-
Nifidy An’ireo Apostoly 12 i JesosyAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 80
Nifidy An’ireo Apostoly 12 i Jesosy
Nisy zava-dehibe tsy maintsy nataon’i Jesosy, herintaona sy tapany teo ho eo taorian’ny nanombohany nitory. Tsy maintsy nifidy izy hoe iza no hiara-hiasa akaiky aminy, ary iza no hampiofaniny hitarika ny fiangonana kristianina. Tian’i Jesosy raha manampy azy hahay hifidy tsara i Jehovah. Nankany amin’ny tendrombohitra anankiray àry izy, ka nivavaka nandritra ny alina. Rehefa maraina ny andro dia nantsoiny ny mpianany sasany, ary nifidy 12 tamin’ireo izy hataony apostoly. Iza avy ny apostoly tadidinao? Ireto avy ry zareo: Petera, Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartolomeo, Tomasy, Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, Tadeo, Simona, ary Jodasy Iskariota.
Andrea, Petera, Filipo, Jakoba
Niaraka tamin’i Jesosy foana izy 12 Lahy. Nampiofaniny aloha ry zareo, dia nalefany nitory irery amin’izay. Nomen’i Jehovah hery koa ry zareo ka afaka namoaka demonia sy nanasitrana marary.
Jaona, Matio, Bartolomeo, Tomasy
Nantsoin’i Jesosy hoe namany ny apostoly 12, ary natoky an-dry zareo izy. Ny Fariseo kosa nihevitra an-dry zareo hoe olon-tsotra sy tsy nahita fianarana. Nampiofanin’i Jesosy hahay tsara ny asa nampanaovina azy anefa ry zareo. Niaraka taminy ry zareo tamin’ireo fotoana niavaka indrindra teo amin’ny fiainany, ohatra hoe talohan’ny nahafatesany sy taorian’ny nananganana azy. Avy any Galilia hoatran’i Jesosy ny ankamaroan’ny apostoly, ary nanambady ny sasany.
Jakoba zanak’i Alfeo, Jodasy Iskariota, Tadeo, Simona
Tsy lavorary ny apostoly ka nanao fahadisoana. Tsy nieritreritra tsara ry zareo indraindray, dia niteniteny foana na nanaonao foana. Nisy fotoana koa ry zareo tsy nahay niandry. Nifamaly mihitsy aza ireo apostoly ireo hoe iza amin-dry zareo no lehibe kokoa. Olona tsara anefa ry zareo sady tia an’i Jehovah. Ry zareo no hitarika ny fiangonana kristianina rehefa lasa i Jesosy.
‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo daholo izay henoko tamin’ny Raiko.’—Jaona 15:15
-
-
Ilay Toriteny teo An-tendrombohitraAndao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
-
-
LESONA 81
Ilay Toriteny teo An-tendrombohitra
Avy nifidy an’ireo apostoly 12 i Jesosy tamin’izay. Nidina avy teny an-tendrombohitra izy, ary nankeny amin’ny toerana iray feno olona. Avy any Galilia ry zareo, dia avy any Jodia, Tyro, Sidona, Syria, ary avy any ampitan’i Jordana. Nitondra olona narary sy nampijalijalin’ny demonia ry zareo, ary nositranin’i Jesosy daholo ireny. Nipetraka teo amin’ny sisin’ilay tendrombohitra i Jesosy avy eo, ary nanao toriteny. Nohazavainy izay tsy maintsy hataontsika raha te ho naman’Andriamanitra isika. Tokony hahatsapa, hono, isika hoe mila an’i Jehovah, dia hianatra ho tia azy. Tsy ho tia azy anefa isika raha tsy tia olona. Tokony ho tsara fanahy amin’ny rehetra àry isika, na dia amin’ny olona tsy tia antsika aza.
Hoy koa i Jesosy: ‘Tsy izay namanao ihany no tokony ho tianao, fa izay tsy tia anao koa. Tokony hamela heloka amin’ny fo ianao. Raha misy olona tezitra aminao, dia mandehana haingana mifona aminy. Ataovy amin’ny olona izay tianao hataony aminao.’
Nanome torohevitra tsara momba ny vola sy fananana koa i Jesosy. Hoy izy: ‘Aleo naman’i Jehovah toy izay manam-bola be. Ny volanao mantsy mety hisy hangalatra, fa ny fitahiana azonao noho ianao naman’i Jehovah tsy hisy afaka hangalatra izany mihitsy. Aza miady saina be hoe inona no hohaninao, na hosotroinao, na hotafinao, fa na ny vorona aza ataon’Andriamanitra mahazo sakafo ampy foana. Raha miady saina mantsy ianao, dia tsy hoe lasa miampy iray andro akory ny fotoana hahavelomanao. Tadidio fa fantatr’i Jehovah izay ilainao.’
Mbola tsy naheno olona nampianatra hoatran’i Jesosy ny vahoaka. Ny mpitondra fivavahana mantsy tsy mba nampianatra an-dry zareo an’izany rehetra izany. Fa nahoana i Jesosy no nahay nampianatra be hoatr’izany? Satria avy amin’i Jehovah ny zavatra nampianariny.
“Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:29
-