-
Asan’ny Apostoly 7:30-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Rehefa afaka 40 taona, dia nisy anjely niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny voarointsilo nirehitra, tany amin’ilay tany efitra akaikin’ny Tendrombohitra Sinay.+ 31 Gaga i Mosesy rehefa nahita an’izany. Rehefa nanatona mba handinika akaiky an’izany anefa izy, dia henony i Jehovah* niteny hoe: 32 ‘Izaho no Andriamanitry ny razambenao, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.’+ Dia tora-kovitra i Mosesy, ka tsy sahy nandinika akaiky kokoa. 33 Ary hoy i Jehovah:* ‘Esory ny kapanao, fa tany masina io ijoroanao io. 34 Efa hitako tokoa ny fampijaliana ny vahoakako any Ejipta, ary efa henoko ny fitarainany+ ka nidina hamonjy azy ireo aho. Koa izao àry: Hirahiko ho any Ejipta ianao.’
-