-
Genesisy 27:42-44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Rehefa notantarain’ny olona tamin’i Rebeka ny tenin’i Esao lahimatoany, dia tonga dia nampanantsoiny i Jakoba faralahiny, ka hoy izy taminy: “Izao anaka! Mitetika ny hamaly faty i Esao rahalahinao, dia tiany hovonoina ianao.* 43 Koa araho ny teniko, anaka, ka mandehana mandositra any amin’i Labana anadahiko, any Harana.+ 44 Mijanòna kely aloha any aminy, mandra-pitonin’ny fahatezeran’ny rahalahinao.
-