-
Nanadio ny Tempoly i JesosyAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 76
Nanadio ny Tempoly i Jesosy
Nankany Jerosalema i Jesosy tamin’ny Aprily taona 30. Be dia be ny olona tonga nankalaza ny Paska tao tamin’izay, dia nanao sorona biby tao amin’ny tempoly. Anisan’ny fanao tamin’io fety io mantsy izany. Nitondra biby ny olona sasany, fa ny hafa kosa nividy tao Jerosalema.
Rehefa niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy, dia nahita olona nivarotra biby. Aiza ve ka trano natao hivavahana amin’i Jehovah, nefa nataon-dry zareo hitadiavana vola! Dia ahoana hoy i Jesosy? Nanamboatra karavasy tamin’ny tady izy, dia noroahiny tany ivelan’ny tempoly daholo ireo ondry sy omby. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola, dia nararany tamin’ny tany ny volan-dry zareo. Dia hoy i Jesosy tamin’ny mpivarotra voromailala: ‘Ento mandeha any ireo! Aza atao toerana fitadiavam-bola ny tranon’ny Raiko!’
Gaga be ny olona tao amin’ny tempoly nahita an’i Jesosy nanao an’izany. Dia tadidin’ny mpianany ilay faminaniana momba ny Mesia hoe: ‘Hafana fo be hiaro ny tranon’i Jehovah aho.’
Mbola nanadio ny tempoly indray i Jesosy tamin’ny taona 33. Tsy navelany hisy hanao tsinontsinona ny tranon’ny Rainy mihitsy.
“Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” —Lioka 16:13
-
-
Ilay Vehivavy teo Amin’ny LavadranoAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 77
Ilay Vehivavy teo Amin’ny Lavadrano
Niverina tany Galilia i Jesosy sy ny mpianany taorian’ny Paska. Lalana nandalo tany Samaria no nandehanan-dry zareo. Rehefa tonga teo akaikin’ny tanànan’i Sykara ry zareo, dia nijanona naka aina teo amin’ny toerana antsoina hoe lavadranon’i Jakoba i Jesosy. Ny mpianany kosa lasa nividy sakafo tao an-tanàna.
Nisy vehivavy tonga hantsaka tamin’izay. Hoy i Jesosy taminy: ‘Mba omeo rano ange aho hosotroiko e!’ Dia hoy izy: ‘Ary ianao toa miresaka amiko nefa izaho Samaritanina? Tsy miresaka aminay ange ny Jiosy e!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Raha fantatrao hoe iza aho, dia hangataka rano amiko ianao, dia homeko rano velona.’ Hoy ilay vehivavy: ‘Inona no tianao hotenenina? Ianao aza tsy manana fakana rano akory!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izay misotro amin’ny rano omeko azy dia tsy hangetaheta intsony mihitsy.’ Hoy ilay vehivavy: ‘Mba omeo amin’izany aho, tompoko.’
Dia hoy i Jesosy taminy: ‘Ento atỳ ny vadinao.’ Fa hoy izy: ‘Tsy manambady aho.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ie, marina izany. Efa indimy nanambady ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao.’ Dia hoy ilay vehivavy: ‘Tena mpaminany ianao! Ny olona atỳ aminay mino hoe afaka mivavaka amin’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity izahay, fa ny Jiosy miteny hoe any Jerosalema ihany. Fa izaho mino hoe rehefa tonga ny Mesia, dia hampianariny antsika hoe ahoana no hatao.’ Dia hoy i Jesosy: ‘Izaho no Mesia.’ Mbola tsy niteny an’izany tamin’olona mihitsy i Jesosy talohan’izay.
Nankao an-tanàna haingana ilay vehivavy, ary niteny tamin’ny Samaritanina hoe: ‘Hoatran’ny Mesia ilay hitako arỳ. Fantany daholo ny momba an’ahy. Andao ange hijery an’azy e!’ Dia nanaraka azy nankany amin’ilay lavadrano ny olona ka nihaino an’i Jesosy nampianatra.
Nasain-dry zareo nijanona tao an-tanàna i Jesosy. Nampianatra tao roa andro izy, ka be dia be no lasa nino azy. Hoy ry zareo tamin’ilay vehivavy: ‘Rehefa avy nihaino an’azy izahay, dia lasa fantatray hoe izy tokoa no hanavotra an’izao tontolo izao.’
“‘Avia!’ Dia aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17
-