-
Eksodosy 12:42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Alina hankalazana ny nitondran’i Jehovah azy ireo nivoaka avy tany Ejipta io alina io. Tokony hankalaza an’io alina io ho an’i Jehovah ny vahoakan’Israely rehetra, hatramin’ny taranany fara aman-dimby.+
-
-
Deoteronomia 16:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Aza mihinana zavatra misy lalivay miaraka amin’ilay izy.+ Mofo tsy misy lalivay no tokony hohaninao mandritra ny fito andro, hoatran’ilay nohaninao tamin’ianao niala haingana be tany Ejipta.+ Amin’izay dia hotsaroanao ny fijalianao tany, ary tsy hohadinoinao mihitsy ilay andro nanafahana anao tany.+
-