FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 21:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Deoteronomia 8:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+

  • Deoteronomia 8:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 sy nanome anao mana ho sakafonao+ tany an-tany efitra, dia mana tsy fantatry ny razambenao. Tiany hampianarina hanetry tena mantsy ianao+ sady tiany hotsapaina, mba handray soa any aoriana any.+

  • Josoa 5:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ny ampitson’ny Paska, dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, izany hoe mofo tsy misy lalivay+ sy voam-bary natono. 12 Dia tsy nisy intsony ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany. Tsy nisy mana ho an’ny Israelita intsony,+ fa nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+

  • Jaona 6:31, 32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ny razambentsika mantsy nihinana ny mana tany an-tany efitra,+ araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’”+ 32 Dia hoy i Jesosy: “Lazaiko marimarina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo an’ilay mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.

  • Jaona 6:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 Ity no mofo nidina avy any an-danitra. Tsy hoatran’ilay mofo nohanin’ny razambenareo izy ity, satria maty ihany ry zareo. Izay mihinana an’ity mofo ity kosa ho velona mandrakizay.”+

  • 1 Korintianina 10:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa nandeha teo ambanin’ny rahona daholo ny razambentsika,+ ary namakivaky ny ranomasina izy rehetra.+

  • 1 Korintianina 10:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nihinana sakafo ara-panahy+ mitovy koa izy rehetra,

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara