-
Genesisy 9:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Hoy koa Andriamanitra: “Izao no famantarana an’ilay fifanekena ataoko aminareo sy ny zavamananaina rehetra eo aminareo, ho an’ny taranaka rehetra mbola ho avy: 13 Asiako avana* eny amin’ny rahona, ka izy io no ho famantarana an’ilay fifanekena ataoko amin’izay rehetra velona eny ambonin’ny tany.
-