-
Genesisy 24:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Rehefa avy nisotro rano ny rameva, dia namoaka kavin’orona volamena iray nilanja antsasaka sekely* ilay lehilahy, sady namoaka brasele volamena roa nilanja folo sekely.* Dia nomeny an’ilay tovovavy ireo. 23 Ary hoy izy: “Fa hono ho’aho, zanak’iza moa ianao? Ary misy azonay atoriana ve ao an-tranon’ny rainao?”
-