-
Genesisy 37:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Samy namatotra amboara teny an-tsaha, hono, isika, dia iny fa niarina ny amboarako ka nijoro mahitsy. Ny amboaranareo indray nanodidina an’ilay amboarako, dia niankohoka teo amin’ilay izy.”+ 8 Dia hoy ny rahalahiny taminy: “Te hilaza ve ialahy hoe hanjaka aminay sy hifehy anay?”+ Vao mainka àry izy ireo nankahala azy, noho ilay nofiny sy ny teniny.
9 Nanonofy indray izy taorian’izay ka notantarainy tamin’ny rahalahiny ilay izy. Hoy izy: “Nanonofy indray aho hoe niankohoka teo anatrehako, hono, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11.”+
-