-
Eksodosy 38:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nanao ny tokotany izy avy eo.+ Nataony tamin’ny kofehy rongony miolana tsara ilay fefy lamba teo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay tokotany, izany hoe ilay nitodika nianatsimo. Ary 100 hakiho ilay fefy.+ 10 Nisy andry 20 ilay fefy, ary nisy faladiany varahina 20 nitsatohany ireo andry. Volafotsy kosa ny faraingon’ireo andry sy ny fampitohizana* azy ireo. 11 Nisy fefy lamba 100 hakiho koa teo amin’ny lafiny avaratra. Varahina ny andry 20 sy ny faladiany 20 nitsatohan’ireo andry. Ary volafotsy ny faraingon’ireo andry sy ny fampitohizana* azy ireo.
-