FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 25
  • Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hahomby ve ny ezaka hataon’ny olombelona?
  • Miezaha hanana fanantenana
  • Ho Potika ve ny Tany?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ho Simba Tanteraka ve ny Tany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity
    Mifohaza!—2023
  • Fanomezana avy Amin’ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 25
Ankizivavikely manondraka voninkazo. Somary lavidavitra eo indray misy orinasa mamoaka setroka sady mandoto ny tontolo iainana.

Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?

Simban’ny olona ny tany, dia be dia be no lasa manahy hoe hanao ahoana àry ny hiafaran’ny tany sy ny olombelona ary ny zavamananaina hafa rehetra. Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny tontolo iainana fa noho ny ataon’ny olombelona, dia vao mainka be dia be noho ny hatramin’izay ny zavamananaina sy ny zavamaniry simba sy atahorana ho lany tamingana.

Tena ho simba tanteraka tokoa ve ny tany, noho ny ataon’ny olombelona? Sa ho vitan’izy ireo ihany ny hiaro ny tontolo iainana?

Hahomby ve ny ezaka hataon’ny olombelona?

Betsaka ny manam-pahaizana no matoky hoe afaka miaro ny tany sy ny tontolo iainana tsy ho simba ny olombelona. Milaza ny mpikaroka sasany fa raha tsy tian’ny olona ho simba ny tany, dia misy zavatra sasany tsy maintsy hataon’izy ireo, sady atao ao anatin’ny fotoana anankiray. Anisan’izany ireto manaraka ireto:

  • Miezaka manatsara ny fomba hikarakarana ny tany, ny ala, ny heniheny, ary ny ranomasina.

  • Mitady teknika hafa rehefa hamboly sy hamokatra angovo.

  • Mamokatra sakafo vita amin’ny zavamaniry, amin’izay hihena ny fihinana hena sy trondro, ary hihakely kokoa ny sakafo hohanin’ny olona sy ny sakafo verivery fotsiny.

  • Mila manaiky koa ny tsirairay hoe tsy voatery hanan-javatra be dia be izy vao ho sambatra.

Ahoana ny hevitrao? Mba hiarovana ny tany sy ny tontolo iainana, dia hahavita hiara-hiasa tsara ihany ve ny fanjakana sy ny mpandraharaha ary ny olon-tsotra, na dia sambany aza ry zareo vao hanao an’izany? Sa tsy ho tanteraka mihitsy izany satria tia vola sy tia tena ary tsy miraharaha ny hoavy ny olona sasany? —2 Timoty 3:1-5.

Miezaha hanana fanantenana

Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho potika izany mihitsy ny tany. Hazavainy ao, ohatra, fa na dia miezaka hiaro ny tany tsy ho simba aza ny olombelona dia tsy ho ampy izany. Resahiny koa hoe inona no fanovana tsy maintsy atao mba hiarovana ny tany tsy ho potika, ary ahoana no hahatanterahan’izany.

Fa nahoana no tsy hety raha ny olombelona irery no hiezaka hiaro ny tany tsy ho simba? I Jehovaha Andriamanitra no namorona ny tany, ary ny olombelona no nasainy nikarakara azy io. (Genesisy 1:28; 2:15) Tokony ho vitan’izy ireo tsara izany andraikitra nankinina taminy izany raha nanaraka ny tari-dalana nomen’ilay Mpamorona sy nankatò ny toromarika nomeny izy ireo. (Ohabolana 20:24) Nampalahelo anefa fa tsy nihaino an’i Jehovah izy ireo fa nanao izay noheveriny fa mety fotsiny. (Mpitoriteny 7:29) Tsy ho vitan’ny olombelona irery àry ny hikarakara ny tany, ary na dia hoe hiezaka aza izy ireo, dia ho voafetra ihany ny zavatra ho vitany.—Ohabolana 21:30; Jeremia 10:23.

