-
Lasa Mesia i JesosyAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 74
Lasa Mesia i Jesosy
Efa nitory i Jaona hoe: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy.’ Rehefa 30 taona teo ho eo i Jesosy, dia niala tany Galilia ary nankany amin’ny Reniranon’i Jordana, tany amin’ilay nanaovan’i Jaona batisa. Tian’i Jesosy hanao batisa azy koa mantsy i Jaona. Tsy nanaiky anefa izy. Hoy izy: ‘Ianao aza no tokony hanao batisa an’ahy!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ataovy fa izany no tian’i Jehovah!’ Nidina tao amin’ny Reniranon’i Jordana àry ry zareo, dia nandroboka tanteraka an’i Jesosy tao anaty rano i Jaona.
Nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy avy eo, ary nivavaka. Nisokatra ny lanitra tamin’izay ka nidina teo aminy ny fanahin’Andriamanitra. Hoatran’ny voromailala ilay izy. Dia niteny avy tany an-danitra i Jehovah hoe: “Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.”
Lasa Kristy, na Mesia, i Jesosy rehefa nahazo ny fanahin’i Jehovah. Hanomboka an’ilay asa nanirahan’i Jehovah azy tetỳ an-tany amin’izay izy izao.
Vao vita batisa i Jesosy, dia nankany an-tany efitra ary nijanona tany 40 andro. Nankany amin’i Jaona izy rehefa niverina. Dia hoy i Jaona rehefa nanatona i Jesosy: ‘Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy no hanala ny fahotan’izao tontolo izao.’ Niteny an’izany i Jaona mba ho fantatry ny olona hoe i Jesosy no Mesia. Ary inona no nitranga tamin’i Jesosy tamin’izy tany an-tany efitra? Andao hojerentsika izany.
“Nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: ‘Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.’”—Marka 1:11
-
-
Naka Fanahy An’i Jesosy ny DevolyAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 75
Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly
Rehefa vita batisa i Jesosy, dia nentin’ny fanahy masina tany an-tany efitra. Tsy nihinana na inona na inona izy nandritra ny 40 andro ka noana be. Naka fanahy azy àry ny Devoly dia niteny hoe: ‘Raha tena Zanak’Andriamanitra ianao, dia ataovy lasa mofo ireto vato ireto.’ Nanonona andinin-teny anefa i Jesosy rehefa namaly azy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe tsy ny mofo ihany no ilainao mba hahavelona anao, fa ilainao koa ny mihaino ny tenin’i Jehovah.’
Hoy indray ny Devoly tamin’i Jesosy: ‘Raha tena Zanak’Andriamanitra ianao, dia mitsambikìna avy eo amin’ny fara tampon’ny tempoly. Fa voasoratra hoe handefa anjely hamonjy anao Andriamanitra.’ Mbola nanonona andinin-teny ihany anefa i Jesosy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe aza maka fanahy an’i Jehovah.’
Nasehon’i Satana an’i Jesosy avy eo ny fanjakana rehetra teto an-tany sy ny harenany ary ny lazany. Dia hoy izy: ‘Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha mivavaka amiko indray mandeha fotsiny ianao.’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Mandehana ianao ry Satana! Fa voasoratra hoe i Jehovah irery ihany no tokony hivavahanao.’
Dia lasa nandeha ny Devoly, ary nisy anjely tonga nanome sakafo an’i Jesosy. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Jesosy nanomboka teo. Izany mantsy no nanirahana azy tetỳ an-tany. Tian’ny olona ny zavatra nampianariny, ka nanaraka azy hatraiza hatraiza ry zareo.
“Mandainga [ny Devoly] satria efa izay no maha izy azy. Mpandainga mantsy izy sady rain’ny lainga.”—Jaona 8:44
-