-
Eksodosy 6:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ary halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo aho.+ Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay hanafaka anareo amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’ny Ejipsianina anareo.
-
-
Nomery 16:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Hoy i Mosesy avy eo: “Izao no hahafantaranareo fa i Jehovah no naniraka ahy hanao an’ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy hoe sitrapoko fotsiny: 29 Raha hoatran’ny fomba ahafatesan’ny olon-drehetra ihany ny fomba hahafatesan’ireo olona ireo, ary raha sazy mitovy amin’ny an’ny olon-drehetra ihany ny sazy homena azy, dia tsy i Jehovah no naniraka ahy.+
-