Ny fanovana tsy maintsy hatao. Tsy havelan’Andriamanitra hosimban’ny olona tanteraka ny tany. (Apokalypsy 11:18) Tsy hoe hanatsara ny fitondran’olombelona sy ny fiaraha-monina izay manimba ny tany akory i Jehovah, fa hosoloany kosa aza izy ireny. (Apokalypsy 21:1) Dia izay no nahatonga azy hiteny hoe: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:5.

Ahoana anefa no hahatanterahan’izany? Hesorin’i Jehovah ny fitondran’olombelona, dia hosoloany fitondram-panjakana iray avy any an-danitra. Antsoina hoe ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. I Jesosy Kristy no mpanjakan’io fanjakana io, ary izy no hitondra ny tany.—Daniela 2:44; Matio 6:10.

Hampianatra ny olona mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha mahafantatra tsara ny Mpamorona sy manaraka ny tari-dalana omeny izy ireo, dia hahavita hiaina eto an-tany nefa tsy hanimba ny tontolo iainana. (Isaia 11:9) Hazavain’ny Baiboly hoe inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hahatonga ny olona hiadana sy ho sambatra, nefa tsy voatery hanimba ny tany. Anisan’izany ireto:

  • Hanome sakafo ho an’ny olona rehetra.—Salamo 72:16.

  • Hamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainana.—Isaia 35:1, 2, 6, 7.

  • Hanampy ny olona hikarakara ny biby ary ny biby indray tsy havela hanaikitra olona.—Isaia 11:6-8; Hosea 2:18.

  • Hifehy ny herin’ny natiora mba tsy hanimba ny tontolo iainana.—Mark 4:37-41.

Matokia fa tsy ho ela intsony ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanatanteraka an’ireo rehetra ireo. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe: “Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no Hitondra ny Tany?”

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.

Inona no azontsika atao amin’izao mba hiarovana ny tany tsy ho simba?

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena hamaha tanteraka ny olana momba ny tany sy ny tontolo iainana. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia afaka miezaka isika mba hiarovana ny tany tsy ho simba. Azontsika atao, ohatra, ny miezaka mba tsy handanilany foana. Tokony hankatò koa isika raha miteny ny fanjakana hoe mbola azo avadika zavatra hafa ny fako. —Jaona 6:12, 13; Romanina 13:1, 5.

  • Brett.

    Mpanolo-tsaina momba ny tontolo iainana i Brett, sady efa misotro ronono. Nianatra momba ny tontolo iainana izy, ary nanampy azy ho resy lahatra izany hoe tena misy ny Mpamorona sady hanao zavatra mba hanavotana ny tany. Vakio ato ny tantarany.

  • Mpiasa anankiroa mijery an’ireo trano vao naorina any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampisehoana hoe manaja ny Mpamorona izy ireo? Rehefa misy tetikasa fanorenana ngezabe ataon’izy ireo, ohatra, dia mampiasa teknika natao hiarovana ny tontolo iainana ry zareo. Raha te hahita ny asa efa nataon’izy ireo ianao, dia jereo ilay video hoe Trano Tsy Manimba Tontolo Iainana: Manome Voninahitra An’i Jehovah.

Andinin-teny miresaka momba ny tany ao amin’ny Baiboly

Genesisy 2:15: “Dia naka an-dralehilahy i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina.”

Ny tiany holazaina: Nasain’Andriamanitra hikarakara ny tany ny olombelona.

Genesisy 1:28: “Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’”

Ny tiany holazaina: Nasain’Andriamanitra nikarakara ny biby ny olombelona.

Isaia 45:18: “Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana: ‘Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.’”

Ny tiany holazaina: Tsy miova ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Nataony hipetrahan’izay olona manaraka an’izay lazainy izy io.

Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Ny tiany holazaina: Ho afaka hiaina mandrakizay ny olona mankatò ny fitsipik’Andriamanitra.

Salamo 98:6-8: “Manaova horakora-pandresena eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia i Jehovah. Aoka hanandra-peo ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary ny tany lonaka sy izay monina eo aminy. Aoka hitehaka ny renirano, ary aoka ny tendrombohitra rehetra hiara-mihoby.”

Ny tiany holazaina: Tsy ho simba intsony ny tontolo iainana rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara