FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitaiza”
  • Mpitaiza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitaiza
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Nanjary Mpitaiza Antsika ny Lalàna’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1972
  • Tadidinao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Midera An’i Jehovah any Am-pianarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitaiza”

MPITAIZA

Ny teny grika nadika hoe mpitaiza ao amin’ny Baiboly dia ilazana olona nokaramaina na mpanompo nanatitra sy naka ankizy tany am-pianarana na tany an-toeran-kafa, angamba mandra-pahalehibebeny. Natolony ho eo ambany fiandraiketan’ny mpampianatra ilay ankizy. Adidiny ny niaro azy io tsy haratra na ho voataona haloto fitondran-tena. Nananatra sy nanafay azy koa anefa ilay mpitaiza, ary mety ho nampianatra azy hahalala fomba sy ho tsara fitondran-tena. Henjana ny famaizany indraindray.

Hoy ny Galatianina 3:24, 25: “Nanjary mpitaiza [gr.: paidagôgôs, a.b.t.: mpitarika ankizy] antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy, mba ho azo ambara ho marina isika noho ny finoana. Efa tonga anefa izao ny finoana, ka tsy fehezin’ny mpitaiza intsony isika.” Hentitra ny Lalàna satria nampiharihary fa mpandika lalàna ny Jiosy ka nomelohiny. (Ga 3:10, 11, 19) Toy ny hoe natolony ho eo ambany fiandraiketan’ny Mpampianatra azy, dia i Jesosy Kristy, ny Jiosy nahazo fitaizana sy fananarana tsara. Hoy ny Galatianina 3:23: ‘Fony mbola tsy tonga ny finoana, dia voambina teo ambanin’ny lalàna isika, ka niara-natolotra hogejaina avokoa. Ary ny finoana izay tsy maintsy haharihary no nandrasantsika.’

Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Korintianina: “Na manana mpitaiza iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia azo antoka fa tsy manana ray maro. Fa tonga rainareo ao amin’i Kristy Jesosy aho, noho ny vaovao tsara.” (1Ko 4:14, 15) Izy mantsy no voalohany nampita hafatra manome fiainana tany Korinto, ka toy ny hoe rain’ireo Kristianina tany. Marina fa nisy toy ny hoe “mpitaiza” koa nanampy azy ireo tatỳ aoriana, anisan’izany i Apolosy, izay tena niahy an’ilay fiangonana tany. I Paoly ihany anefa no rain’izy ireo ara-panahy izay niara-nikely aina tamin’izy ireo.​—Ampit. Ga 4:11, 19, 20; jereo FIANARANA, FAMPIANARANA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara