-
Genesisy 16:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary tsy nanan-janaka i Saray vadin’i Abrama.+ Nanana mpanompovavy ejipsianina atao hoe Hagara+ anefa izy. 2 Dia hoy i Saray tamin’i Abrama: “Azafady ange ianao e! Tsy navelan’i Jehovah hanan-janaka aho. Koa mba manaova firaisana amin’ny mpanompovaviko, fa angamba hahazo zanaka avy aminy aho.”+ Dia nihaino an’i Saray i Abrama.
-
-
Genesisy 30:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa hitan’i Lea fa tsy niteraka intsony izy, dia nalainy i Zilpa mpanompovaviny ka nomeny ho vadin’i Jakoba.+
-
-
Genesisy 46:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ireo no zanakalahin’i Zilpa,+ ilay mpanompovavy nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy. Ireo no naterany tamin’i Jakoba. Nisy 16 izy rehetra.
-