MBA ANDRAMO IZAO
Fomba Hitadidiana Andinin-teny
Efa nisy andinin-teny tianao be ve nefa tsy tadidinao? Mety hoe nampahery anao ilay izy, na nanampy anao tsy hieritreri-dratsy, na mba tianao hozaraina amin’ny hafa. (Sal. 119:11, 111) Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy hanampy anao hitadidy andinin-teny.
Ampiasao ny marikaa (catégorie) ao amin’ny JW Library®. Mamoròna marika hoe “Andinin-teny Tiako Indrindra” dia ampidiro ao izay andinin-teny tianao hotadidina.
Ataovy talaky maso ilay andinin-teny. Soraty amin’ny taratasy kely ilay andinin-teny tianao hotadidina dia ataovy amin’ny toerana hahitanao azy matetika. Misy mametraka an’ilay izy eo amin’ny rindrina, na eo amin’ny fitaratra, na eo amin’ny frizidera. Ny hafa indray maka sary an’ilay andinin-teny, dia ataony fond d’écran amin’ny telefaoniny na amin’ny ordinaterany ilay izy.
Manamboara karatra kely maromaro. Soraty ao ambadika ny toko sy andininy, dia ao ambadika izay voalazan’ilay izy. Andramo izao avy eo: Mandraisa karatra iray, ka raha ilay toko sy andininy no hitanao eo dia ezaho fantarina hoe inona no voalaza ao. Raha ilay voalaza ao indray no hitanao dia ezaho fantarina ilay toko sy andininy.
a Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay video ao amin’ny jw.org hoe Zava-bitan’ny Fandaminana: Fomba Ampiasana ny “JW Library.”