-
Eksodosy 30:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Manamboara alitara handoroana emboka manitra,+ ka hazo akasia no hanaovanao azy.+ 2 Ho efamira ilay izy, ka iray hakiho* ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary roa hakiho ny haavony. Ary tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovana an’ilay alitara sy ireo tandrony.+ 3 Petaho takela-bolamena tsy misy fangarony ilay alitara, dia ny tampony sy ny lafiny rehetra manodidina ary ny tandrony. Ary asio sisiny* volamena manodidina ny tampony. 4 Manamboara koa tahony boribory volamena roa, dia asio roa avy, eo ambanin’ny sisin’ny* andaniny roa amin’ny alitara. Ireo no hitsofohan’ny bao hilanjana azy. 5 Hazo akasia no hanaovanao an’ireo bao, ary hopetahanao takela-bolamena izany.
-