-
Eksodosy 29:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Hanolotra ombilahy atao fanatitra noho ny ota ianao isan’andro ho fandrakofam-pahotana. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory menaka izy io mba ho masina.+ 37 Hataonao mandritra ny fito andro ny fandrakofam-pahotana ho an’ny alitara, ary hamasino izy io mba ho tena masina.+ Tokony ho masina izay olona mikasika ny alitara.
-
-
Levitikosy 8:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia naka tamin’ilay menaka izy, ka nafafiny impito teo ambony alitara. Ary nohosorany ny alitara sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony, mba hanamasinana an’ireo.
-