo miaramila ilay vola ary narahiny ny tenin’ny mpisorona. Niely teo amin’ny Jiosy àry ilay lainga hoe nisy nangalatra ny fatin’i Jesosy.

      Mbola nitomany teo am-pasana i Maria Magdalena. Niondrika nijery ny tao am-pasana izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy. Ny iray teo an-dohan’ilay nisy an’i Jesosy ary ny iray teo an-tongotra. Nanontany izy ireo hoe: “Nahoana no mitomany ianao, ravehivavy?” Namaly i Maria hoe: “Nisy naka ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahany azy.” Nitodika izy ary nahita olon-kafa. Namerina ny fanontanian’ireo anjely izy io ary nilaza hoe: “Fa iza no tadiavinao?” Noheverin’i Maria fa mpanao zaridaina izy ka hoy i Maria: “Mba lazao amiko, tompoko, izay nametrahanao azy hakako azy, raha ianao no naka azy.”—Jaona 20:13-15.

      I Jesosy natsangana tamin’ny maty io niresahan’i Maria io fa tsy fantany. Fantany ihany anefa izy rehefa niantso azy hoe: “Maria!” Ilay fomba mahazatra firesahan’i Jesosy taminy no nahalalany azy. Faly be i Maria ary niteny hoe: “Rabôny!” (midika hoe “Mpampianatra!”) Namikitra tamin’i Jesosy i Maria satria natahotra sao efa hiakatra any an-danitra izy. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mamikitra amiko fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehana any amin’ny rahalahiko ary lazao aminy hoe: ‘Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.’ ”—Jaona 20:16, 17.

      Nihazakazaka tany amin’ny toerana nivorian’ny apostoly sy ny mpianatra hafa i Maria avy eo, ary niteny hoe: “Nahita ny Tompo aho!” (Jaona 20:18) Efa nisy vehivavy hafa koa nilaza tamin’izy ireo hoe nahita an’i Jesosy. Noheverin’izy ireo fa “niteniteny foana” anefa ireo vehivavy ireo.—Lioka 24:11.

      • Rehefa hitan’i Maria Magdalena fa foana ilay fasana, inona no nataony ary inona no nitranga tamin’ireo vehivavy hafa?

      • Inona no nataon’i Petera sy Jaona rehefa hitan’izy ireo fa foana ilay fasana?

      • Iza no nifanena tamin’ireo vehivavy nandeha nilaza tamin’ny mpianatra, ary inona no nitranga rehefa niverina teo am-pasana i Maria Magdalena?

      • Ahoana no nandraisan’ireo mpianatra ny zavatra nolazain’ireo vehivavy?

  • Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
    • Miseho amin’i Tomasy i Jesosy natsangana tamin’ny maty

      TOKO 135

      Niseho Tamin’ny Olona Maro i Jesosy Efa Natsangana Tamin’ny Maty

      LIOKA 24:13-49 JAONA 20:19-29

      • NISEHO TAMIN’NY MPIANATRA TENY AMIN’NY LALANA HO ANY EMAOSY I JESOSY

      • NOHAZAVAINY TAMIN’NY MPIANANY FOANA NY SORATRA MASINA

      • TSY NISALASALA INTSONY I TOMASY

      Kivy ny mpianatra ny alahady 16 Nisana. Tsy azon’izy ireo hoe nahoana no foana ilay fasana. (Matio 28:9, 10; Lioka 24:11) Niala tao Jerosalema i Kleopasy sy ny mpianatra iray hafa tamin’io andro io ary nankany Emaosy. Lalana 11 kilaometatra teo ho eo izany.

      Niresaka an’izay nitranga izy ireo teny an-dalana. Tafaraka tamin’izy ireo avy eo ny lehilahy iray tsy fantany. Hoy izy io: “Inona izany iadianareo hevitra etỳ an-dalana izany?” Namaly i Kleopasy hoe: “Vahiny mipetraka irery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?” Hoy ilay lehilahy: “Zavatra inona?”—Lioka 24:17-19.

      Namaly izy ireo hoe: “Ny momba an’i Jesosy avy any Nazareta.” Hoy koa izy ireo: ‘Nanantena izahay fa izy no voatendry hanafaka ny Israely.’—Lioka 24:19-21.

      Notantarain’i Kleopasy sy ny namany an’ilay lehilahy izay nitranga tamin’io andro io. Nitantara izy ireo fa nisy vehivavy nankany amin’ny fasan’i Jesosy ka nahita fa foana ilay fasana sady nahita maso an’ireo anjely nilaza hoe velona i Jesosy. Nilaza izy roa lahy fa nisy olon-kafa koa nankany amin’ilay fasana ka nahita an’izay “nolazain’ireo vehivavy.”—Lioka 24:24.

      Tsy azon’ireo mpianatra roa lahy ny dikan’ilay zava-nitranga. Diso hevitra izy ireo ary nisy vokany teo amin’ny fony izany. Hentitra àry ilay lehilahy nanitsy azy ireo hoe: “Tsy mieritreritra ianareo, ary votsa fo ka ela vao mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany! Moa tsy tokony hiaritra an’izany rehetra izany ve i Kristy, ka hiditra ao amin’ny voninahiny?” (Lioka 24:25, 26) Nohazavainy tamin’izy ireo avy eo ny andinin-teny maro momba an’i Kristy.

