BETANIA
(Betanìa).
1. Tanàna kely tany amin’ny “telo kilaometatra eo ho eo” miala an’i Jerosalema. Ilay refy fampiasan’ny Romanina hoe “stadio” no nampiasain’ny mpanoratra Filazantsara tamin’izany, ka nolazainy fa “dimy ambin’ny folo stadio” (2,8 km eo ho eo) ilay halaviran-toerana. (Jn 11:18, jereo Prot.) Eo amin’ny ilany atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva no misy azy io, ary nandalo teo fahiny ny lalana nankany Jerosalema raha avy any Jeriko sy avy any amin’ny Reniranon’i Jordana. (Mr 10:46; 11:1; Lk 19:29) Ilay tanàna kelin’i el-ʽAzariyeh (El ʽEizariya) izao no eo amin’ilay toerana. Anarana arabo midika hoe “ilay Toerana nisy an’i Lazarosy” ny hoe el-ʽAzariyeh, izay any amin’ny 2,5 km any atsinanana atsimoatsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly.—Mr 10:46; 11:1; Lk 19:29. SARY, Boky Faha-2, p. 950.
Voalaza fa tany Kapernaomy i Jesosy no nody rehefa tany Galilia (Mr 2:1), fa tany Betania kosa izy no nody rehefa tany Jodia. I Betania ilay “tanàna kely anankiray” notsidihin’i Jesosy tamin’ny fanompoana farany nataony tany Jodia (t. Oktobra-Desambra taona 32). Tany no nisy ny tranon’i Marta sy Maria ary Lazarosy, izay lasa namana tsy foin’i Jesosy. (Lk 10:38) Tany koa i Jesosy no nanao fahagagana ka nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty.—Jn 11:1, 38-44.
Tonga tao Betania i Jesosy, enina andro talohan’ilay Paska farany natrehiny (raha vao nanomboka ny Sabata 8 Nisana taona 33, izay Sabata isan-kerinandro). (Jn 12:1) Voasa hisakafo hariva tao an-tranon’i Simona boka izy ny ampitson’io Sabata io (izany hoe, raha vao nanomboka ny 9 Nisana), ary niara-paly taminy tany i Marta sy Maria ary Lazarosy. Tamin’izay i Maria no nanosotra menaka manitra lafo vidy tamin’ny lohan’i Jesosy, ka nahatonga an’i Jodasy hiteny azy (nihatsaravelatsihy fotsiny i Jodasy). Nanarin’i Jesosy anefa i Jodasy. (Mt 26:6-13; Mr 14:3-9; Jn 12:2-8) Vao niely be tany Jerosalema koa tamin’izay hoe tany akaiky tany i Jesosy, sady vao vita koa ny Sabata, ka maro be ireo Jiosy tonga nitangorona mba hijery an’i Jesosy sy Lazarosy natsangana tamin’ny maty. (Jn 12:9) Ny ampitson’iny (mbola 9 Nisana ihany) dia niditra toy ny mpandresy tao Jerosalema i Jesosy, nitaingina zanak’ampondra. Azo inoana hoe nandalo ny Tendrombohitra Oliva izy, ary nanaraka ny lalankely avy any Betania. (Mt 21:1-11; Mr 11:1-11; Lk 19:29-38) Teny an-dalana avy tany Betania hankany Jerosalema izy ny 10 Nisana no nanozona an’ilay aviavy tsy namoa. Efa nalazo tanteraka ilay hazo rehefa nandalo teo izy sy ny mpianany ny ampitson’iny (11 Nisana).—Mr 11:12-14, 19, 20.
Tany Jerosalema foana i Jesosy nandritra ireo andro vitsivitsy farany niainany teto an-tany. Nandao an’io tanàn-dehibe io kosa izy sy ny mpianany ny alina ary nody tany Betania, tanàna kely tsy dia nanao ahoana, tany amin’ny ilany atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva, azo inoana fa tany an-tranon-dry Marta sy Maria ary Lazarosy.—Mr 11:11; Mt 21:17; Lk 21:37.
Rehefa handao ny mpianany i Jesosy, 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia tsy nitondra azy ireo tany amin’ny tempoly izy, satria efa nafoin’Andriamanitra ny tempoly tamin’izay. “Nentiny hatrany Betania” kosa izy ireo, tany amin’ny Tendrombohitra Oliva, ka tany izy no niainga rehefa niakatra ho any an-danitra.—Lk 24:50-53; As 1:9-12.
Maro no milaza fa toerana iray ihany no nisy an’i Anania (Ne 11:32), tanànan’ny fokon’i Benjamina fahiny, sy ilay tanàna kelin’i Betania tamin’ny andron’i Jesosy.
2. Toerana teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana, ary voatonona indray mandeha monja ao amin’ny Baiboly. Voalaza fa tany i Jaona no nanao batisa (Jn 1:28), ary toa tany koa izy no nilaza tamin’ny mpianany fa i Jesosy no “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.” (Jn 1:35, 36) Tamin’ny taonjato fahatelo dia nosoloan’i Origène hoe Betabara io Betania io, ary nanaraka izany ny fandikan-teny sasany toy ny Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Betania anefa no ao amin’ireo sora-tanana tena azo antoka. Tsy fantatra ny toerana nisy an’io Betania tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana io. Misy mifidy ilay toerana efa nolazaina hatramin’ny ela hoe nanaovana batisa an’i Jesosy, izay eny ampitan’ny Reniranon’i Jordana, ampitan’i Jeriko. Toa eny akaikin’ny Galilia anefa ilay toerana, araka ny Jaona 1:29, 35, 43; 2:1, ary lalana roa andro eo ho eo miala an’ilay Betania nisy ny tranon’i Lazarosy, raha araka ny Jaona 10:40; 11:3, 6, 17. Azo inoana àry hoe toerana eo atsimotsimon’ny Ranomasin’i Galilia izy io, na dia tsy fantatra marina aza hoe taiza.