FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nitory Momba An’ilay Fanjakana i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Jesosy sy ny mpianany anankiray, mitory

      LESONA 78

      Nitory Momba An’ilay Fanjakana i Jesosy

      Vao vita batisa kelikely i Jesosy, dia nanomboka nitory hoe: ‘Efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.’ Nitety an’i Galilia sy Jodia izy, ary nanaraka azy ny mpianany. Niverina tany Nazareta, tanàna nahalehibe azy, izy avy eo, ary nankao amin’ny synagoga. Dia namaky mafy ny horonam-bokin’i Isaia izy, hoe: ‘Nomen’i Jehovah fanahy masina aho mba ho afaka hitory ny vaovao tsara.’ Inona no tiany hotenenina? Hoe ny hitory ny vaovao tsara no tena nanomezana fanahy masina azy, fa tsy ny hanao fahagagana, na dia tena tian’ny olona aza izany. Hoy izy avy eo: ‘Androany no tanteraka izany faminaniana izany.’

      Nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy avy eo. Nihaona tamina mpanarato efatra izy tany, dia i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Lasa anisan’ny mpianany izy efa-dahy. Hoy mantsy i Jesosy tamin-dry zareo: ‘Andao hanaraka an’ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.’ Tonga dia nanaraka an’i Jesosy ry zareo ary navelany ny asany. Nandeha eran’i Galilia ry zareo nitory ny Fanjakan’i Jehovah tao amin’ny synagoga, teny an-tsena, ary teny an-dalana. Nisy vahoaka be nanaraka an-dry zareo, na taiza na taiza nalehany. Lasa nalaza be àry i Jesosy, ka tonga hatrany Syria mihitsy ny lazany.

      Nomen’i Jesosy hery koa ny mpianany sasany, ka afaka nanasitrana olona marary sy namoaka demonia. Ny hafa kosa nanaraka azy nitety tanàna mba hitory. Nisy vehivavy be dia be koa nino azy, anisan’izany i Maria Magdalena sy Johana ary Sosana. Nikarakara an’i Jesosy sy ny mpianany ry zareo.

      Nampiofanin’i Jesosy ny mpianany, dia avy eo nalefany nitory. Be dia be àry no lasa mpianatr’i Jesosy dia natao batisa, rehefa nitory tany Galilia ry zareo. Betsaka no te ho lasa mpianany ka nampitovin’i Jesosy tamin’ny saha feno vokatra azo alaina ry zareo. Hoy izy: ‘Mivavaha amin’i Jehovah mba handefa mpiasa betsaka kokoa haka ny vokatra.’ Nifidy 70 lahy tamin’ny mpianany izy avy eo, ary naniraka an-dry zareo tsiroaroa mba hitory eran’i Jodia. Olona isan-karazany no nampianarin’izy ireo momba an’ilay Fanjakana. Rehefa niverina ry zareo, dia maika erỳ hitantara tamin’i Jesosy an’izay nitranga. Hita hoe tena tsy nahavita nanakana ny fitoriana ny Devoly.

      Nohafatrafaran’i Jesosy ny mpianany mba hanohy an’io asa lehibe io foana, rehefa lasa miverina any an-danitra izy. Hoy izy: ‘Torio maneran-tany ny vaovao tsara. Ampianaro ny Tenin’Andriamanitra ny olona, ary ataovy batisa.’

      “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”​—Lioka 4:43

      Fanontaniana: Inona ny asa nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany? Inona no tsapan’ny mpianany rehefa nitory izy ireo?

      Matio 4:17-25; 9:35-38; 28:19, 20; Marka 1:14-20; Lioka 4:14-21; 8:1-3; 10:1-22

  • Nanao Fahagagana Be dia Be i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
    • Olona marary, manatona an’i Jesosy mba hositraniny

      LESONA 79

      Nanao Fahagagana Be dia Be i Jesosy

      Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tian’i Jehovah ho fantatry ny olona ny zavatra hataon’i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka izy. Nomeny fanahy masina àry izy mba hanao fahagagana. Sitrany daholo na aretina inona na aretina inona. Na taiza na taiza nalehany, dia tonga nanatona azy izay narary ary nositraniny daholo. Ny jamba lasa nahita, ny marenina lasa nandre, ny malemy afaka nandeha, ary sitrana izay nisy demonia. Na nikasika ny sisin’akanjon’i Jesosy fotsiny aza ry zareo dia sitrana. Nanaraka azy foana ny olona. Nampiany foana izay olona tonga nanatona azy, na tamin’izy mba te hitokana kely aza.

      Nisy lehilahy malemy nentin’ny olona tao amin’ny trano nisy an’i Jesosy, indray mandeha izay. Be olona be anefa tao ka tsy tafiditra ry zareo. Nolavahan-dry zareo àry ny tafo, dia nampidininy avy teo ilay lehilahy. Dia hoy i Jesosy taminy: ‘Mitsangàna dia mandehana.’ Gaga be ny olona fa sitrana izy.

      Nankao amin’ny tanàna kely iray i Jesosy indray andro, ary nisy boka folo lahy teny lavidavitra teny niantsoantso hoe: ‘Mba ampio izahay Jesosy ô!’ Tsy nahazo nanakaiky olona mantsy ny boka tamin’izany. Dia nasain’i Jesosy nankany amin’ny tempoly ry zareo. Fa maninona? Izany no tsy maintsy nataon’izay boka sitrana, araka ny Lalàn’i Jehovah. Dia sitrana ry zareo rehefa teny an-dalana! Nandeha niverina nisaotra an’i Jesosy ny anankiray sady nidera an’Andriamanitra rehefa hitany hoe sitrana izy. Izy irery ihany tamin’izy folo no mba nisaotra azy.

      Nisy vehivavy anankiray narary nandritra ny 12 taona, ary tena te ho sitrana izy. Hitany tao anaty vahoaka i Jesosy dia narahiny avy tao aoriana, ary nokasihiny ny sisin’akanjony ivelany. Tonga dia sitrana izy. Dia hoy i Jesosy: ‘Iza no nikasika an’ahy teo?’ Natahotra be izy nefa nanatona an’i Jesosy ihany, ary nilaza ny marina. Dia hoy i Jesosy: ‘Mirary soa ho anao aho, anaka.’

      Nisy olona ambony atao hoe Jairo niangavy an’i Jesosy hoe: ‘Mba andao re ho any aminay fa marary be ny zanako vavy e!’ Mbola tsy tonga tany akory anefa i Jesosy dia maty ilay ankizivavy. Rehefa tonga i Jesosy, dia nahita olona be dia be namangy an’ilay fianakaviana. Dia hoy izy: ‘Aza mitomany fa matory fotsiny izy.’ Noraisiny ny tanan’ilay ankizivavy avy eo, ary hoy izy: ‘Mitsangàna!’ Tonga dia niarina ilay ankizivavy. Hoy i Jesosy tamin’ny ray aman-dreniny: ‘Omeo sakafo izy.’ Eritrereto ange ny hafalian-dry zareo e!

      Jesosy, manangana ny zanakavavin’i Jairo

      “Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy nomeny hery izy ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy, satria nanampy azy Andriamanitra.”​—Asan’ny Apostoly 10:38

      Fanontaniana: Nahoana i Jesosy no afaka nanasitrana ny aretina rehetra? Inona no nitranga tamin’ny zanakavavin’i Jairo?

      Matio 9:18-26; 14:36; Marka 2:1-12; 5:21-43; 6:55, 56; Lioka 6:19; 8:41-56; 17:11-19

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara