-
Eksodosy 10:16-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nantsoin’i Farao haingana àry i Mosesy sy Arona, ka noteneniny hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. 17 Mba avelao re ny heloko amin’ity indray mandeha ity fotsiny e! Iangavio i Jehovah Andriamanitrareo mba hesoriny amiko izao loza mahafaty izao.” 18 Koa nivoaka avy tao amin’i Farao izy* ary nitalaho tamin’i Jehovah.+ 19 Dia novan’i Jehovah ny fitsokan’ny rivotra ka lasa avy any andrefana sady nahery be. Ary nentin’ilay rivotra ny valala ka navariny tao amin’ny Ranomasina Mena. Koa tsy nisy valala tavela intsony, na iray aza, tany amin’ny faritra rehetra tany Ejipta.
-