Tovolahy Modely—Ireo Hebreo Telo Lahy
Nijoro teo amin’ny lemak’i Dora, tany Babylona i Hanania sy Misaela ary Azaria. Nivavaka tamin’ny sarivongana goavana iray ny olon-drehetra nanodidina azy ireo. Tsy nety nanao an’izany kosa izy telo lahy, na dia notaomin’ny olona aza. Nampitahorin’i Nebokadnezara Mpanjaka koa izy ireo, nefa niteny taminy fa tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Feno fanajana izy ireo, nefa hentitra rehefa nilaza izany.—Daniela 1:6; 3:17, 18.
Mbola ankizy izy telo lahy rehefa lasa babo tany Babylona. Efa tamin’izany ry zareo no nankatò an’i Jehovah, ka tsy nety nihinana sakafo voararan’ny Lalàn’i Mosesy. Izany no nanampy azy ho vonona handresy olana lehibe kokoa tatỳ aoriana. (Daniela 1:6-20) Hitany teo amin’ny fiainany, fa tsy misy tsara noho ny mankatò an’i Jehovah. Ary ianao? Vonona hankatò azy foana ve ianao, na dia taomin’ny namanao haditra aza? Raha zatra mankatò an’i Jehovah amin-javatra toa madinika ianao dieny izao, dia ho vonona kokoa hankatò azy, rehefa sendra olana lehibe, any aoriana any.—Ohabolana 3:5, 6; Lioka 16:10.