-
Genesisy 7:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary niditra tao anatin’ny sambofiara i Noa tamin’io andro io, niaraka tamin’i Sema sy Hama ary Jafeta zanany lahy.+ Niaraka taminy koa ny vadiny sy izy telo vavy vadin’ny zanany.+ 14 Niditra tao anatin’ny sambofiara izy ireo sy ny bibidia rehetra araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra araka ny karazany avy, ny biby mandady rehetra etỳ ambonin’ny tany araka ny karazany avy, ary ny biby manidina rehetra araka ny karazany avy, izany hoe ny vorona rehetra sy izay rehetra manana elatra.
-