42 Rehefa fantatr’i Jakoba hoe nisy sakafo tany Ejipta,+ dia hoy izy tamin’ny zanany lahy: “Fa maninona ianareo no mifampijerijery eo fotsiny?” 2 Hoy koa izy: “Henoko hoe misy sakafo any Ejipta. Mandehana midina any hividy sakafo ho antsika, mba tsy ho faty isika.”+