      Mbola te hihaino an’ilay lehilahy ireo mpianatra roa rehefa tonga teo akaikin’i Emaosy izy telo lahy. Hoy àry ireo mpianatra: “Mijanòna atỳ aminay fa efa ho hariva izao, ary efa hifarana ny andro.” Nanaiky ilay lehilahy ary niara-nisakafo izy ireo. Fantatr’izy ireo fa i Jesosy ilay lehilahy rehefa nivavaka sy nanapaka ny mofo izy ary nanolotra izany ho azy ireo. Nanjavona anefa izy avy eo. (Lioka 24:29-31) Izay izy ireo vao tena nino hoe velona i Jesosy.

      Falifaly erỳ izy roa lahy nifampiresaka hoe: “Tsy toy ny nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin’izy niresaka tamintsika teny an-dalana, ka nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32) Niverina haingana tany Jerosalema izy ireo ka nahita ny apostoly sy ny olon-kafa niaraka taminy. Mbola tsy nitantara izay nitranga i Kleopasy sy ny namany, dia efa nisy nilaza hoe: “Tena marina fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona!” (Lioka 24:34) Nitantara ny nisehoan’i Jesosy taminy izy roa lahy avy eo. Nahita maso azy koa izy roa lahy.

      Taitra be izy rehetra avy eo fa niseho tao amin’ilay efitra nisy azy i Jesosy. Tsy nampino izany satria nihidy ny varavarana noho izy ireo natahotra ny Jiosy. Nijoro teo afovoan’izy ireo anefa i Jesosy ary niteny hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Natahotra izy ireo ary ‘nihevitra fa anjely no hitany.’ Efa nieritreritra toy izany izy ireo, indray mandeha.—Lioka 24:36, 37; Matio 14:25-27.

      Nasehon’i Jesosy an’ireo mpianatra ny tanany sy ny tongony mba hanaporofoana fa tsy nanonofy fotsiny izy ireo na nahita anjely, fa tena i Jesosy nitafy nofo no teo anoloany. Hoy izy: “Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no manjary misalasala ianareo ao am-ponareo? Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa izaho ihany ity. Ary tsapao aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana toy izao ahitanareo ahy izao.” (Lioka 24:36-39) Faly be izy ireo sady gaga, nefa mbola tsy tena nino ihany.

      Hoy ihany i Jesosy mba hanampiana azy ireo: “Manan-javatra azo hanina ve ianareo ato?” Nomen’izy ireo sombin-trondro natono izy ka nihinana. Hoy izy avy eo: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo [talohan’ny nahafatesako], fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo.”—Lioka 24:41-44.

      Efa nanampy an’i Kleopasy sy ny namany mba hahazo ny voalazan’ny Soratra Masina i Jesosy. Nampiany indray ireo rehetra tafavory teo ka hoy izy: “Araka izany, dia efa voasoratra fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary amin’ny anarany no hitoriana any amin’ny firenena rehetra ny fibebahana hahazoana famelan-keloka. Manomboka eto Jerosalema, dia ho vavolombelon’izany ianareo.”—Lioka 24:46-48.

      Tsy teo ny apostoly Tomasy tamin’izay. Falifaly erỳ ny hafa andro vitsivitsy tatỳ aoriana nilaza taminy hoe: “Nahita ny Tompo izahay!” Hoy anefa i Tomasy: “Raha tsy hitako ny mariky ny fantsika eo amin’ny tanany ka ataoko eo amin’ilay marika ny rantsantanako, ary ataoko eo amin’ny takibany ny tanako, dia tsy hino mihitsy aho.”—Jaona 20:25.

      Nivory tao anaty trano mihidy indray ny mpianatra, valo andro tatỳ aoriana, ary teo i Tomasy. Nitafy nofo i Jesosy ary niseho teo afovoan’izy ireo indray sady niteny hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Hoy izy tamin’i Tomasy: “Ataovy eto ny rantsantananao, ary jereo ny tanako, ary ataovy eto amin’ny takibako ny tananao. Ary aza mba anisan’ny tsy mino intsony fa minoa.” Hoy i Tomasy: “Ry Tompoko sy Andriamanitro!” (Jaona 20:26-28) Izay izy vao tena nino hoe velona i Jesosy ary lasa anjely mahery solontenan’i Jehovah Andriamanitra.

      Hoy i Jesosy: “Noho ianao nahita ahy ve no inoanao? Sambatra izay tsy mahita nefa mino.”—Jaona 20:29.

      • Inona no nanontanian’ny lehilahy iray an’ireo mpianatra roa ho any Emaosy?

      • Nahoana no toy ny nisy afo niredareda tao am-pon’ireo mpianatra roa lahy?

      • Inona no zavatra mahafaly ren’i Kleopasy sy ny namany rehefa niverina tao Jerosalema izy ireo, ary inona no nitranga avy eo?

      • Inona no naharesy lahatra an’i Tomasy hoe velona i Jesosy?

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara