-
Genesisy 6:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Akao roa avy ny karazan-javamananaina rehetra, dia ampidiro ao anatin’ny sambofiara,+ mba ho voaro miaraka aminao. Lahy sy vavy no halainao.+ 20 Amin’ny biby manidina araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby mandady rehetra amin’ny tany araka ny karazany avy, dia roa avy no hiditra ao mba ho voaro miaraka aminao.+
-
-
Genesisy 7:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Niditra tao anatin’ny sambofiara izy ireo sy ny bibidia rehetra araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra araka ny karazany avy, ny biby mandady rehetra etỳ ambonin’ny tany araka ny karazany avy, ary ny biby manidina rehetra araka ny karazany avy, izany hoe ny vorona rehetra sy izay rehetra manana elatra. 15 Niditra tsiroaroa nankao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ny karazana biby* manam-pofonaina rehetra.
-